Salamo 92:1-15

Hira fiderana rehefa sabata. 92  Tsara ny misaotra anao, Jehovah ô,+Sy ny mihira fiderana ho an’ny anaranao, ry Avo Indrindra ô!+   Tsara ny manambara ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, rehefa maraina,+Sy ny miresaka momba ny tsy fivadihanao, rehefa alina.+   Tsara ny manao izany miaraka amin’ny lokanga misy tadiny folo sy ny mandôlinina,+Ary ny feon’ny harpa maneno mafy.+   Fa mampifaly ahy ianao, Jehovah ô, ka ny asanao no ampifalianao ahy,Ary noho ny asan’ny tananao, dia mihoby aho.+   Lehibe tokoa ny asanao, Jehovah ô,+Ary tena lalina ny fisainanao.+   Tsy fantatry ny olona tsy misaina izany,+Ary tsy azon’ny olona adala.+   Rehefa mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy,+Ary miroborobo ny mpanao ratsy rehetra,Dia midika izany fa ho ringana mandrakizay izy ireo.+   Ambony indrindra mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao, Jehovah ô!+   Fa ny fahavalonao kosa, Jehovah ô,+Eny, ny fahavalonao ho ringana.+Ary hiparitaka ny mpanao ratsy rehetra.+ 10  Ianao kosa hanandratra ny tandroko ho toy ny an’ny ombidia,+Ary izaho hihosotra menaka mahamandimandina.+ 11  Ny masoko ho faly hijery ny fahavaloko,+Ary ny sofiko handre ny fahavoazan’ireo mitsangana hanohitra ahy, dia ireo mpanao ratsy. 12  Hiroborobo toy ny hazo palmie ny olo-marina,+Sady ho ngezabe toy ny hazo sedera any Libanona.+ 13  Hiroborobo ireo nambolena tao an-tranon’i Jehovah,+Sy tao an-tokotanin’ny tranon’Andriamanitsika.+ 14  Mbola handrobona foana izy ireo na dia efa fotsy volo aza,+Ary mbola hatanjaka sy havitribitrika,+ 15  Mba hanambara fa mahitsy i Jehovah.+Vatolampiko izy,+ ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy.+

Fanamarihana