Mpanjaka Voalohany 20:1-43

  • Niady tamin’i Ahaba ny Syrianina (1-12)

  • Resin’i Ahaba ny Syrianina (13-34)

  • Faminaniana momba an’izay hanjo an’i Ahaba (35-43)

20  Ary novorin’i Beni-hadada+ mpanjakan’i Syria+ ny tafiny rehetra, sy ny mpanjaka 32 hafa niaraka tamin’ny soavalin’izy ireo sy ny kalesiny. Dia niakatra izy ka nanao fahirano+ an’i Samaria+ mba hiady taminy.  Naniraka olona nankao an-tanàna izy, ho any amin’i Ahaba+ mpanjakan’ny Israely, mba hilaza hoe: “Izao no nolazain’i Beni-hadada:  ‘Ahy ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny tsara tarehy indrindra amin’ny vady aman-janakao.’”  Dia namaly ny mpanjakan’ny Israely hoe: “Marina ny teninao ry mpanjaka tompoko. Anao tokoa aho sy izay rehetra ananako.”+  Dia niverina indray ireo iraka taorian’izay, ka nilaza hoe: “Izao no notenenin’i Beni-hadada: ‘Naniraka olona tatỳ aminao aho hilaza hoe: “Omeo ahy ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ireo vady aman-janakao.”  Hirahiko ho atỳ aminao anefa ny mpanompoko rahampitso tokotokony ho hoatr’izao, ka hataon’izy ireo savahao ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao. Dia halain’izy ireo izay rehetra sarobidy aminao ka hoentiny.’”  Dia nantsoin’ny mpanjakan’ny Israely daholo ny anti-panahy teo amin’ny taniny, ka hoy izy: “Mba diniho kely ary jereo fa te hanisy ratsy antsika mihitsy ilay rangahy iny. Efa notereny aho hanome ny vady aman-janako sy ny volafotsiko ary ny volamenako, ary tsy nanda aho.”  Dia hoy ny anti-panahy rehetra sy ny vahoaka manontolo: “Aza mankatò azy, ary aza manaiky.”  Hoy àry i Ahaba tamin’ny irak’i Beni-hadada: “Lazao amin’ny mpanjaka tompoko hoe: ‘Izaho mpanomponao dia hanao an’izay rehetra notakinao tamiko tamin’ny voalohany. Fa izany zavatra izany kosa tsy azoko ekena.’” Dia lasa nitatitra an’izany tany amin’i Beni-hadada ireo iraka. 10  Ary naniraka olona ho any aminy indray i Beni-hadada mba hilaza hoe: “Hofaizin’ireo andriamanitra anie aho,* raha havelako hisy tavela ny vovoka ao Samaria ka hoe mbola hahazo vovoka eran’ny tanan’ila ny olona tsirairay manaraka ahy!” 11  Dia hoy ny navalin’ny mpanjakan’ny Israely: “Lazao aminy hoe: ‘Olona vao mametaka ny fiadiany handeha hiady ve, dia efa mirehareha hoatran’ny olona efa manala ny fiadiany?’”+ 12  Teo am-pisotroana niaraka tamin’ireo mpanjaka tao amin’ny tranolainy* i Beni-hadada tamin’izy naheno an’izany, ka tonga dia hoy izy tamin’ny mpanompony: “Miomàna hanafika!” Dia niomana hanafika an’ilay tanàna izy ireo. 13  Nisy mpaminany iray anefa nanatona an’i Ahaba+ mpanjakan’ny Israely, dia niteny hoe: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Hitanao ve ireo vahoaka be ireo? Hataoko resinao izy ireo androany, dia ho fantatrao fa izaho no Jehovah.’”+ 14  Ary nanontany i Ahaba hoe: “Amin’ny fomba ahoana?” Dia hoy izy: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Amin’ny alalan’ireo mpanampy ny andrianan’ny faritany.’” Hoy àry i Ahaba: “Iza no hamely voalohany?” Dia hoy izy: “Ianao!” 15  Ary nisain’i Ahaba ireo mpanampy ny andrianan’ny faritany, ka nisy 232. Nisainy koa ny lehilahy israelita rehetra avy eo, ka 7 000 ny isany. 