Mpanjaka Voalohany 13:1-34

  • Faminaniana momba an’izay hanjo ny alitara tao Betela (1-10)

    • Nitresaka ny alitara (5)

  • Tsy nankatò ilay lehilahin’Andriamanitra (11-34)

13  Nisy lehilahin’Andriamanitra+ nasain’i Jehovah niainga avy any Joda mba ho any Betela. Tamin’izy tonga tany, dia mbola nitsangana teo akaikin’ny alitara+ i Jeroboama, handoro fanatitra mba hidona-tsetroka.  Dia nanameloka an’ilay alitara ilay lehilahin’Andriamanitra, araka ny tenin’i Jehovah, ka niantsoantso hoe: “Ry alitara ô, ry alitara ô! Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hisy zazalahy ho teraka avy amin’ny taranak’i Davida. Josia+ no anarany. Hataony sorona eo amboninao ireo mpisoron’ny toerana avo, izay nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teo amboninao. Ary handoro taolan’olona eo amboninao izy.’”+  Nanome famantarana* izy tamin’izay andro izay hoe: “Izao no famantarana* nolazain’i Jehovah: Jereo fa hitresaka ny alitara ka hiraraka ny lavenona* eo amboniny.”  Raha vao henon’i Jeroboama Mpanjaka ny tenin’ilay lehilahin’Andriamanitra, izay niantsoantso nanameloka an’ilay alitara tao Betela, dia nesoriny teo amin’ny alitara ny tanany ka natsotrany nanondro an’ilay lehilahy. Dia hoy izy: “Sambory io!”+ Tonga dia maty* ilay tanany natsotrany nanondro azy, ka tsy azony naforitra intsony.+  Dia nitresaka ny alitara ka niraraka ny lavenona teo aminy, araka ilay famantarana* nasain’i Jehovah nolazain’ilay lehilahin’Andriamanitra.  Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: “Mba iangavio re i* Jehovah Andriamanitrao, azafady e, ka mivavaha ho ahy mba ho lasa hoatran’ny teo aloha ny tanako!”+ Dia niangavy an’i Jehovah ilay lehilahin’Andriamanitra, ka lasa hoatran’ny teo aloha indray ny tanan’ny mpanjaka.  Ary hoy ny mpanjaka taminy: “Andao hiaraka amiko ho any an-trano mba hihinan-javatra kely, ary homeko fanomezana ianao.”  Hoy anefa ilay lehilahin’Andriamanitra: “Na homenao ahy aza ny antsasaky ny tranonao, dia tsy hiaraka aminao aho, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ amin’ity toerana ity.  Izao mantsy no baiko nomen’i Jehovah ahy: ‘Aza mihinan-kanina na misotro rano, ary aza miverina amin’izay lalana efa nalehanao.’” 10  Lalan-kafa àry no nalehany, fa tsy niverina tamin’ilay lalana nahatongavany tany Betela izy. 11  Nisy mpaminany zokiolona iray nipetraka tany Betela. Ary tonga tao an-tranony ireo zanany lahy, ka nitantara taminy ny zava-drehetra nataon’ilay lehilahin’Andriamanitra tao Betela tamin’iny andro iny, sy ny teny nolazainy tamin’ny mpanjaka. Rehefa avy nitantara an’izany tamin’ny rainy izy ireo, 12  dia nanontany azy ireo ny rainy hoe: “Nankaiza ny lalany?” Koa natoron’ny zanany azy ny lalana nalehan’ilay lehilahin’Andriamanitra, izay avy any Joda. 13  Hoy izy tamin’ny zanany: “Asio lasely ny ampondra mba hitaingenako.” Dia nasian’izy ireo lasely ny ampondra ka nitaingenany. 14  Narahiny ilay lehilahin’Andriamanitra, ka hitany nipetrapetraka teo ambanin’ny hazobe iray. Dia hoy izy: “Ianao ve ilay lehilahin’Andriamanitra avy any Joda?”+ Ary namaly izy hoe: “Ie, izaho!” 15  Dia hoy izy: “Andao hiaraka amiko hihinan-kanina any an-trano.” 16  Fa hoy izy: “Tsy mahazo miverina miaraka aminao aho na manaiky ny fanasanao, ary tsy mahazo mihinan-kanina na misotro rano miaraka aminao atỳ amin’ity toerana ity. 17  Izao mantsy no baiko nomen’i Jehovah ahy: ‘Aza mihinan-kanina na misotro rano any ianao, ary aza miverina amin’izay lalana efa nalehanao.’” 