Zakaria 11:1-17

11  “Vohay ny vavahadinao, ry Libanona ô,+ mba handevonan’ny afo ny hazo sederanao.+  Midradradradrà, ry hazo zenevrie, fa efa nianjera ny sedera, ary fongotra ny hazo mijoalajoala!+ Midradradradrà, ry hazo goavam-be ao Basana, fa ripaka ny ala mikitroka!+  Injay ny fidradradradran’ny mpiandry ondry,+ fa afa-boninahitra izy ireo.+ Injay ny fieron’ny liona tanora, fa fongotra ny kirihitrala matevina teny amoron’i Jordana.+  “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitro: ‘Andraso ny andian’ondry natao hovonoina.+  Mamono azy+ ny mpividy, nefa tsy hatao ho helony izany.+ Ary hoy ireo mivarotra+ azy: “Hisaorana anie i Jehovah, fa ho mpanankarena aho!”+ Ary tsy miantra azy ny mpiandry azy.’+  “‘Fa tsy hangoraka an’ireo mponina amin’ity tany ity intsony aho’,+ hoy i Jehovah. ‘Koa hatolotro eo an-tanan’ny namany avy+ sy eo an-tanan’ny mpanjakany+ ny olona. Dia horavan’izy ireo ity tany ity, nefa izaho tsy hamonjy na iza na iza eny an-tanany.’”+  Dia niandry ny andian’ondry+ natao hovonoina+ aho, mba hahasoa anareo, ry andian’ondry nampahorina.+ Koa naka tehina+ roa aho: Ny iray nantsoiko hoe Imahafinaritra,+ ary ny iray hoe Firaisan-kina.+ Dia nandrasako ny andian’ondry.  Tao anatin’ny iray volana,+ dia noroahiko ny mpiandry telo satria tsy zakako intsony ny nataon’izy ireo,+ ary izy ireo rahateo efa nankahala mafy ahy.  Farany, dia hoy aho: “Tsy ho mpiandry anareo intsony aho.+ Izay efa ho faty, dia aoka ho faty. Izay haringana, dia aoka ho ringana.+ Ary izay sisa tavela, dia aoka samy hihinana ny nofon’ny namany avy.”+ 10  Koa nalaiko ilay tehiko atao hoe Imahafinaritra+ ka notapatapahiko,+ mba hanafoanako an’ilay fifanekena nataoko tamin’ny olona rehetra.+ 11  Dia nofoanana ilay izy tamin’iny andro iny. Ary ilay andian’ondry nampahorina,+ izay nijery+ ahy, dia nanjary nahafantatra fa izany no tenin’i Jehovah. 12  Ary hoy aho tamin’ny olona: “Raha mety aminareo,+ dia omeo ahy ny karamako. Fa raha tsy mety, dia aza omena.” Ary naloany ny karamako, ka farantsa volafotsy telopolo+ no nomeny. 13  Dia hoy i Jehovah tamiko: “Atsipazo ao amin’ny fitehirizan-karena+ izany vola be anombanany ahy izany.”+ Dia nalaiko ireo farantsa volafotsy telopolo ka natsipiko tao amin’ny fitehirizan-karena tao an-tranon’i Jehovah.+ 14  Ary notapatapahiko ilay tehiko faharoa, dia ny Firaisan-kina,+ mba handravako ny firahalahian’i+ Joda sy Israely.+ 15  Ary hoy i Jehovah tamiko: “Alaivo ho anao ireo fitaovana eny amin’ny mpiandry tsy misy ilana azy.+ 16  Fa hanendry mpiandry ondry eto amin’ity tany ity aho.+ Tsy hiraharaha an’ireo ondry haringana izy,+ na hitady ny zanak’ondry, na hanasitrana an’izay tapaka.+ Tsy homeny sakafo izay mbola mahatsangana, hohaniny ny nofon’izay matavy,+ ary hendahany ny kitron’ondry.+ 17  Lozan’ny mpiandry tsy misy fotony,+ izay mandao ny ondry!+ Hisy sabatra hamely ny sandriny sy ny masony havanana. Dia ho maina tokoa ny sandriny,+ ary hanjavozavo tokoa ny masony havanana.”

Fanamarihana