Mpanjaka Voalohany 11:1-43

  • Voatariky ny vadin’i Solomona ny fony (1-13)

  • Mpanohitra an’i Solomona (14-25)

  • Nampanantenaina i Jeroboama hoe hahazo foko folo (26-40)

  • Maty i Solomona; natao mpanjaka i Rehoboama (41-43)

11  Tia vehivavy maro avy tamin’ny firenen-kafa+ anefa i Solomona Mpanjaka, ankoatra an’ilay zanakavavin’i Farao:+ Vehivavy moabita,+ amonita,+ edomita, sidonianina,+ ary hetita.+  Izy ireny dia avy tamin’ireo firenena nolazain’i Jehovah tamin’ny Israelita hoe: “Aza mankany* amin’ireny ianareo, ary ireny koa tsy tokony hankatỳ aminareo, fa tena ho voatariny hanaraka ny andriamaniny ny fonareo.”+ Niraiki-po tamin’izy ireny anefa i Solomona sady tia azy ireny.  Ary nanana vady andriambavy 700 sy vadikely 300 izy, ka voatarik’ireo vadiny tsikelikely ny fony.*  Rehefa antitra i Solomona,+ dia voatarik’ireo* vadiny hanaraka andriamani-kafa ny fony.+ Ary tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony, tsy mba hoatran’ny fon’i Davida rainy.  Nanaraka an’i Astarta,+ andriamanibavin’ny Sidonianina, i Solomona sady nanaraka an’i Milkoma,+ andriamanitra maharikoriko notompoin’ny Amonita.  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah i Solomona, ka tsy nankatò an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo, tsy mba hoatran’ny nataon’i Davida rainy.+  Tamin’izay i Solomona no nanorina toerana avo+ teo amin’ilay tendrombohitra manandrify an’i Jerosalema. Ho an’i Kemosy, andriamanitra maharikoriko notompoin’ny Moabita, ilay izy ary ho an’i Moleka,+ andriamanitra maharikoriko notompoin’ny Amonita.+  Toy izany no nataony ho an’ny vadiny rehetra avy tamin’ny firenen-kafa, izay nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka sady nanao sorona ho an’ireo andriamaniny.  Tezitra be tamin’i Solomona i Jehovah, satria ny fony niala tamin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ izay niseho taminy indroa,+ 10  sady efa nampitandrina azy mba tsy hanaraka andriamani-kafa.+ Tsy nankatò an’izany didin’i Jehovah izany anefa izy. 11  Hoy àry i Jehovah tamin’i Solomona: “Satria izany no nataonao, ka tsy nohajainao ny fifanekena nataoko sady tsy nankatoavinao ny lalàko izay nandidiako anao, dia hendahako aminao tokoa ny fanjakana ary homeko ho an’ny iray amin’ny mpanomponao.+ 12  Tsy hataoko amin’ny androm-piainanao anefa izany noho ny amin’i Davida rainao. Rehefa eo an-tanan’ny zanakao ny fanjakana vao hendahako aminy,+ 13  saingy tsy ny fanjakana manontolo no hendahako.+ Homeko foko iray izy+ noho ny amin’i Davida mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema izay nofidiko.”+ 14  Ary nataon’i Jehovah izay hisian’ny mpanohitra an’i Solomona,+ dia i Hadada Edomita izay fianakavian’ny mpanjaka tany Edoma.+ 15  Tamin’i Davida nandresy an’i Edoma,+ dia niakatra handevina an’izay maty i Joaba lehiben’ny tafika. Niezaka namono ny lehilahy rehetra tany Edoma koa izy. 16  —Fa nijanona enim-bolana tany i Joaba sy ny Israely rehetra, mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany Edoma.— 17  Nandositra niaraka tamin’ny Edomita sasany mpanompon-drainy anefa i Hadada, ary nankany Ejipta izy ireo. Mbola ankizilahikely i Hadada tamin’izay. 18  Dia niainga avy tany Midianina izy ireo ary nankany Parana.+ Naka olona avy tao izy ireo mba hiaraka taminy ho any Ejipta, tany amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta. Dia nomen’i Farao trano sy sakafo ary tany i Hadada. 19  Tena tian’i Farao izy ka nomeny ho vadiny ny rahavavim-badiny, izany hoe ny rahavavin’i Tapanesa mpanjakavavy.* 20  Niteraka an’i Genobata zanany lahy tamin’i Hadada ny rahavavin’i Tapanesa, tatỳ aoriana. Ary tao an-tranon’i Farao i Tapanesa no nitaiza* an’i Genobata. Dia nipetraka tao niaraka tamin’ny zanakalahin’i Farao i Genobata. 21  Henon’i Hadada tany Ejipta fa nodimandry any amin’ny razambeny i Davida,+ ary maty koa i Joaba lehiben’ny tafika.