Salamo 93:1-5

93  Lasa mpanjaka i Jehovah!+Mitafy fahamboniana izy,+Mitafy sy misikina hery i Jehovah.+Lasa mafy orina koa ny tany lonaka ka tsy voahozongozona.+   Mafy orina hatramin’ny ela be ny seza fiandriananao,+Efa nisy hatrizay hatrizay ianao.+   Manandra-peo ny renirano, Jehovah ô,Manandratra ny feony ny renirano.+Mihamafy ny fidoboky ny renirano.+   Heni-kaja any amin’ny avo i Jehovah,+Mihoatra noho ny feon’ny rano be, eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina avo be sy mahery.+   Tena azo itokisana ny fampahatsiahivanao.+Jehovah ô, fahamasinana no mendrika ny tranonao,+ mandrakizay.+

Fanamarihana