Zakaria 13:1-9

13  “Amin’izany andro izany,+ dia hisy lavadrano+ holavahana ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema, mba hanadiovana azy ireo ho afaka amin’ny fahotana+ sy ny zava-maharikoriko.+  “Ary amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “no hanafoanako ny anaran’ireo sampy tsy ho amin’ity tany ity,+ ka tsy hotsarovana intsony ireny. Ary hesoriko tsy ho amin’ity tany ity koa ny mpaminany+ sy ny fanahin’ny fahalotoana.+  Raha misy lehilahy mbola maminany, dia hilaza aminy ny rainy sy ny reniny niteraka azy, hoe: ‘Ho faty ianao, satria miteny lainga amin’ny anaran’i Jehovah.’ Dia handefona azy ny rainy sy ny reniny niteraka azy, noho izy naminany.+  “Samy ho menatra noho ny fahitany ny mpaminany amin’izany andro izany,+ rehefa maminany. Ary tsy hanao akanjo volom-biby+ hoenti-mamitaka izy ireo.  Dia hisy amin’izy ireo hilaza hoe: ‘Tsy mpaminany aho fa mpiasa tany, satria novidin’olona hatry ny fony kely.’  Ary hisy hanontany azy hoe: ‘Inona ireny ratra eny amin’ny vatanao ireny?’ Dia hoy izy: ‘Ratra tamin’ny namelezana ahy ireny, tamin’izaho tao an-tranon’ireo olona tia ahy fatratra.’”  “Ry sabatra ô, mifohaza hamely ny mpiandry ondriko,+ dia ilay lehilahy tomady mpiara-miasa amiko”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. “Asio ny mpiandry,+ dia hiparitaka ny andian’ondry.+ Ary hasehoko ny fankasitrahako an’ireo tsinontsinona ireo.”+  “Ary manerana ity tany ity”, hoy i Jehovah, “dia ho ripaka sy ho faty ny roa ampahatelon’ny mponina,+ ary ny ampahatelony no ho sisa tavela ao.+  Ary hataoko anaty afo ilay ampahatelony.+ Dia hanadio azy toy ny fanadio volafotsy aho,+ ary handinika azy toy ny fandinika volamena.+ Hiantso ny anarako izy, ary izaho hamaly azy.+ Dia hoy aho: ‘Oloko izy’,+ ary izy kosa hiteny hoe: ‘I Jehovah no Andriamanitro.’”+

Fanamarihana