Salamo 90:1-17

Vavak’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.+ 90  Jehovah ô, ianao no tena fonenanay,+Hatramin’ny taranaka fara mandimby.+   Talohan’ny nahaterahan’ny tendrombohitra,+Sy ny niterahanao* ny tany+ mbamin’ny tany lonaka,+Dia efa Andriamanitra ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.+   Averinao ho vovoka ny olombelona mety maty,+Ka hoy ianao: “Miverena ho vovoka indray, ry zanak’olombelona.”+   Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly,+Ary toy ny fotoam-piambenana iray amin’ny alina.+   Nipaoka azy ireo tampoka ianao,+ ka nihelina toy ny torimaso izy ireo.+Toy ny ahi-maitso izy ireo rehefa maraina ka miova.+   Eny, mamony izy rehefa maraina ka miova,+Nefa halazo sy ho maina rehefa hariva.+   Fa ripaka izahay noho ny fahatezeranao,+Ary mikorontan-tsaina noho ny fahaviniranao.+   Nataonao teo anatrehanao ny fahadisoanay,+Ary nataonao teo anoloan’ny fahazavan’ny tavanao ny fahotanay miafina.+   Fa mihafohy ny androm-piainanay noho ny fahatezeranao.+Mihelina toy ny sento ireo taona iainanay.+ 10  Fitopolo taona no androm-piainanay,+Ary raha tena matanjaka izahay, ka mahatratra valopolo taona,+Dia indrisy fa feno zava-tsarotra sy fijaliana izany!+Mihelina ihany ny andron’ny taonanay, ka lasa manidina izahay.+ 11  Iza no mahalala ny herin’ny fahatezeranao?+Ary iza no mahalala ny fisafoahanao? Lehibe toy ny halehiben’ny fahatahorana anao izany.+ 12  Atoroy anay ny fanisana ny andronay,+Mba hanananay fo hendry.+ 13  Miverena, Jehovah ô!+ Mandra-pahoviana no hitohizan’izao?+Aoka ianao hanenina ka hamindra fo amin’ny mpanomponao.+ 14  Aoka ho heniky ny hatsaram-panahinao feno fitiavana izahay rehefa maraina,+Mba hihobianay sy hifalianay amin’ny andro rehetra iainanay.+ 15  Ampifalio izahay araka ny isan’ny andro nampahorianao anay+Sy ireo taona nahitanay loza.+ 16  Aoka hiharihary amin’ny mpanomponao ny asanao,+Ary aoka ny voninahitrao hiseho amin’ny taranany.+ 17  Ho aminay anie ny fankasitrahan’i* Jehovah Andriamanitray!+Ataovy mafy orina ny asan’ny tananay,+Eny, ny asan’ny tananay no ataovy mafy orina.+

Fanamarihana

Na: “niterahanao tao anatin’ny fanaintainana.”
Na: “hatsaran’i.”