Korintianina Voalohany 7:1-40
7 Izao no valin’ny fanontaniana nosoratanareo tamiko: Tsara kokoa raha tsy mikasika* vehivavy ny lehilahy.
2 Miely be anefa ny fijangajangana,* ka tokony samy hanana ny vadiny ny lehilahy tsirairay,+ ary samy hanana ny vadiny ny vehivavy tsirairay.+
3 Tokony hanao ny adidiny* amin’ny vadiny ny lehilahy, ary tokony hanao hoatr’izany amin’ny vadiny koa ny vehivavy.+
4 Tsy manana fahefana amin’ny vatany ny vehivavy, fa ny vadiny no manana an’izany fahefana izany. Toy izany koa fa tsy manana fahefana amin’ny vatany ny lehilahy, fa ny vadiny no manana an’izany fahefana izany.
5 Aza misy mandà tsy hanao ny adidiny amin’ny vadiny, raha tsy hoe efa nifanaraka angaha ianareo hoe tsy hanao an’izany mandritra ny fotoana kelikely, mba hanokananareo fotoana hivavahana. Dia hiaraka indray ianareo avy eo, sao tsy hahafehy tena ka haka fanahy anareo foana i Satana.
6 Tsy didy anefa izany lazaiko izany, fa soso-kevitra ihany.
7 Fa tiako raha mitovy amiko ny olona rehetra. Samy nahazo fanomezana+ avy amin’Andriamanitra anefa ny tsirairay, ka ny iray hoatr’izao, ary ny iray kosa hoatr’izao.
8 Izao no lazaiko amin’ireo tsy manambady sy ireo vehivavy maty vady: Tsara kokoa raha mijanona hoatr’ahy+ izy ireo.
9 Raha tsy mahafehy tena anefa izy ireo, dia afaka manambady, fa aleo manambady toy izay ho resin’ny* filan’ny nofo.+
10 Manoro hevitra ny manambady aho, nefa tsy izaho fa ny Tompo, hoe tsy tokony handao* ny vadiny ny vehivavy.+
11 Raha mandao ny vadiny anefa izy, dia tsy tokony hanambady na tokony hody amin’ny vadiny. Ary ny lehilahy tsy tokony handao ny vadiny.+
12 Izao kosa no lazaiko amin’ny hafa, izaho anefa fa tsy ny Tompo:+ Raha misy rahalahy manambady tsy mpino, ary mbola manaiky hijanona miaraka aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy handao azy izy.
13 Ary raha misy vehivavy manambady tsy mpino, ka mbola manaiky hijanona miaraka aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy handao azy izy.
14 Fa hamasinina noho ny amin’ny vadiny ny lehilahy tsy mpino, ary hamasinina noho ny amin’ilay rahalahy ny vadiny tsy mpino. Raha tsy izany, dia tsy madio ny zanakareo, nefa masina izy ireo izao.
15 Fa raha ilay tsy mpino kosa no te hiala,* dia avelao izy hiala. Raha izany no mitranga, dia tsy voatery hisisika hiaraka aminy ilay rahalahy na anabavy vadiny, fa Andriamanitra efa niantso anareo mba hanome anareo fiadanana.*+
16 Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, raha ho voavonjinao ny vadinao na tsia?+ Ary ahoana moa no ahafantaranao, ralehilahy, raha ho voavonjinao ny vadinao na tsia?
17 Na izany aza anefa, dia samia mandeha araka izay efa niantsoan’Andriamanitra azy avy, arakaraka izay anjara nomen’i Jehovah* azy.+ Ary izany toromarika izany no omeko ny fiangonana rehetra.
18 Misy efa voafora ve tamin’izy nantsoina?+ Aoka izy tsy hanafoana ny famorana natao taminy. Misy tsy voafora ve tamin’izy nantsoina? Aoka izy tsy hoforana.+
19 Tsy misy dikany ny hoe voafora ary tsy misy dikany ny hoe tsy voafora,+ fa ny mankatò ny didin’Andriamanitra no tena zava-dehibe.+
20 Na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana ny tsirairay tamin’izy nantsoina, dia aoka izy hijanona hoatr’izany foana.+
21 Mpanompon’olona ve ianao no nantsoina? Aza manahy ny amin’izany.+ Raha azonao atao anefa ny ho lasa olona afaka, dia hararaoty izany.
22 Fa izay nantsoina ho ao amin’ny Tompo tamin’izy mpanompon’olona, dia efa nafahana sady an’ny Tompo.+ Toy izany koa fa izay nantsoina tamin’izy olona afaka, dia mpanompon’i Kristy.
