Salamo 97:1-12

97  Lasa mpanjaka i Jehovah!+ Aoka hifaly ny tany.+Aoka hiravoravo ny nosy maro.+   Rahona sy haizim-pito no manodidina azy,+Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandrianany.+   Misy afo mivoaka eo anatrehany,+Izay mandevona ny fahavalony manodidina.+   Nohazavain’ny tselatra nalefany ny tany lonaka.+Nahita izany ny tany ka nanaintaina mafy.+   Nitsonika toy ny savoka ny tendrombohitra noho ny amin’i Jehovah,+Eny, noho ny amin’ilay Tompon’ny tany manontolo.+   Manambara ny fahamarinany ny lanitra,+Ary mahita ny voninahiny ny firenena rehetra.+   Aoka ho menatra izay rehetra manompo sary sokitra,+Sy izay mirehareha noho ny amin’ny andriamanitra tsy misy dikany.+Miankohofa eo anatrehany, ry andriamanitra rehetra!+   Nandre i Ziona ka ravoravo,+Ary nifaly ireo tanàna miankina amin’i Joda.+Nifaly noho ny didim-pitsaranao izy ireo, Jehovah ô!+   Fa ianao, Jehovah ô, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo.+Misandratra avo dia avo noho ny andriamanitra rehetra ianao.+ 10  Ianareo izay tia an’i Jehovah,+ ankahalao ny ratsy.+Miaro ny ain’izay tsy mivadika aminy izy,+Ary manafaka azy tsy ho azon’ny ratsy fanahy.+ 11  Mamirapiratra eo amin’ny olo-marina ny fahazavana,+Ary eo amin’ny mahitsy fo ny fifaliana.+ 12  Mifalia amin’i Jehovah, ry olo-marina,+Ary isaory ny anarany masina, izay tokony hotsarovana.+

Fanamarihana