16  Dia nivoaka hanafika izy ireo tamin’ny mitataovovonana, raha mbola nisotro be ka mamo tao amin’ny tranolay* i Beni-hadada sy ireo mpanjaka 32 nanampy azy. 17  Ireo mpanampy ny andrianan’ny faritany no nivoaka voalohany. Dia naniraka olona avy hatrany i Beni-hadada, ka ireo no nitatitra taminy hoe: “Misy lehilahy mivoaka avy ao Samaria.” 18  Dia hoy i Beni-hadada: “Raha ny hihavana no ivoahan’izy ireo, dia ataovy sambo-belona izy, fa raha ny hiady kosa dia mbola ataovy sambo-belona ihany izy.” 19  Rehefa nivoaka avy ao an-tanàna anefa ireo mpanampy ny andrianan’ny faritany sy ny tafika nanaraka azy ireo, 20  dia samy namono ny fahavalony izy ireo. Nitsoaka+ àry ny Syrianina ka nenjehin’ny Israely. I Beni-hadada mpanjakan’i Syria kosa nandositra nitaingin-tsoavaly, niaraka tamin’ireo mpitaingin-tsoavaly sasany. 21  Nivoaka anefa ny mpanjakan’ny Israely, ka nasiany ny soavaly sy ny kalesy fitondra miady. Dia resiny tanteraka* ny Syrianina. 22  Tatỳ aoriana, dia nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely ilay mpaminany,+ ka nilaza hoe: “Mandehana hamafiso ny fiarovanao. Ary eritrereto izay hataonao,+ fa hiakatra hiady aminao ny mpanjakan’i Syria, eo am-piandohan’ny taona.”*+ 23  Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjakan’i Syria taminy: “Andriamanitry ny tendrombohitra ny Andriamanitr’izy ireo, ka izany no nandreseny antsika. Fa raha eny amin’ny tany lemaka isika no miady aminy, dia ho resintsika ry zareo. 24  Izao koa atao: Esory amin’ny toerany ny mpanjaka rehetra,+ ka soloy governora. 25  Makà miaramila mitovy isa amin’ireo efa maty, ary makà soavaly ho solon’ny soavaly, sy kalesy ho solon’ny kalesy. Dia andao hiady aminy eny amin’ny tany lemaka, fa tena ho resintsika ry zareo!” Nanaraka ny torohevitr’izy ireo àry i Beni-hadada, ka izany tokoa no nataony. 26  Teo am-piandohan’ny taona,* dia nangonin’i Beni-hadada ny Syrianina, ary niakatra nankany Afeka+ izy mba hiady tamin’ny Israely. 27  Novorina koa ny vahoakan’Israely ary nomena vatsy, dia nivoaka mba hifanandrina tamin’izy ireo. Toy ny andian’osy anankiroa kely ny vahoakan’Israely rehefa nitoby tandrifin’izy ireo, fa ny Syrianina kosa nanenika ny tany.+ 28  Dia nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely ilay lehilahin’Andriamanitra, ka hoy izy taminy: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Satria hoy ny Syrianina hoe: “Andriamanitry ny tendrombohitra i Jehovah, fa tsy Andriamanitry ny tany lemaka”, dia hataoko resinao ireo vahoaka be ireo,+ ka ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah.’”+ 29  Nitoby nifanatrika teo nandritra ny fito andro izy ireo. Ary raikitra ny ady tamin’ny andro fahafito. Dia namely miaramila syrianina 100 000 mpandeha an-tongotra ny vahoakan’Israely tao anatin’ny iray andro. 30  Ny sisa kosa nandositra tao Afeka,+ tao an-tanàna, kanjo nianjeran’ny manda ny 27 000 tamin’izy ireo. Nandositra koa i Beni-hadada ka tonga tao an-tanàna, ary niafina tao amin’ny efitra iray anatiny indrindra. 31  Dia hoy ny mpanompony taminy: “Henonay fa mpanjaka be famindram-po* ny mpanjakan’ny taranak’Israely. Koa mba avelao re izahay hisikina lamba gony e, ary hanisy tady eo ambony lohanay, dia hivoaka ho any amin’ny mpanjakan’ny Israely. Sao dia mba hotsimbininy ny ainao.”