Salamo 94:1-23

94  Ry Jehovah Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao ô,+Ry Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao ô, mamirapirata!+   Mitsangàna, ry Mpitsara ny tany ô,+Ka omeo ny valin’asany ireo manambony tena.+   Mandra-pahoviana, Jehovah ô?+Mandra-pahoviana no ifalian’ny ratsy fanahy?+   Miboiboika tsy misy farany ny teniny, ary tsy voafehiny intsony ny lelany.+Mizahozaho foana ny mpanao ratsy rehetra.+   Ataony torotoro ny olonao, Jehovah ô!+Ary ampahoriny ny lovanao.+   Vonoiny ho faty ny mpitondratena sy ny mpivahiny,+Aripany koa ny kamboty ray.+   Milaza foana izy hoe: “Tsy mahita i Jah,+Ary tsy mahalala ny zava-misy ny Andriamanitr’i Jakoba.”+   Mba mieritrereta, ry tsy misaina,+Ary ianareo adala, rahoviana ianareo vao hanam-pahalalana?+   Ilay nanao ny sofina indray ve no tsy handre?+Ary Ilay namorona ny maso ve tsy hahita?+ 10  Ilay manitsy an’ireo firenena ve tsy hananatra,+Eny, tsy hananatra ve Ilay manome fahalalana ny olona?+ 11  Fantatr’i Jehovah ny eritreritry ny olona fa zava-poana toy ny fofonaina.+ 12  Sambatra izay olona anarinao,+ ry Jah ô,Sy izay ampianarinao ny lalànao,+ 13  Mba hahatonga azy hiadan-tsaina na dia amin’ny andro mahory aza,+Mandra-pihady lavaka ho an’ny ratsy fanahy.+ 14  Fa tsy hahafoy ny olony i Jehovah,+Sady tsy handao ny lovany.+ 15  Fa ho ara-drariny indray ny didim-pitsarana,+Ary hankatò izany daholo ny olona mahitsy fo. 16  Iza no hitsangana hanampy ahy hanohitra ny ratsy fanahy?+Iza no hiandany amiko hamely ny mpanao ratsy?+ 17  Raha tsy nanampy ahy i Jehovah,+Dia efa saika nitoetra tao amin’ny fanginana aho* hoatr’izay.+ 18  Rehefa nilaza aho hoe: “Hangozohozo ny tongotro”,+Dia ny hatsaram-panahinao feno fitiavana no nanohana ahy, Jehovah ô!+ 19  Rehefa nihabetsaka ny tebiteby tato anatiko,+Dia ny fampiononanao no nanafosafo ahy.+ 20  Hiray tsikombakomba aminao ve ireo mpitondra ratsy fanahy,+Nefa mitetika ny hanisy ratsy amin’ny alalan’ny lalàna?+ 21  Mamely mafy an’ireo olo-marina ireny,+Ary lazainy fa meloka ny ran’ny tsy manan-tsiny.+ 22  Ho tendrombohitra fandosirako anefa i Jehovah,+Ary ho vatolampy fialofako ny Andriamanitro.+ 23  Koa hatsingeriny eo an-dohan’ireny ny ratsy nataony,+Ary ny haratsian’ireny ihany no handringanany azy.+Haringan’i Jehovah Andriamanitsika tokoa ireny.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.