Samoela Voalohany 23:1-29

  • Navotan’i Davida ny tanànan’i Keila (1-12)

  • Nenjehin’i Saoly i Davida (13-15)

  • Nankahery an’i Davida i Jonatana (16-18)

  • Saika tratran’i Saoly i Davida (19-29)

23  Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe: “Miady amin’i Keila+ ny Filistinina, sady robainy ny eny am-pamoloana.”  Nanontany an’i Jehovah+ àry i Davida hoe: “Tokony handeha hamely an’izany Filistinina izany ve aho?” Dia hoy i Jehovah taminy: “Mandehana asio ny Filistinina ka vonjeo i Keila.”  Hoy anefa ny olon’i Davida: “Eto Joda aza izahay matahotra,+ koa mainka fa raha ho any Keila mba hiady amin’ny tafiky ny Filistinina!”+  Nanontany an’i Jehovah indray+ àry i Davida. Dia hoy ny navalin’i Jehovah azy: “Mandehana midina any Keila, fa hataoko resinao ny Filistinina.”+  Dia nankany Keila i Davida sy ny olony, ka niady tamin’ny Filistinina. Ary nalainy ny biby fiompin’ny Filistinina, fa izy ireo kosa novonoiny ka be dia be no maty. Dia novonjen’i Davida ny mponina tao Keila.+  Nitondra efoda i Abiatara+ zanak’i Ahimeleka, tamin’izy nandositra nankany amin’i Davida tany Keila.  Ary nisy nilaza tamin’i Saoly hoe: “Tonga ao Keila i Davida.” Dia hoy i Saoly: “Efa natolotr’Andriamanitra* eo an-tanako izy,+ satria niditra ao amin’ny tanàna misy vavahady sy bara hidiny ka namandrika ny tenany.”  Nantsoin’i Saoly àry ny olona rehetra mba hiady, ka hidina any Keila dia hanao fahirano an’i Davida sy ny olony.  Rehefa fantatr’i Davida fa nitetika ny hanisy ratsy azy i Saoly, dia hoy izy tamin’i Abiatara mpisorona: “Ento etỳ ilay efoda.”+ 10  Hoy i Davida avy eo: “Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, efa henon’ny mpanomponao fa mitady hankatỳ Keila i Saoly mba handrava ny tanàna noho ny amiko.+ 11  Dia hanolotra ahy eo an-tanany ve ireo mpitarika* eto Keila? Hidina tokoa ve i Saoly, araka ny henon’ny mpanomponao? Mba lazao amin’ny mpanomponao re, ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô!” Dia hoy i Jehovah: “Hidina izy.” 12  Nanontany àry i Davida hoe: “Hanolotra ahy sy ny olona miaraka amiko eo an-tanan’i Saoly ve ireo mpitarika eto Keila?” Dia hoy i Jehovah: “Hanolotra anareo izy.” 13  Niainga avy hatrany àry i Davida sy ny olony 600 lahy teo ho eo,+ ka niala tao Keila, ary nandeha tany amin’izay azony naleha. Rehefa nisy nilaza tamin’i Saoly hoe efa nandositra niala tao Keila i Davida, dia tsy nandeha nisambotra azy tany indray izy. 14  Ary i Davida nijanona tany an-tany efitra, teny amin’ny toerana sarotra aleha, teny amin’ny faritra be tendrombohitra tany an-tany efitr’i Zifa.+ Nitady azy foana i Saoly, nefa tsy natolotr’i Jehovah teo an-tanany izy.+ 15  Ary fantatr’i* Davida, tamin’izy tao Horesa tany an-tany efitr’i Zifa, fa nivoaka hifofo ny ainy i Saoly. 16  Nankany amin’i Davida tao Horesa i Jonatana zanak’i Saoly, ary nanampy azy hatoky kokoa an’i* Jehovah+ izy. 17  Hoy izy taminy: “Aza matahotra fa tsy hahita anao i Saoly raiko. Ianao no ho mpanjakan’ny Israely,+ ary izaho no hanarakaraka anao. Mahafantatra an’izany koa i Saoly raiko.”+ 18  Dia nanao fifanekena+ teo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy. Ary mbola nijanona tao Horesa i Davida, fa i Jonatana kosa lasa nody. 19  Niakatra nankany amin’i Saoly tao Gibea+ ny lehilahy tao Zifa tatỳ aoriana, ka niteny hoe: “Miafina any akaikinay i Davida,+ eny amin’ny toerana sarotra aleha ao Horesa,+ eny amin’ny havoanan’i Hakila,+ eo atsimon’i* Jesimona.*+ 20  Rehefa te hidina ianao, ry mpanjaka, na rahoviana na rahoviana, dia tongava fa hatolotray eo an-tanan’ny mpanjaka izy.”+ 21  Dia hoy i Saoly: “Hitahy anareo anie i Jehovah satria mangoraka ahy ianareo! 22  Mandehana, azafady, ary fantaro tsara hoe aiza ny toerana misy azy ary iza ny olona efa nahita azy tany. Nisy nilaza tamiko mantsy hoe fetsy be, hono, izy iny. 23  Fantaro tsara daholo izay toeram-piafenany, ary mitondrà porofo miverina atỳ amiko. Dia hiaraka aminareo aho avy eo, fa raha mbola eto amin’ity tany ity izy, dia hataoko savahao ny fokon’i Joda* rehetra mba hahitako azy.” 24  Lasa àry izy ireo ary nankany Zifa+ hialoha an’i Saoly. I Davida sy ny olony kosa tany an-tany efitr’i Maona+ any Araba,+ eo atsimon’i Jesimona. 25  Ary tonga mba hitady azy i Saoly sy ny olony.+ Nisy nilaza an’izany tamin’i Davida, ka nidina avy hatrany nankeny amin’ny harambato+ izy ary nijanona tany an-tany efitr’i Maona. Rehefa henon’i Saoly izany, dia nanenjika azy tany an-tany efitr’i Maona izy. 26  Tonga teo amin’ny andaniny iray tamin’ny tendrombohitra i Saoly, fa i Davida sy ny olony kosa teo amin’ny ankilany. Dia niala teo haingana+ i Davida mba tsy ho azon’i Saoly. I Saoly sy ny olony kosa nihananatona an’i Davida sy ny olony mba hisambotra azy ireo.+ 27  Nisy iraka anefa tonga nilaza tamin’i Saoly hoe: “Andao haingana fa manafika ny tanintsika ny Filistinina!” 28  Dia tsy nanenjika an’i Davida intsony i Saoly,+ fa lasa nifanandrina tamin’ny Filistinina. Izany no antony niantsoana an’ilay toerana hoe Harambaton’ny Fisarahana. 29  Ary niala teo i Davida ka niakatra teny amin’ny toerana sarotra aleha tany En-jedy,+ ary nijanona tany.

Fanamarihana

Abt: “namidin’Andriamanitra.”
Na mety hoe “tompon-tany.”
Na mety hoe “natahotra i.”
Abt: “nankahery ny tanany tamin’i.”
Abt: “ankavanan’i.”
Na mety hoe “tany efitra; tany karakaina.”
Na: “ny arivon’i Joda.”