Salamo 98:1-9

Hira fiderana. 98  Mihirà hira vaovao ho an’i Jehovah,+Fa mahagaga ny zavatra nataony.+Mahavonjy ny tanany ankavanana, eny, ny sandriny masina.+   Nampahafantatra ny famonjeny i Jehovah.+Teo imason’ireo firenena no nampiharihariany ny fahamarinany.+   Tsaroany ny hatsaram-panahiny feno fitiavana sy ny tsy fivadihany tamin’ny taranak’Israely.+Nahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany efatra.+   Manaova horakora-pandresena ho an’i Jehovah, ry mponin’ny tany manontolo.+Mifalia sy mihobia ary manaova hira fiderana.+   Manaova hira fiderana ho an’i Jehovah amin’ny harpa,+Eny, amin’ny harpa sy ny feon-kira.+   Tsofy ny trompetra sy ny anjombona,+Ka manaova horakora-pandresena eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia i Jehovah.   Aoka hanandra-peo ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy,+Ary ny tany lonaka sy izay monina eo aminy.+   Aoka hitehaka ny renirano,Ary aoka ny tendrombohitra rehetra hiara-mihoby+   Eo anatrehan’i Jehovah, fa tonga hitsara ny tany izy.+Hitsara ny tany lonaka araka ny rariny izy,+Ary hitsara ny olona araka ny hitsiny.+

Fanamarihana