Mpanjaka Voalohany 7:1-51

  • Ny lapan’i Solomona (1-12)

  • Nalaina mba hanampy an’i Solomona i Hirama, ary tena nahay izy (13-47)

    • Andry varahina roa (15-22)

    • Fitoeran-drano varahina nantsoina hoe Ranomasina (23-26)

    • Kalesy sy kovetabe varahina folo (27-39)

  • Vita ireo fitaovana volamena (48-51)

7  Ary 13 taona no nanaovan’i Solomona ny tranony,*+ dia vitany tanteraka ilay izy.+  Dia nanorina ny Trano Alan’i Libàna+ izy, ka 100 hakiho* ny lavany, 50 hakiho ny sakany, ary 30 hakiho ny haavony. Nataony teo ambony andry sedera ilay trano, ary nisy laharany efatra ireo andry. Ary nisy vatan-kazo sedera+ teo ambonin’ireo andry.  Nopetahana takela-kazo sedera ilay trano teo ambonin’ireo tsivalan-kazo teo ambonin’ny andry. Nisy 45 izy ireo, ka 15 ny teo amin’ny laharana iray.  Nisy varavarankely telo andalana ilay trano, ary nisy sisiny ipetrahany ireo varavarankely ireo. Nisy varavarankely nifanandrify taminy ny varavarankely tsirairay teo amin’ireo ambaratonga telo ireo.  Efajoro* ny sisin’ny fidirana sy ny tolàm-baravarana rehetra, hoatran’ireo varavarankely nifanandrify, izay nifanao ambaratonga telo.  Ary nanorina ny Trano* Maro Andry izy, ka nataony 50 hakiho ny lavany ary 30 hakiho ny sakany. Nisy lala-mitafo nisy andry sy tafokely teo anoloan’izy io.  Nanorina ny Tranon’ny* Seza Fiandrianana+ na ny Trano Fitsarana+ koa izy, ka tao izy no nitsara. Norakofana hazo sedera ilay izy, nanomboka teo amin’ny gorodona ka hatreny amin’ireo hazo mitondra ny tafo.  Lavidavitra an’ilay Trano Fitsarana ny trano* nipetrahan’i Solomona, izay nataony teo amin’ny tokotany iray hafa.+ Nitovy tamin’io Trano Fitsarana io ihany ny nanaovana azy. Nanorina trano nitovy tamin’io koa i Solomona mba ho an’ny zanakavavin’i Farao, izay nalainy ho vady.+  Vato lafo vidy+ no nanaovana an’ireo rehetra ireo. Voapaika araka ny refy nilaina ireo vato, sady notsofana tamin’ny tsofam-bato na ny anatiny na ny ivelany. Vato toy izany no nampiasaina, nanomboka teo amin’ny fototra ka hatreny amin’ny tampony. Toy izany koa ny tany ivelany, hatrany amin’ilay tokotany lehibe.+ 10  Vato ngezabe sy lafo vidy no natao fototra. Ny sasany nirefy folo hakiho, ary nisy nirefy valo hakiho. 11  Ary vato lafo vidy, voapaika araka ny refy nilaina, sy hazo sedera no teo amboniny. 12  Nasiana tamboho manodidina an’ilay tokotany lehibe. Vato voapaika telo andalana sy vatan-kazo sedera iray andalana no nanaovana azy io. Nisy tamboho hoatr’izany koa ilay tokotany anatiny,+ izay misy ny tranon’i Jehovah sy ny tilikambo fidirana+ mankao amin’io trano io. 13  Naniraka olona haka an’i Hirama+ avy any Tyro i Solomona Mpanjaka. 14  Zanaka mpitondratena avy amin’ny fokon’i Naftaly i Hirama, ary mpanefy varahina avy any Tyro ny rainy.+ Tena havanana sy nahira-tsaina+ ary za-draharaha izy, amin’ny fanamboarana zavatra isan-karazany vita amin’ny varahina.* Dia tonga tany amin’i Solomona Mpanjaka izy, ka nanao ny asa rehetra nampanaoviny. 15  Nandrendrika varahina izy hanaovana ny andry roa:+ 18 hakiho avy ny haavony, ary tady 12 hakiho vao nahodidina* ny andry tsirairay.+ 16  Ary nanao loha andry roa tamin’ny varahina narendrika izy, mba hatao teo an-tampon’ireo andry. Dimy hakiho ny haavon’ny loha andry iray, ary dimy hakiho koa ny haavon’ny iray. 17  Nisy haingony hoatran’ny harato teo amin’ny loha andry tsirairay teo an-tampon’ireo andry. Rojo norarina no nanaovana an’ilay haingony.