18  Dia hoy izy taminy: “Izaho koa mba mpaminany hoatr’anao. Ary nisy anjely nilaza tamiko an’izao baikon’i Jehovah izao: ‘Asaivo miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano.’” Laingany anefa izany. 19  Niara-niverina taminy àry izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano tao an-tranony. 20  Raha mbola nipetraka teo anoloan’ny latabatra izy roa lahy, dia nisy hafatra nampitain’i Jehovah tamin’ilay mpaminany nitondra azy niverina. 21  Koa niteny mafy tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra avy any Joda izy hoe: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Nikomy tsy nanaraka ny baikon’i Jehovah ianao, ary tsy nankatò ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao, 22  fa niverina mba hihinan-kanina sy hisotro rano tany amin’ilay toerana efa nolazaina taminao hoe: “Aza mihinan-kanina na misotro rano any.” Noho izany, dia tsy ho tonga any amin’ny fasan-drazanao+ ny fatinao.’” 23  Rehefa avy nihinana sy nisotro ilay lehilahin’Andriamanitra, dia nasian’ilay mpaminany zokiolona lasely ny ampondra mba hitaingenan’ilay mpaminany nentiny niverina. 24  Dia lasa nandeha ilay mpaminany. Nisy liona nifanena taminy anefa teny an-dalana ka namono azy.+ Dia nivalampatra teo amin’ny lalana ny fatiny, ary nijoro teo akaikiny ilay ampondra. Nijanona teo anilan’ilay faty koa ilay liona. 25  Ary nisy olona nandalo ka nahita an’ilay faty teo an-dalana, sy ilay liona nijanona teo akaikiny. Dia niditra tao an-tanàna izy ireo, ka nitantara an’izany tao amin’ilay tanàna nonenan’ilay mpaminany zokiolona. 26  Raha vao nandre an’izany ilay mpaminany nitondra azy niverin-dalana, dia niteny hoe: “Ilay lehilahin’Andriamanitra nikomy tsy nanaraka ny baikon’i Jehovah izay!+ Koa natolotr’i Jehovah hoviravirain’ny liona sy hovonoiny izy, araka ny tenin’i Jehovah taminy.”+ 27  Ary hoy izy tamin’ireo zanany: “Asio lasely ny ampondra mba hitaingenako.” Dia nasian’izy ireo lasely ilay ampondra. 28  Lasa nandeha izy ka nahita an’ilay faty teo an-dalana, ary nijoro teo akaikin’ilay izy ilay ampondra sy ilay liona. Tsy nohanin’ilay liona ilay faty, ary tsy noviravirainy ilay ampondra. 29  Dia nobatain’ilay mpaminany ny fatin’ilay lehilahin’Andriamanitra, ka nataony teo ambony ampondra. Ary nitondra azy niverina tao an-tanànany izy mba hisaona sy handevina azy. 30  Nataony tao amin’ny fasany àry ny fatin’ilay lehilahy. Ary nitomany azy ny olona, sady nilaza hoe: “Indrisy, ry rahalahiko!” 31  Rehefa voaleviny ilay lehilahy, dia hoy izy tamin’ireo zanany: “Rehefa maty aho, dia aleveno ao amin’ny fasana misy an’ilay lehilahin’Andriamanitra. Apetraho eo akaikin’ny taolany ny taolako.+ 32  Fa tsy maintsy ho tanteraka+ ilay tenin’i Jehovah nanamelohany an’ilay alitara eto Betela sy ireo trano fivavahana rehetra eny amin’ny toerana avo+ ao amin’ireo tanànan’i Samaria.” 33  Na teo aza izany, dia tsy niala tamin’ny lalan-dratsiny i Jeroboama, fa mbola nanendry olona avy tamin’ny sarambabem-bahoaka ihany mba ho mpisoron’ny toerana avo.+ Nataony mpisorona izay* te hanao an’izany, ka hoy izy: “Avelao izy ho anisan’ireo mpisoron’ny toerana avo.”+ 34  Izany fahotan’ny ankohonan’i Jeroboama+ izany no nahatonga azy ireo haringana sy hofoanana tsy ho etỳ ambonin’ny tany.+

Fanamarihana

Na: “fambara.”
Na: “fambara.”
Na: “lavenona feno menaka”, izany hoe lavenona vonton’ny menak’ireo fanatitra.
Na: “maina; nalemy.”
Na: “fambara.”
Na: “ampitoneo re ny tarehin’i.”
Abt: “Nofenoiny ny tanan’izay.”