Salamo 91:1-16

91  Izay monina ao amin’ny toerana miafin’ny+ Avo Indrindra,+Dia hitoetra ao ambany alok’Ilay Mahery Indrindra.+   Hilaza amin’i Jehovah aho hoe: “Fialofako ianao, ary fiarovana mafy ho ahy,+Sady Andriamanitro izay hatokisako.”+   Fa izy no hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpamandri-borona,+Sy amin’ny areti-mandringana mitera-doza.+   Ny volon’elany no hisakanany an’izay manatona hamely anao,+Ary ao ambany elany no hialofanao.+Ho ampinga+ lehibe ny fahamarinany,+ sady ho manda fiarovana.   Tsy hisy hatahoranao izay rehetra mampihorohoro amin’ny alina,+Na ny zana-tsipìka+ misidina amin’ny antoandro,   Na ny areti-mandringana miely amin’ny maizina,+Na ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana.+   Na dia hisy arivo aza ho lavo eo anilanao,Ary iray alina eo ankavananao,Dia tsy hanakaiky anao kosa izany loza rehetra izany.+   Hitaza-maso fotsiny ianao,+Ary ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy noho izay nataony.+   Koa satria efa nilaza ianao hoe: “Fialofako i Jehovah”,+Dia nataonao fonenanao ny Avo Indrindra.+ 10  Tsy hisy loza hanjo anao,+Na zava-doza hanakaiky ny tranolainao.+ 11  Fa homeny baiko hitsinjo anao ny anjeliny+Mba hiaro anao amin’ny lalanao rehetra.+ 12  Eny an-tanan’izy ireo no hitondrana anao,+Mba tsy hidona amin’ny vato ny tongotrao.+ 13  Hanitsakitsaka liona tanora sy kôbrà ianao,+Ary hanosihosy liona tanora masiaka sy bibilava ngezabe.+ 14  Satria izaho no niraiketan’ny fony+Dia hanafaka azy aho.+Harovako izy, satria nanjary nahalala ny anarako.+ 15  Hiantso ahy izy, dia hamaly azy aho.+Ho eo aminy aho raha ory izy.+Hamonjy azy aho, ary hanome voninahitra azy.+ 16  Hataoko ela velona izy ka ho afa-po amin’izany,+Ary hataoko izay hahazoany famonjena avy amiko.+

Fanamarihana