Zakaria 10:1-12

10  “Mangataha orana amin’i Jehovah+ amin’ny fotoanan’ny oran-dohataona,+ eny, mangataha amin’i Jehovah, izay mampisy rahona mitondra oram-baratra,+ sy manome oram-be ho an’ny olona,+ ary manome zavamaniry eny an-tsaha ho an’ny tsirairay.+  Miresaka momba ny herin’ny maizina ny terafima.+ Ary ny mpisikidy kosa mahita fahitana tsy marina,+ miresaka nofy tsy misy dikany, ary miezaka hampionona nefa very maina fotsiny izany.+ Izany no mahatonga ny olona hirenireny toy ny ondry.+ Ho ory izy ireo, satria tsy misy mpiandry.+  “Tezitra mafy amin’ireo mpiandry aho,+ ary hataoko ampamoaka ireo mpitarika toy ny osy,+ fa i Jehovah Tompon’ny tafika mitsinjo ny taranak’i Joda, izay andian’ondriny.+ Ary ataony toy ny soavaliny izy ireo, dia soavaly+ mpiady heni-kaja.  Avy amin’i Joda no iavian’ilay lehibe,+ ary avy aminy koa ilay mpitondra azo ianteherana+ sy ilay tsipìkan’ady,+ ary samy hivoaka avy aminy ny lehiben’ny mpiasa.+ Eny, avy aminy izy rehetra ireo.  Ary ho toy ny lehilahy mahery+ manitsaka ny fotaka eny an-dalambe izy ireo, rehefa any an’ady.+ Hiady izy ireo satria momba azy i Jehovah.+ Ary ho menatra ny mpitaingin-tsoavaly.+  Dia hataoko izay handresen’ny taranak’i Joda, ary hovonjeko ny taranak’i Josefa.+ Homeko toeram-ponenana izy ireo, satria hamindra fo aminy aho.+ Dia ho toy ny olona tsy nariako izy,+ fa izaho no Jehovah Andriamaniny, ary hamaly an’izay miantso ahy aho.+  Ho toy ny lehilahy mahery ireo anisan’i Efraima,+ ary hifaly toy ny azon’ny divay ny fon’izy ireo.+ Hahita izany ny zanany ka ho faly.+ Hiravoravo amin’i Jehovah ny fony.+  “‘Hisioka+ hiantso azy ireo aho, ka hanangona azy. Fa havotako+ tokoa izy ireo, ka ho maro be toy ireo vahoaka nanjary maro be.+  Dia haparitako any amin’ireo firenena izy ireo,+ eny, haparitako toy ny voa afafy. Hahatsiaro ahy izy ireo, any an-tany lavitra any.+ Ary ho velombelona indray izy ireo mbamin’ny zanany, ka hiverina.+ 10  Hampodiko avy any Ejipta izy ireo,+ ary avy any Asyria no hanangonako azy.+ Hoentiko ho any Gileada+ sy Libanona izy ireo, satria tsy misy toerana ho antonona azy rehetra.+ 11  Dia hamakivaky ny ranomasina izy, ka hampisamboaravoara azy.+ Ary hokapohiny ny onjan-dranomasina.+ Ho ritra hatramin’ny rano lalina rehetran’i Neily.+ Haetry ny reharehan’i Asyria,+ ary hiala ny tehim-panjakan’i+ Ejipta.+ 12  Ary izaho Jehovah no hanome fandresena azy ireo,+ ary handeha amin’ny anarako izy ireo’,+ hoy i Jehovah.”

Fanamarihana