+ Hoy àry izy tamin’i Farao: “Alefaso hody any amin’ny taniko aho.” 22  Fa hoy i Farao taminy: “Fa inona no mahory anao eto amiko no te hody any amin’ny taninao ianao?” Dia hoy izy: “Tsisy! Fa mba alefaso hody fotsiny aho.” 23  Nataon’Andriamanitra lasa mpanohitra+ an’i Solomona koa i Rezona zanak’i Eliada, ilay nandositra an’i Hadadezera+ tompony, mpanjakan’i Zoba. 24  Nanangona olona hanohana azy izy, ka lasa lehiben’ny mpandroba, tamin’i Davida nandresy* ny olona tao Zoba.+ Koa nankany Damaskosy+ izy ireo ary nanorim-ponenana sy nanjaka tany. 25  Ary lasa mpanohitra ny Israely i Rezona tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona, ka nanampy trotraka ny ratsy efa nataon’i Hadada. Nankahala ny Israely izy tamin’izy nanjaka tany Syria. 26  Teo koa i Jeroboama+ zanak’i Nebata. Efraimita avy any Zareda izy, ary mpanompon’i Solomona.+ Zeroa no anaran’ny reniny, ary efa maty vady izy io. Nikomy tamin’ny* mpanjaka koa i Jeroboama.+ 27  Izao no nahatonga azy hikomy tamin’ny mpanjaka: Nanorina ny Havoana*+ i Solomona, ary notampenany ny banga teo amin’ny mandan’ny Tanànan’i Davida rainy.+ 28  Lehilahy mahay sy matanjaka i Jeroboama. Notendren’i Solomona ho mpiandraikitra+ ny fanompoana rehetra tsy maintsy nataon’ny taranak’i Josefa io tovolahy io, rehefa hitany fa tia niasa mafy. 29  Nivoaka an’i Jerosalema i Jeroboama tamin’izay fotoana izay, ka hitan’i Ahia+ mpaminany teny an-dalana. Nanao akanjo vaovao i Ahia Silonita, ary izy roa lahy irery no tany an-tsaha. 30  Dia nesorin’i Ahia ilay akanjo vaovao nanaovany, ka norovidrovitiny ho 12. 31  Ary hoy izy tamin’i Jeroboama: “Makà folo ho anao, fa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Hendahako tsy ho eo an-tanan’i Solomona ny fanjakana, ka homeko foko folo ianao.+ 32  Mbola ho azy ihany anefa ny foko iray,+ noho ny amin’i Davida+ mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema, ilay tanàna nofidiko teo amin’ny foko rehetra teo amin’ny Israely.+ 33  Hanao an’izany aho satria nahafoy ahy+ izy ireo ka niankohoka teo anatrehan’i Astarta andriamanibavin’ny Sidonianina, sy Kemosy andriamanitr’i Moaba, ary Milkoma andriamanitry ny Amonita. Ary tsy nandeha tamin’ny lalana natoroko izy ireo, ka tsy nanao izay tsara teo imasoko sady tsy nankatò ny didiko sy ny didim-pitsarako, tsy mba hoatran’i Davida rainy. 34  Tsy ny fanjakana manontolo anefa no hesoriko eo an-tanany, fa hataoko mpiadidy foana izy mandritra ny androm-piainany. Noho ny amin’i Davida mpanompoko izay nofidiko no hanaovako an’izany,+ satria nankatò ny didiko sy ny lalàko izy. 35  Fa hesoriko eo an-tanan’ny zanany ny fanjakana, ka homeko anao. Foko folo no ho lasanao.+ 36  Fa homeko foko iray ny zanany, mba hisy jiro* ho an’i Davida mpanompoko foana eo anatrehako, any Jerosalema,+ ilay tanàna nofidiko ho ahy mba hametrahana ny anarako. 37  Ianao no hofidiko, ka hanjaka eo amin’izay rehetra irinao ianao ary ho lasa mpanjakan’ny Israely. 38  Koa raha mankatò an’izay rehetra handidiako anao ianao, sady mandeha amin’ny lalako ary manao izay tsara eo imasoko, ka mankatò ny lalàko sy ny didiko hoatran’ny nataon’i Davida mpanompoko,+ dia hitahy anao aho. Hataoko izay hampaharitra ny taranakao, hoatran’ny nataoko tamin’i Davida,+ ary homeko anao ny Israely. 39  Ary hataoko afa-baraka* ny taranak’i Davida noho izany ratsy nataony izany,+ nefa tsy havelako ho afa-baraka foana izy.’”+ 40  Nitady hamono an’i Jeroboama àry i Solomona. Nandositra tany Ejipta ho any amin’i Sisaka+ mpanjakan’i Ejipta+ anefa i Jeroboama, ary nijanona tany mandra-pahafatin’i Solomona. 41  Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantaran’i Solomona ve ny sisa amin’ny tantarany, izany hoe izay rehetra nataony sy ny fahendreny?+ 42  Naharitra 40 taona ny fotoana* nanjakan’i Solomona tany Jerosalema, teo amin’ny Israely rehetra. 43  Dia nodimandry any amin’ny razambeny izy, ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy. Ary i Rehoboama+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

Na: “Aza mifanambady.”
Na: “nanan-kery be taminy ireo vadiny.”
Na: “voavilin’ireo.”
Mpanjakavavy tsy mpitondra fanjakana.
Na mety hoe “nampisara-nono.”
Abt: “namono.”
Abt: “Naninjitra ny tanany hamely ny.”
Na: “Milo.” Teny hebreo midika hoe “manototra.” Mety ho tany nototofana izy io.
Izany hoe taranaka.
Na: “Ary haetriko.”
Abt: “andro.”