Salamo 99:1-9

99  Lasa mpanjaka i Jehovah.+ Aoka ho raiki-tahotra ny olona.+Mipetraka eo amin’ny kerobima izy.+ Aoka hangovitra ny tany.+   Lehibe i Jehovah ao Ziona,+Ary ambony noho ny firenena rehetra izy.+   Aoka izy ireo hidera ny anaranao.+Be voninahitra sy mendrika hatahorana ary masina izy io.+   Tiany ny rariny, hoatran’ny itiavan’ny mpanjaka mahery izany.+Efa nataonao mafy orina ny fahitsiana.+Ny rariny sy ny fahamarinana nampiharin’i Jakoba no nampiharinao koa.+   Asandrato i Jehovah Andriamanitsika,+ ary miankohofa eo amin’ny fitoeran-tongony.+Masina izy.+   Anisan’ny mpisorony i Mosesy sy Arona,+Ary anisan’ny niantso ny anarany i Samoela.+Niantso an’i Jehovah izy ireo, dia namaly azy ireo izy.+   Tao anatin’ny andry rahona no niresahany tamin’izy ireo.+Narahin’izy ireo ny fampahatsiahivana sy ny fitsipika nomeny azy.+   Ianao no namaly ny antson’izy ireo, Jehovah Andriamanitray ô!+Andriamanitra namela ny helok’izy ireo ianao,+Nefa koa namaly ny ratsy nataony.+   Asandrato i Jehovah Andriamanitsika,+Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina.+Fa masina i Jehovah Andriamanitsika.+

Fanamarihana