Mpanjaka Voalohany 15:1-34

  • Abiama, mpanjakan’ny Joda (1-8)

  • Asa, mpanjakan’ny Joda (9-24)

  • Nadaba, mpanjakan’ny Israely (25-32)

  • Basa, mpanjakan’ny Israely (33, 34)

15  Lasa mpanjakan’ny Joda+ i Abiama tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jeroboama+ Mpanjaka zanak’i Nebata.  Nanjaka telo taona tany Jerosalema izy. Maka+ no anaran-dreniny, ary zafikelin’i Abisaloma izy io.  Nataon’i Abiama daholo ny fahotana efa nataon’ny rainy. Ary tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony, tsy mba hoatran’ny fon’i Davida razambeny.  Noho ny amin’i Davida+ anefa, dia nomen’i Jehovah Andriamaniny jiro* tany Jerosalema+ izy, ka notendreny handimby azy ny zanany ary navelany hisy foana i Jerosalema.  Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah mantsy i Davida, ary tsy niala tamin’izay nandidiany azy izy nandritra ny androm-piainany, afa-tsy tamin’ilay raharaha momba an’i Oria Hetita.+  Ary niady foana i Rehoboama sy Jeroboama nandritra ny androm-piainany.+  Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve ny sisa amin’ny tantaran’i Abiama, izany hoe izay rehetra nataony?+ Niady koa i Abiama sy Jeroboama.+  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Abiama, ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ary i Asa+ zanany no nanjaka nandimby azy.+  Tamin’ny taona faha-20 nanjakan’i Jeroboama mpanjakan’ny Israely no nanomboka nanjaka teo amin’ny Joda i Asa. 10  Nanjaka 41 taona tany Jerosalema izy. Maka+ no anaran’ny renibeny, ary zafikelin’i Abisaloma izy io. 11  Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah i Asa,+ hoatran’i Davida razambeny. 12  Noroahiny hiala tao amin’ilay tany ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly,+ ary nesoriny daholo ny sampy maharikoriko* nataon’ny razambeny.+ 13  Nesoriny tsy ho mpanjakavavy* mihitsy koa aza i Maka+ renibeny, satria nanao sampy mahatsiravina hivavahana tamin’ny tsato-kazo masina.* Dia nokapain’i Asa ilay sampy mahatsiravina+ nataon’ny renibeny, ka nodorany tao amin’ny Lohasahan’i Kidrona.+ 14  Fa tsy mba nesorina kosa ireo toerana avo.+ Na izany aza, dia nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo* i Asa, nandritra ny androm-piainany. 15  Ary nentiny tao an-tranon’i Jehovah izay zavatra nohamasininy sy nohamasinin-drainy, dia volafotsy sy volamena ary fitaovana isan-karazany.+ 16  Niady foana i Asa sy Basa+ mpanjakan’ny Israely. 17  Niakatra hanafika an’i Joda àry i Basa mpanjakan’ny Israely. Dia nanorina* an’i Rama+ i Basa, mba hisakanana ny olona tsy hivezivezy hankany amin’i* Asa mpanjakan’ny Joda.+ 18  Koa nalain’i Asa daholo ny volafotsy sy ny volamena sisa tamin’ireo zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka, ka nampitondrainy an’ireo mpanompony. Avy eo, dia nirahin’i Asa Mpanjaka izy ireo ho any amin’i Beni-hadada, zanak’i Tabrimona zanak’i Heziona, mpanjakan’i Syria,+ izay nipetraka tao Damaskosy, mba hilaza hoe: 19  “Nanao fifanarahana* izaho sy ianao, ary ny raiko sy ny rainao. Dia nampitondra volafotsy sy volamena hatao fanomezana ho anao aho. Koa foany ny fifanarahana* nifanaovanao tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely, mba hialany eto amin’ny taniko.” 20  Dia narahin’i Beni-hadada ny tenin’i Asa Mpanjaka, ka nirahiny ireo lehiben’ny tafiny mba hanafika ny tanànan’ny Israely. Koa resiny i Iona,+ Dana,+ Abela-beti-maka, Kinereta manontolo, ary ny tanin’i Naftaly manontolo. 21  Raha vao henon’i Basa izany, dia tsy nanorina* an’i Rama intsony izy. Ary mbola nipetraka tao Tirza+ izy. 22  Nampanantsoin’i Asa Mpanjaka avy eo ny Joda rehetra tsy an-kanavaka. Dia nalain’izy ireo ny vato sy ny hazo nanorenan’i Basa an’i Rama, ka ireny no nampiasain’i Asa Mpanjaka hanorenana* an’i Geban’i+ Benjamina sy Mizpa.+ 23  Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve ny sisa amin’ny tantaran’i Asa rehetra, izany hoe ny heriny rehetra sy izay rehetra nataony ary ireo tanàna naoriny?* Narary tongotra anefa izy rehefa antitra.+ 24  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Asa, ka nalevina tao amin’izay nandevenana azy ireo tao amin’ny Tanànan’i Davida razambeny. Ary i Josafata+ zanany no nanjaka nandimby azy. 25  Lasa mpanjakan’ny Israely i Nadaba+ zanak’i Jeroboama tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda. Ary nanjaka roa taona teo amin’ny Israely izy. 26  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, ary nanao hoatran’izay nataon-drainy+ sady nanao an’izay fahotana nataon’ny Israely noho ny fitaoman’ny rainy.+ 27  Nanao tetika hamelezana an’i Nadaba i Basa zanak’i Ahia anisan’ny taranak’Isakara, ka namely azy tao Gibetona,+ izay an’ny Filistinina. Nanao fahirano an’i Gibetona i Nadaba sy ny Israely rehetra tamin’izay. 28  Novonoin’i Basa àry izy tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, ka i Basa no nanjaka nandimby azy. 29  Raha vao lasa mpanjaka i Basa, dia novonoiny daholo ny ankohonan’i Jeroboama. Tsy nasiany niangana izay rehetra nanam-pofonaina tamin’ny fianakavian’i Jeroboama. Nasainy naripaka izy ireo, araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Ahia Silonita mpanompony.+ 30  Nitranga izany noho ny fahotana nataon’i Jeroboama sy ny fahotana nataon’ny Israely noho ny fitaoman’i Jeroboama, ary noho izy nampahatezitra be an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. 31  Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve ny sisa amin’ny tantaran’i Nadaba, izany hoe izay rehetra nataony? 32  Ary niady foana i Asa sy Basa mpanjakan’ny Israely.+ 33  Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely rehetra tao Tirza i Basa zanak’i Ahia. Ary nanjaka 24 taona izy.+ 34  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana anefa izy,+ ary nanao hoatran’izay nataon’i Jeroboama sady nanao an’izay fahotana nataon’ny Israely noho ny fitaoman’i Jeroboama.+

Fanamarihana

Izany hoe taranaka.
Mety hisy ifandraisany amin’ny hoe “taim-biby” ilay teny hebreo tany am-boalohany. Teny fanambaniana izy io.
Na: “andriambavy.”
Jereo F.T.
Na: “nanana fo nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah.”
Na: “tsy hivoaka na hiditra ao amin’ny faritry ny tanin’i.”
Na: “nanamafy; nanorina indray.”
Na: “an-dapan’ny.”
Na: “fifanekena.”
Na: “fifanekena.”
Na: “nanamafy; nanorina indray.”
Na: “hanamafisana; hanorenana indray.”
Na: “nohamafisiny; naoriny indray.”