Mpanjaka Voalohany 5:1-18

  • Nanome fitaovana hanorenana i Hirama Mpanjaka (1-12)

  • Nampiantso olona hiasa i Solomona (13-18)

5  Rehefa henon’i Hirama, mpanjakan’i Tyro,+ fa i Solomona no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy, dia naniraka ny mpanompony ho any amin’i Solomona izy. Efa naman’i* Davida hatramin’izay mantsy i Hirama.+  Dia nampitondra hafatra ho an’i Hirama+ i Solomona hoe:  “Fantatrao tsara fa tsy afaka nanao trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny i Davida raiko, satria niady taminy foana ny fahavalony manodidina azy, mandra-panaon’i Jehovah azy ireny ho eo ambany faladiany.+  Nataon’i Jehovah Andriamanitro milamina anefa izao ny sisin-taniko rehetra.+ Tsy misy manohitra ahy sady tsy misy loza mitranga.+  Mieritreritra ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitro àry aho. Efa nampanantena an’i Davida raiko mantsy i Jehovah hoe: ‘Ny zanakao, izay hotendreko handimby anao eo amin’ny seza fiandriananao, no hanorina an’ilay trano ho an’ny anarako.’+  Koa asaivo mikapa hazo sederan’i Libàna+ ny olonao mba homena ahy. Dia hiara-miasa amin’ny mpanomponao ny mpanompoko, ary haloako izay karama lazainao hoe tokony homena ny mpanomponao. Fantatrao tsara mantsy fa tsy misy aminay mahay mikapa hazo hoatran’ny Sidonianina.”+  Faly be i Hirama naheno ny tenin’i Solomona, ka nilaza hoe: “Hoderaina anie i Jehovah ankehitriny, satria nanome zanaka hendry an’i Davida izy mba hitondra an’izany vahoaka be* izany!”+  Naniraka olona nankany amin’i Solomona àry i Hirama mba hiteny hoe: “Efa henoko ny hafatra nampitondrainao ho ahy. Hataoko izay rehetra tianao ka homeko anao izay hazo sedera sy zenevrie+ hilainao.  Ny mpanompoko no hampidina an’izany avy any Libàna ho any an-dranomasina. Ary hatambatro ho zahatra ny hazo ka halefako eny an-dranomasina hatrany amin’izay toerana holazainao amiko. Any no hasaiko borahina izany, amin’izay mba azonao taterina. Ary ianao kosa hanome an’izay sakafo hangatahiko ho an’ny ankohonako.”+ 10  Nomen’i Hirama daholo àry izay hazo sedera sy zenevrie nilain’i Solomona. 11  I Solomona kosa nanome an’i Hirama varimbazaha 20 000 kora* ho sakafon’ny ankohonany, ary menak’oliva tena tsara* 20 kora. Izany no nomen’i Solomona an’i Hirama isan-taona.+ 12  Nomen’i Jehovah fahendrena i Solomona, araka ny nampanantenainy azy.+ Ary tsara fihavanana i Hirama sy Solomona, ka nanao fifanarahana* izy roa lahy. 13  Nampiantso olona avy tamin’ny Israely rehetra i Solomona Mpanjaka mba hanao fanompoana, ka lehilahy 30 000 no voantso.+ 14  Nalefany nifandimby nankany Libàna izy ireo, ka 10 000 isam-bolana no niara-nalefany. Nijanona iray volana tany Libàna izy ireo, ary roa volana tany an-tranony. I Adonirama+ no niandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana ireo. 15  Nanana mpitondra entana* 70 000 sy mpipai-bato+ 80 000 i Solomona teny an-tendrombohitra,+ 16  ankoatra an’ireo andriana lehibem-paritra+ 3 300 notendreny hanara-maso an’ireo mpiasa. 17  Nasain’ny mpanjaka namaky vato izy ireo mba hahazoana vato lehibe sy lafo vidy.+ Amin’izay dia vato voapaika+ no hatao fototr’ilay+ trano. 18  Nipai-bato àry ny mpanao tranon’i Solomona sy ny mpanao tranon’i Hirama ary ny Gebalita,+ sady nanomana ny hazo sy ny vato hanaovana an’ilay trano.

Fanamarihana

Na: “tia an’i.”
Na: “maro be.”
Na: “menaka avy amin’ny oliva voatoto.”
1 kora = 220 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “fifanekena.”
Na: “mpiasa.”