Petera Voalohany 3:1-22
3 Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo.+ Amin’izay raha misy amin’izy ireo tsy mankatò ny teny masina, dia ho voataonan’ny fitondran-tenanareo izy, fa tsy ny teny lazainareo.+
2 Ho hitany mantsy ny fitondran-tena madio anananareo,+ sy ny fanajana lalina asehonareo.
3 Tsy tokony ho zavatra ivelany fotsiny ny haingonareo—toy ny randram-bolo sy firavaka volamena+ na akanjo tsara—
4 fa tokony ho ilay toetra miafina ao am-po kosa, izay toy ny haingo tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika,+ izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.
5 Fa toy izany ny haingo fanaon’ireo vehivavy masina taloha izay nanantena an’Andriamanitra. Nanaiky ny vadiny izy ireny,
6 hoatran’i Saraha izay nankatò an’i Abrahama, ka niantso azy hoe tompo.+ Zanak’i Saraha ianareo, raha manao ny tsara foana sady tsy resin’ny tahotra.+
7 Toy izany koa ianareo lehilahy, miaraha mitoetra foana amin’ny vadinareo, ka miezaha hahazo tsara ny fihetseham-pony.* Omeo voninahitra ny vehivavy,+ toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo. Izy ireo koa mantsy mpiara-mandova aminareo+ an’ilay fanomezana miavaka, dia ny fiainana.
8 Farany, miraisa saina*+ ianareo rehetra, miaraha ory, mifankatiava hoatran’ny mpirahalahy, manàna fangorahana,+ ary manetre tena.+
9 Aza mamaly ratsy ny ratsy+ na manambanimbany rehefa misy manambanimbany.+ Aleo kosa mirary soa,+ satria izany no niantsoana anareo, mba handovanareo fitahiana.
10 “Izay tia ny fiainana sy te ho sambatra, dia tsy maintsy mitandrina ny lelany mba tsy hilaza zava-dratsy,+ ary ny molony mba tsy hiteny fitaka.
11 Aoka izy hiala amin’ny ratsy+ ka hanao ny tsara,+ ary hitady fihavanana ka hitandro an’izany.+
12 Fa ny mason’i Jehovah* mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany.+ Manohitra an’izay manao ratsy kosa i Jehovah.”*+
13 Iza tokoa no hanisy ratsy anareo raha mafana fo manao ny tsara ianareo?+
14 Fa na mijaly aza ianareo satria manao ny marina, dia sambatra ianareo.+ Aza atahorana anefa izay atahoran’izy ireo* ary aza mitebiteby.+
15 Manamasìna kosa an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo, ka aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenanareo. Tokony halemy fanahy+ sy ho feno fanajana+ anefa ianareo rehefa manao an’izany.
16 Miezaha hanana feon’ny fieritreretana madio foana,+ mba ho afa-baraka ireo manohitra anareo,+ na inona na inona teneniny, noho ianareo tsara fitondran-tena satria mpanara-dia an’i Kristy.+
17 Fa tsara kokoa ny hoe mijaly satria manao ny tsara,+ raha sitrapon’Andriamanitra ny hamela an’izany hitranga, noho ny hoe mijaly satria manao ratsy.+
18 Fa i Kristy aza mantsy maty indray mandeha fotsiny noho ny ota,+ izany hoe olo-marina ho solon’ny tsy marina,+ mba hitondrany anareo ho amin’Andriamanitra.+ Nofo izy rehefa novonoina,+ fa fanahy kosa rehefa novelomina.+
19 Tamin’izay izy no nandeha nitory tamin’ireo fanahy ao am-ponja,+
20 izay tsy nankatò tany aloha tany, tamin’Andriamanitra naharitra niandry* tamin’ny andron’i Noa,+ raha mbola namboarina ny sambofiara.+ Olona vitsy ihany, izany hoe olona valo no nentin’izy io teny ambony rano ka avotra soa aman-tsara.+
21 Misy mifanitsy amin’izany koa amin’izao, dia ny batisa—tsy fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa fangatahana amin’Andriamanitra feon’ny fieritreretana madio.+—Mamonjy anareo ny batisa, noho ianareo mino ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.
22 Eo ankavanan’Andriamanitra+ izy, satria nankany an-danitra, ary nasaina nanaiky azy ny anjely sy ireo manana fahefana ary ireo manana hery.+
Fanamarihana
^ Na: “ka anehoy fiahiana izy”; Abt: “araka ny fahalalana.”
^ Na: “miezaha hifanara-tsaina.”
^ Na mety hoe “Aza atahorana anefa ny fandrahonana ataon’izy ireo.”
^ Abt: “rehefa niandry ny faharetan’Andriamanitra.”