Samoela Voalohany 22:1-23

  • Tany Adolama sy Mizpe i Davida (1-5)

  • Nasain’i Saoly novonoina ny mpisorona tao Noba (6-19)

  • Tafatsoaka i Abiatara (20-23)

22  Niala tao àry i Davida,+ ka nandositra nankany amin’ilay lava-bato ao Adolama.+ Rehefa naheno an’izany ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy manontolo, dia nidina nankany aminy.  Ary nankany aminy izay rehetra nanana olana, sy bokan-trosa, ary niharan’ny tsy rariny. Dia lasa lehiben’izy ireo i Davida. Lehilahy 400 teo ho eo no niaraka taminy.  Tatỳ aoriana, dia niala tao i Davida ka nankany Mizpe any Moaba. Ary hoy izy tamin’ny mpanjakan’i Moaba:+ “Mba avelao re ny raiko sy ny reniko hipetraka atỳ aminareo e, mandra-pahafantatro hoe inona no hataon’Andriamanitra ho ahy.”  Dia najanony tany amin’ny mpanjakan’i Moaba izy ireo. Nipetraka tany amin’ny tanin’io mpanjaka io izy ireo, nandritra ny fotoana rehetra nijanonan’i Davida tany amin’ilay toerana niafenany.+  Tatỳ aoriana, dia hoy i Gada+ mpaminany tamin’i Davida: “Aza mijanona any amin’ilay toerana niafenanao. Mialà any, dia mankanesa any Joda.”+ Dia lasa i Davida, ka nankany amin’ny alan’i Hareta.  Henon’i Saoly fa nisy nahita i Davida sy ny olona niaraka taminy. Nipetraka teo ambanin’ny hazo tamariska teny amin’ny toerana avo tany Gibea+ i Saoly tamin’izay. Teny an-tanany ny lefony ary nanodidina azy ny mpanompony rehetra.  Dia hoy i Saoly tamin’ireo mpanompony nanodidina azy: “Mba henoy kely izao, ry Benjaminita: Ny zanak’i Jese+ ve dia hanao hoatr’ahy, ka hanome anareo rehetra saha sy tanimboaloboka? Izy ve dia hanendry anareo rehetra ho lehiben’ny arivo sy ho lehiben’ny zato?+  Niray tetika hanohitra ahy ianareo mianakavy! Tsy mba nisy nilaza tamiko hoe nanao fifanekena tamin’ilay zanak’i Jese iny ny zanako!+ Tsy nisy nangoraka ahy koa ianareo, na nilaza tamiko hoe ny zanako mihitsy no nampirisika ny mpanompoko hanohitra ahy sy hiafina mba hanafika ahy, hoatran’izao mitranga izao.”  Dia hoy i Doega+ Edomita izay teo koa sady niandraikitra an’ireo mpanompon’i Saoly:+ “Hitako tany Noba, tao amin’i Ahimeleka zanak’i Ahitoba,+ ny zanak’i Jese. 10  Ary nisolo tena azy nanontany an’i Jehovah i Ahimeleka, sady nanome vatsy azy. Nomeny azy mihitsy aza ny sabatr’i Goliata Filistinina.”+ 11  Nampanantsoin’ny mpanjaka avy hatrany àry i Ahimeleka mpisorona zanak’i Ahitoba sy ny mpisorona rehetra anisan’ny ankohonan-drainy, izay tany Noba. Dia tonga teo amin’ny mpanjaka izy rehetra. 12  Ary hoy i Saoly: “Mba henoy, azafady, ry zanak’i Ahitoba!” Dia namaly izy hoe: “Ahoana izay, tompoko?” 13  Ary hoy i Saoly: “Fa maninona ianao sy ny zanak’i Jese no niray tetika hanohitra ahy? Nomenao mofo sy sabatra izy, ary nisolo tena azy nanontany an’Andriamanitra ianao. Izy ange manohitra ahy sady miafina mba hanafika ahy e, hoatran’izao mitranga izao!” 14  Dia namaly an’ilay mpanjaka i Ahimeleka hoe: “Iza amin’ny mpanomponao rehetra moa no azo atokisana* hoatran’i Davida?+ Izy ange vinantolahin’ny mpanjaka+ e, sady lehiben’ny mpiambina anao ary manaja azy ny ao an-tranonao.+ 15  Angaha moa vao tamin’iny andro iny aho no nisolo tena azy nanontany an’Andriamanitra?+ Tsy izaho mihitsy no hanao an’izany zavatra teneninao izany! Aoka ny mpanjaka tsy hiampanga ny mpanompony sy ny ankohonan-draiko manontolo, na amin’inona na amin’inona. Fa tsy misy fantatry ny mpanomponao ny amin’izany rehetra izany, na ny kely aza.”+ 16  Hoy anefa ny mpanjaka: “Tsy maintsy hovonoina ho faty ianao+ sy ny ankohonan-drainao manontolo, ry Ahimeleka!”+ 17  Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo mpiambina* nanodidina azy: “Mandehana vonoy ho faty ireo mpisoron’i Jehovah ireo, fa manohana an’i Davida! Fantatr’izy ireo hoe nandositra izy, nefa tsy nolazainy tamiko izany!” Tsy nety nanainga ny tanany hamely an’ireo mpisoron’i Jehovah anefa ny mpanompon’ny mpanjaka. 18  Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Doega:+ “Mandehana vonoy ireo mpisorona ireo!” Tonga dia lasa i Doega Edomita+ ka namely an’ireo mpisorona. Lehilahy 85 nanao efoda vita tamin’ny kofehy rongony no matiny tamin’iny andro iny.+ 19  Notafihiny tamin’ny sabatra koa i Noba,+ tanànan’ny mpisorona. Nasiany tamin’ny sabatra na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza, na omby na ampondra na ondry. 20  Tafatsoaka anefa i Abiatara,+ iray tamin’ny zanakalahin’i Ahimeleka zanak’i Ahitoba. Nandositra izy ka nanaraka an’i Davida. 21  Hoy i Abiatara tamin’i Davida: “Novonoin’i Saoly ny mpisoron’i Jehovah.” 22  Dia hoy i Davida tamin’i Abiatara: “Efa fantatro mihitsy tamin’iny andro iny,+ rehefa nahita an’i Doega Edomita teo aho, fa tsy maintsy hiteny amin’i Saoly izy. Izaho no tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesan’ny ankohonan-drainao manontolo. 23  Mijanòna miaraka amiko. Ary aza matahotra, fa izay mifofo ny ainao dia mifofo ny aiko koa. Izaho no hiaro anao.”+

Fanamarihana

Na: “tsy mivadika.”
Abt: “mpihazakazaka.”