Salamo 96:1-13

96  Mihirà hira vaovao ho an’i Jehovah.+Mihirà ho an’i Jehovah, ry mponin’ny tany manontolo.+   Mihirà ho an’i Jehovah, derao ny anarany.+Lazao isan’andro ny vaovao tsara momba ny famonjeny.+   Ambarao amin’ireo firenena ny voninahiny,+Ary amin’ny olona rehetra ny asany mahatalanjona.+   Fa lehibe i Jehovah,+ ka tena mendrika hoderaina tokoa.Mendrika hatahorana kokoa noho ny andriamanitra rehetra izy.+   Fa andriamanitra tsy misy dikany daholo ny andriamanitry ny firenena,+Fa i Jehovah kosa, izy no nanao ny lanitra.+   Haja amam-boninahitra no eo anatrehany,+Ary hery sy hatsarana no ao amin’ny toerany masina.+   Ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah, ry fokom-pirenena,+Eny, ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah.+   Ekeo fa mendrika ny homem-boninahitra ny anaran’i Jehovah,+Mitondrà fanomezana ary midira ao an-tokotanin’ny tempoliny.+   Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fitafiana masina.+Matahora* azy, ry mponin’ny tany manontolo!+ 10  Lazao amin’ireo firenena hoe: “Lasa mpanjaka i Jehovah.+Nanjary mafy orina ny tany lonaka ka tsy ho voahozongozona.+Hitsara ny olona araka ny hitsiny izy.”+ 11  Aoka hiravoravo ny lanitra, ary hifaly ny tany,+Aoka hanandra-peo ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy,+ 12  Aoka hifaly ny saha sy izay rehetra eo aminy.+Aoka ny hazo rehetra any an’ala hihoby+ 13  Eo anatrehan’i Jehovah. Fa tonga izy,+Eny, tonga hitsara ny tany izy.+Hitsara ny tany lonaka araka ny rariny izy,+Ary hitsara ny olona araka ny tsy fivadihany.*+

Fanamarihana

Na: “Aoka ianareo hanaintaina mafy.”
“tsy fivadihan’Andriamanitra.”