+ 32  Nisikina lamba gony àry izy ireo, ary nanisy tady teo ambony lohany, dia nankao amin’ny mpanjakan’ny Israely. Hoy izy ireo: “Izao no nolazain’i Beni-hadada mpanomponao: ‘Mba tsimbino re ny aiko e!’” Dia hoy ny mpanjaka: “Mbola velona angaha izy? Rahalahiko izy.” 33  Fambara tsara izany tamin’izy ireo, sady tonga dia fantany hoe efa izay mihitsy no tao an-tsain’ny mpanjaka. Koa niteny izy ireo hoe: “Rahalahinao tokoa i Beni-hadada.” Dia hoy ny mpanjaka: “Mandehana alaivo izy.” Nivoaka nankany amin’i Ahaba àry i Beni-hadada, ka nasainy niakatra nankao amin’ny kalesy fitondra miady. 34  Ary hoy i Beni-hadada taminy: “Haveriko aminao ny tanàna nalain-draiko tamin-drainao. Ary afaka manao tsena* ho anao any Damaskosy ianao, toy ny nataon’ny raiko tany Samaria.” Dia namaly i Ahaba hoe: “Havelako handeha ianao noho izany fifanarahana* izany.” Nanao fifanarahana taminy àry izy, ka namela azy handeha. 35  Nisy lehilahy iray anisan’ny zanaky ny mpaminany*+ nasain’i Jehovah niteny tamin’ny namany hoe: “Asio aho, azafady!” Tsy nety namely azy anefa ilay namany. 36  Hoy àry izy taminy: “Satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah ianao, dia hisy liona hamono* anao raha vao miala eto amiko ianao.” Nifanena tamin’ny liona tokoa ilay namany rehefa niala teo, ka novonoin’ilay liona. 37  Nahita lehilahy hafa indray izy, ka nilaza hoe: “Asio aho, azafady.” Namely azy àry ilay lehilahy ka nandratra azy. 38  Dia lasa ilay mpaminany ary nandrasany teo amoron-dalana ny mpanjaka. Nasiany fehy lamba ny masony mba tsy hahafantarana azy. 39  Rehefa nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina mafy taminy izy hoe: “Tany an’ady izaho mpanomponao ary tena nafotaka ilay ady. Tamin’izay no nisy miaramila nitondra lehilahy iray teo amiko sady niteny hoe: ‘Ambeno ity lehilahy ity. Fa raha sanatria tafatsoaka izy, dia ny ainao no hasolo ny ainy,+ na ianao handoa volafotsy iray talenta.’* 40  Rehefa variana nanao zavatra tetsy sy teroa anefa ny mpanomponao, dia lasa nitsoaka ilay lehilahy.” Hoy ny mpanjakan’ny Israely: “Izay izany ny didim-pitsarana hampiharina aminao. Ianao ihany no nitsara ny tenanao.” 41  Dia nesorin’ilay mpaminany haingana ilay fehy lamba teo amin’ny masony, ka fantatry ny mpanjakan’ny Israely fa anisan’ny mpaminany+ izy. 42  Hoy izy tamin’ny mpanjaka: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Satria navelanao handeha ilay lehilahy efa nolazaiko hoe tokony haringana, na dia efa teo an-tananao aza izy,+ dia ny ainao no hasolo ny ainy,+ ary ny vahoakanao no hasolo ny vahoakany.’”+ 43  Ary lasa nody tany Samaria+ ny mpanjakan’ny Israely, sady sosotra no kivy.

Fanamarihana

Abt: “Hataon’ireo andriamanitra amiko anie izany, ary mihoatra noho izany aza.”
Na: “trano rantsankazony.”
Na: “trano rantsankazo.”
Na: “naripany.”
Izany hoe amin’ny lohataona manaraka, tany Israely (manomboka Martsa na Aprily). Jereo F.F. B15.
Izany hoe tamin’ny lohataona tany Israely (manomboka Martsa na Aprily). Jereo F.F. B15.
Na: “mpanjaka be fitiavana sy tsy mivadika.”
Na: “mifidy arabe.”
Na: “fifanekena.”
Mety ho sekoly niofanan’ireo mpaminany na fikambanana mpaminany ilay hoe “zanaky ny mpaminany.”
Na: “hamely.”
1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. B14.