23 Voavidy ianareo,+ ka aza manaiky ho lasa mpanompon’olona intsony.
24 Ry rahalahy, na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana ny tsirairay tamin’izy nantsoina, dia aoka izy hijanona hoatr’izany foana eo anatrehan’Andriamanitra.
25 Ny amin’ny virjiny* kosa, dia tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho. Manome ny hevitro+ anefa aho, satria nanehoan’ny Tompo famindram-po ka mendri-pitokisana.
26 Raha ny hevitro àry, dia tsara raha mijanona hoatran’izy amin’izao ihany ny olona tsirairay, satria ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika izao.
27 Lehilahy efa manambady* ve ianao? Aza mitady hirika hisarahana.*+ Lehilahy tsy manambady* ve ianao? Aza mitady vady intsony.
28 Na hanambady aza anefa ianao, dia tsy manota. Ary raha misy virjiny manambady, dia tsy manota izy. Hanam-pahoriana amin’ny nofony anefa ireo manambady, ka tsy tiako hanjo anareo izany.
29 Izao koa no lazaiko, ry rahalahy: Efa kely sisa ny fotoana tavela.+ Manomboka izao, dia aoka izay manambady ho toy ny tsy manana,
30 izay mitomany ho toy ny tsy mitomany, izay mifaly ho toy ny tsy mifaly, izay mividy ho toy ny tsy manana,
31 ary izay mampiasa an’izao tontolo izao, ho toy ny tsy variana mampiasa azy io tanteraka, fa miovaova ny sehatr’izao tontolo izao.
32 Tena tiako raha tsy manahy mihitsy ianareo. Ny lehilahy tsy manambady dia manahy ny amin’izay an’ny Tompo, hoe ahoana no hahazoany sitraka amin’ny Tompo.
33 Fa ny lehilahy manambady kosa manahy ny amin’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao,+ hoe ahoana no hahazoany sitraka amin’ny vadiny,
34 ka voazarazara izy. Ankoatra izany, ny vehivavy tsy manambady sy ny virjiny dia manahy ny amin’izay an’ny Tompo,+ mba ho masina ny tenany sy ny sainy. Ny vehivavy manambady kosa manahy ny amin’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao, hoe ahoana no hahazoany sitraka amin’ny vadiny.
35 Ny hahasoa anareo no itenenako an’izany, fa tsy hoe te hifehifehy* anareo aho akory. Te hampirisika anareo kosa aho mba hanaovanareo an’izay mendrika sy hanompoanareo foana ny Tompo nefa tsy ho voahelingelina.
36 Raha misy anefa mieritreritra hoe hanaonao foana* izy raha tsy manambady,* ary raha efa tsy ao anatin’ilay fotoana fivelaran’ny fahatanorana intsony izy,* dia aleo izy hanao izay tiany. Tsy manota izy. Aleo izy ireo hanambady.+
37 Raha misy kosa tapa-kevitra ao am-pony ary tsy misy zavatra manery azy, fa mahafehy ny faniriany izy ary manapa-kevitra ao am-pony hoe tsy hanambady mihitsy,* dia tsara ny ataony.+
38 Noho izany, dia tsara ny manambady,* saingy tsara kokoa ny tsy manambady.+
39 Voafatotry ny fanambadiana ny vehivavy raha mbola velona ny vadiny.+ Fa raha maty* kosa ny vadiny, dia afaka manambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.+
40 Sambatra kokoa anefa izy, araka ny hevitro, raha mijanona amin’izao. Matoky aho fa izaho koa manana ny fanahin’Andriamanitra.
Fanamarihana
^ Izany hoe tsy manao firaisana.
^ Firaisan’ny mpivady no tiana horesahina eto.
^ Na: “harehitry ny.”
^ Izany hoe misintaka.
^ Na: “te hisintaka.”
^ Na: “filaminan-tsaina; fihavanana.”
^ Na: “Ny amin’izay mbola tsy nanambady mihitsy.”
^ Na: “efa voafatotry ny fanambadiana.”
^ Na: “izay hahafahana.”
^ Na: “tsy voafatotry ny fanambadiana.”
^ Abt: “hanisy tady hamandrihana.”
^ Na: “tsy hahafehy ny filany.”
^ Na: “noho izy virjiny.”
^ Izany hoe efa tsy mafy be intsony ny fanirian’ilay tanora hanao firaisana.
^ Na: “hoe hijanona ho virjiny.”
^ Na: “tsy mijanona ho virjiny fa manambady.”
^ Abt: “matory (ao amin’ny fahafatesana).”