Zakaria 3:1-10

3  Ary nasehony ahy i Josoa+ mpisoronabe izay nijoro teo anatrehan’ilay anjelin’i Jehovah, sy i Satana+ izay nijoro teo ankavanany mba hanohitra+ azy.  Ary hoy ilay anjelin’i+ Jehovah tamin’i Satana: “Hiteny mafy+ anao anie i Jehovah, ry Satana! Hiteny mafy anao anie i Jehovah, izay nifidy an’i Jerosalema!+ Tsy tapa-porohana nosarihana avy tao anaty afo+ ve io olona io?”  Ary nanao akanjo maloto be+ i Josoa tamin’izy nijoro teo anatrehan’ilay anjely.  Ary hoy ilay anjely tamin’ireo nijoro teo anatrehany: “Esory eny aminy ireny akanjo maloto ireny.” Fa hoy kosa izy tamin’i Josoa: “Efa namela ny fahadisoanao aho,+ ary akanjo mihaja be+ no hampanaovina anao.”  Dia hoy aho: “Aoka ny lohany hasian’izy ireo satroka lamba*+ madio.” Dia nasiana an’ilay satroka madio ny lohany, ary nampanaovina akanjo izy. Ary nijoro teo akaiky teo ilay anjelin’i Jehovah.  Koa nananatra an’i Josoa ilay anjelin’i Jehovah hoe:  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Raha mandeha amin’ny lalako ianao, ary manao ny adidinao amiko,+ dia ianao no hitsara ny ao an-tranoko+ sy hiandraikitra ny tokotanin’ny tranoko. Ary havelako hiditra malalaka hankeo amin’ireo mijoro ireo ianao.’  “‘Mihainoa, azafady, ry Josoa mpisoronabe, eny, mihainoa ianao sy ireo namanao mipetraka eo anatrehanao, fa olona atao fambara+ ireo namanao ireo. Fa hitondra an’ilay mpanompoko+ atao hoe Tsimoka+ aho!  Jereo ilay vato+ napetrako eo anatrehan’i Josoa! Maso fito+ no mibanjina an’ilay vato. Hataoko sokitra+ ny soratra eo aminy’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘ary hesoriko ao anatin’ny iray andro ny fahadisoan’ity tany ity.’+ 10  “‘Amin’izany andro izany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘dia hifampiantso eny ambanin’ny voaloboka sy ny aviavy ianareo.’”+

Fanamarihana

Jereo F.F. 8.