+ Fito no teo amin’ny loha andry iray, ary fito koa no teo amin’ny iray. 18  Ary nanao ampongabendanitra roa andalana manodidina ny harato izy mba handrakofana ny loha andry, izay teo an-tampon’ireo andry. Nataony toy izany ireo loha andry roa. 19  Nitovy tamin’ny voninkazo lisy ireo loha andry teo an-tampon’ireo andry, teo akaikin’ny tilikambo fidirana. Efatra hakiho ny haavon’ireo voninkazo. 20  Teo an-tampon’ny andry roa no nisy an’ireo ampahany tamin’ny loha andry ireo, izany hoe teo ambonin’ilay faritra mivohitra voahodidin’ireo harato. Nisy andalana ampongabendanitra nanodidina ny loha andry tsirairay, ary 200 ny isan’ireo ampongabendanitra ireo.+ 21  Natsangany ireo andrin’ny tilikambo fidirana mankao amin’ny tempoly.*+ Natsangany ny andry ankavanana* ary nantsoiny hoe Jakina.* Natsangany koa ny andry ankavia* ary nantsoiny hoe Boaza.*+ 22  Nitovy tamin’ny voninkazo lisy ny tampon’ireo andry. Dia vita ny fanamboarana an’ireo andry. 23  Ary nanao fitoeran-drano varahina lehibe nantsoina hoe Ranomasina+ izy. Boribory ilay izy: 10 hakiho ny savaivony, 5 hakiho ny haavony, ary tady 30 hakiho vao nahodidina azy.*+ 24  Nisy haingony nitovy tamin’ny voatango+ teo ambanin’ny molony manodidina azy. Voatango folo isaky ny iray hakiho no nanodidina an’ilay Ranomasina. Roa andalana ireo voatango ireo ary lasitra iray ihany no nandrendrehana azy ireo sy ilay Ranomasina. 25  Nipetraka teo ambonin’ny omby varahina 12+ ilay Ranomasina, ka ny omby 3 nitodika nianavaratra, ny 3 niankandrefana, ny 3 nianatsimo, ary ny 3 niantsinanana. Nifampiamboho ireo omby rehetra ireo, ary teo ambonin’ireo ilay Ranomasina. 26  Toy ny sakan’ny felatanana* ny hatevin’ilay Ranomasina, ary natao hoatran’ny molotra kaopy ny molony, mitovy amin’ny felana lisy. Antonona rano 2 000 bata* ilay izy. 27  Dia nanao kalesy*+ varahina folo izy. Efatra hakiho ny lavan’ny kalesy tsirairay, efatra hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony. 28  Toy izao no nanaovana an’ireo kalesy: Nisy takelaka maromaro teo amin’izy ireo, ary nisy sisiny manodidina daholo ireo takelaka. 29  Nisy sarina liona+ sy omby ary kerobima+ teo amin’ireo takelaka nisy sisiny manodidina. Nisy sary toy izany koa teo amin’ireo sisiny ireo. Nisy haingonkaingony nivohitra sady nitohitohy teo ambonin’ireo liona sy omby, sy teo ambaniny. 30  Nisy kodiarana varahina efatra ny kalesy tsirairay, ary nisy varahina lavalava nihodinan’ireo kodiarana. Ny zorony efatra tamin’ny kalesy no tohana nihazona an’ireo. Nisy haingonkaingony nivohitra sady nitohitohy ny sisin’ny tohana tsirairay teo ambany kovetabe. 31  Nisy hoatran’ny satroboninahitra teo amin’ny vavan’ilay kovetabe, ary iray hakiho ny avy eo amin’ny vodin’ilay kovetabe hatreo amin’ny sisiny ambany amin’ilay satroboninahitra. Boribory ny vavany, ary iray hakiho sy sasany ny fitambaran’ny haavon’ilay izy sy ny tohany. Ary nisy sary sokitra teo amin’ilay satroboninahitra. Efajoro ireo takelaka teo amin’izy io, fa tsy boribory. 32  Teo ambanin’ireo takelaka no nisy ny kodiarana efatra. Ary niraikitra tamin’ilay kalesy ireo tohana nihazona an’ireo kodiarana. Iray hakiho sy sasany ny haavon’ny kodiarana tsirairay. 33  Toy ny kodiaran-tsarety no nanaovana ny kodiarany. Natao tamin’ny metaly narendrika daholo, na ireo tohana nihazona azy, na ny tena kodiarana, na ny rantsany, na ny ivon-kodiarana. 34  Nisy tohany efatra ny zorony efatra tamin’ny kalesy tsirairay. Niara-narendrika* tamin’ny kalesy ireo tohany ireo. 35  Nisy fehiny boribory teo an-tampon’ilay kalesy, ary antsasaky ny hakiho ny haavony. Ary niara-narendrika* tamin’ilay kalesy ireo takelaka sy ny sisiny manodidina azy, izay teo an-tampon’ilay kalesy. 