Zakaria 9:1-17

9  Fanambarana:+ “Ny tenin’i Jehovah dia manameloka ny tany Hadraka, ary miantefa amin’i Damaskosy.+ Fa mifantoka amin’ny olombelona sy ny foko rehetran’ny Israely ny mason’i Jehovah.+  Melohina koa i Hamata+ izay eo amin’ny sisin-taniny, mbamin’i Tyro+ sy Sidona,+ na dia hendry+ aza izy.  Ary nanangana tovon-tany i Tyro, sady nanangona volafotsy maro be toy ny vovoka, sy volamena be dia be toy ny fotaka eny an-dalana.+  Hesorin’i Jehovah aminy avokoa ny fananany, ary haripany eny an-dranomasina ny tafiny.+ Ho levon’ny afo izy.+  Hahita izany i Askelona ka hatahotra. Hanaintaina mafy i Gaza. Ary hanaintaina mafy koa i Ekrona,+ satria ho menatra ilay nantenainy.+ Hisy mpanjaka ho faty ao Gaza, ary tsy honenana intsony i Askelona.+  Zazasary+ no hipetraka ao Asdoda.+ Hofoanako ny fireharehan’ny Filistinina,+  hesoriko eny am-bavany ny zavatra mbola misy ra, ary hesoriko eo anelanelan’ny nifiny ny zava-maharikoriko.+ Hisy sisa tavela ho an’Andriamanitsika eo aminy. Ho toy ny lehibem-poko+ any Joda izy,+ ary i Ekrona ho toy ny Jebosita.+  Ho toy ny toby mpitily ho an’ny tranoko aho,+ ka tsy hisy hiditra na hivoaka. Ary tsy handalo eo amin’ny oloko intsony ny olon-dozabe manery azy hiasa,+ fa efa hitan’ny masoko ny fampahoriana+ azy ireo.  “Aoka ho dibo-kafaliana ianao, ry Ziona zanakavavy ô!+ Manaova horakora-pandresena,+ ry Jerosalema zanakavavy ô! Iny fa tonga atỳ aminao ny mpanjakanao.+ Olo-marina izy, sady voavonjy.+ Manetry tena izy,+ ary mitaingina ampondra, dia zanaky ny ampondravavy.+ 10  Hofoanako tsy hisy kalesin’ady ao Efraima, ary tsy hisy soavaly ao Jerosalema.+ Hofoanana koa ny tsipìkan’ady.+ Fihavanana no horesahiny amin’ireo firenena.+ Ary hipaka hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina ny fanjakany, ary hatrany amin’ny Renirano ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+ 11  “Noho ny ran’ilay fifanekena+ nifanaovanao tamiko, ravehivavy, dia havoakako avy ao anaty lavaka tsy misy rano ny olonao voafonja.+ 12  “Miverena any amin’ilay tanàna voaro mafy,+ ry voafonja manana fanantenana.+ “Anio no hilazako aminao hoe: ‘Hataoko avo roa heny ny anjaranao,+ ravehivavy. 13  Hitsahiko toy ny fanitsaka tsipìka i Joda, ary hampiasaiko toy ny zana-tsipìka i Efraima. Hampirisihiko ny zanakao,+ ry Ziona, hiady amin’ny zanakao, ry Gresy.+ Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,+ ry Ziona.’ 14  Ho hita eo amin’izy ireo i Jehovah,+ ary hitsoriaka toy ny tselatra ny zana-tsipìkany.+ Hitsoka ny anjombona i Jehovah Tompo Fara Tampony,+ ary handeha toy ny ao anaty tafio-drivotra avy any atsimo+ izy. 15  Hiaro azy ireo i Jehovah Tompon’ny tafika. Dia holevonin’izy ireo+ sy hataony tsy misy vokany ireo vatom-pilotra. Hisotro+ izy ireo, ary hihorakoraka toy ny azon’ny divay. Ary hofenoina toy ny vilia baolina sy toy ny zoron’ny alitara+ izy ireo. 16  “Ary hamonjy ny olony,+ izay toy ny andian’ondry,+ i Jehovah Andriamanitra amin’izany andro izany. Fa ho toy ny vatosoa eo amin’ny diadema izy ireo, dia vatosoa mamirapiratra eo amin’ny taniny.+ 17  Fa lehibe tokoa ny hatsaran-toetrany+ sy ny hatsaran-tarehiny!+ Varimbazaha no hampahatanjaka ny tovolahy, ary divay vaovao no hampahatanjaka ny virjiny.”+

Fanamarihana