36  Nasiany sary sokitra kerobima sy liona ary hazo palmie teny amin’izay nisy malalaka, teo amin’ireo takelaka sy ny sisiny manodidina an’ireo takelaka. Nasiany haingonkaingony nivohitra sady nitohitohy koa manodidina.+ 37  Toy izany no nanaovany ny kalesy folo.+ Nitovy daholo ny fomba nandrendrehana azy+ sy ny refiny ary ny bikany. 38  Nanao kovetabe varahina+ folo izy. Antonona rano 40 bata ny kovetabe tsirairay, ary samy nirefy efatra hakiho.* Samy nisy kovetabe iray avy teo amin’ireo kalesy folo. 39  Napetrany teo ankavanan’ny trano ny kalesy dimy ary teo ankavia ny dimy. Ary nataony teo ankavanan’ny trano, teo atsimoatsinanana, ilay Ranomasina.+ 40  Nanamboatra kovetabe sy lapelina+ ary vilia baolina+ koa i Hirama.+ Vitan’i Hirama àry ny asa rehetra nataony ho an’i Solomona Mpanjaka, momba ny tranon’i Jehovah:+ 41  Ny andry+ roa sy ny loha andry nitovy tamin’ny vilia baolina, izay teo an-tampon’ny andry roa; ny harato+ roa nandrakotra ny loha andry roa nitovy tamin’ny vilia baolina, izay teo an-tampon’ireo andry; 42  ny ampongabendanitra+ 400 ho an’ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana ho an’ny harato tsirairay, mba handrakofana ny loha andry roa* teo ambonin’ny andry roa; 43  ny kalesy+ folo sy ny kovetabe+ folo teo amboniny; 44  ny Ranomasina+ sy ny omby 12 teo ambaniny; 45  ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ny vilia baolina, ary ny fitaovana rehetra, izay nataon’i Hirama tamin’ny varahina nokosehina hangirana. Nataony ho an’i Solomona Mpanjaka izany, ho an’ny tranon’i Jehovah. 46  Tao amin’ny faritr’i Jordana, teo anelanelan’i Sokota sy Zaretana, no nandrendrehan’ny mpanjaka an’ireo, tao anaty lasitra tanimanga. 47  Tsy nolanjain’i Solomona ny fitaovana rehetra, satria be dia be loatra. Tsy fantatra intsony izay lanjan’ny varahina.+ 48  Nataon’i Solomona ny fitaovana rehetra ho an’ny tranon’i Jehovah: Ny alitara+ volamena; ny latabatra+ volamena fametrahana ny mofo aseho; 49  ny fitoeran-jiro+ volamena tsy misy fangarony, dimy teo ankavanana ary dimy teo ankavia, teo anoloan’ny efitra anatiny indrindra; ny felam-boninkazo tamin’ny fitoeran-jiro,+ ny jiro, ny fitazonana lahin-jiro,* izay samy volamena;+ 50  ny kovetabe, ny famonoan-jiro,+ ny vilia baolina, ny kaopy,+ ny fitondrana afo,+ izay samy volamena tsy misy fangarony; ary ny savily ho an’ny varavaran’ny trano anatiny,+ izany hoe ny Masina Indrindra, sy ho an’ny varavaran’ny tempoly,+ izay samy volamena. 51  Vitan’i Solomona Mpanjaka àry ny asa rehetra tsy maintsy nataony ho an’ny tranon’i Jehovah. Dia nampidiriny tao ireo zavatra efa nohamasinin’i Davida rainy.+ Ary nataony tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana hafa.+

Fanamarihana

Na: “lapany.”
1 hakiho = 44,5 sm. Jereo F.F. B14.
Na: “Efatra; Mahitsizoro.”
Na: “Lala-mitafo.”
Na: “Lala-mitafon’ny.”
Na: “lapa.”
Na: “halimo”, eto sy eo amin’ny andininy hafa ato amin’ity toko ity.
Na: “ary 12 hakiho ny manodidina.”
Na: “teo atsimo.”
Mety hidika hoe “Amin-kery.”
Na: “teo avaratra.”
Midika hoe “Izy [izany hoe Jehovah] Anie Hanamafy Orina.”
Ny Masina no tiana holazaina eto.
Na: “ary 30 hakiho ny manodidina azy.”
1 bata = 22 litatra. Jereo F.F. B14.
7,4 sm eo ho eo. Jereo F.F. B14.
Na: “kalesy fitondrana rano.”
Na: “Tenany iray ihany.”
Na: “tenany iray ihany.”
Na: “efatra hakiho ny savaivony.”
Na: “loha andry roa nitovy tamin’ny vilia baolina.”
Na: “ny tandra.”