Samoela Voalohany 26:1-25

  • Notsimbinin’i Davida indray ny ain’i Saoly (1-25)

    • Nanaja an’ilay voahosotr’i Jehovah i Davida (11)

26  Tatỳ aoriana, dia tonga tany amin’i Saoly tany Gibea+ ireo lehilahy tao Zifa,+ ka niteny hoe: “Miafina any amin’ny havoanan’i Hakila, tandrifin’i Jesimona,* i Davida.”+  Dia niainga i Saoly ka nidina nankany an-tany efitr’i Zifa mba hitady an’i Davida tany. Ary nisy 3 000 lahy tena nahay niady, nofantenana teo amin’ny Israely, niaraka taminy.+  Ary nitoby teo amoron-dalana i Saoly, teo amin’ny havoanan’i Hakila, tandrifin’i Jesimona. I Davida kosa tamin’izay nipetraka tany an-tany efitra, ary henony hoe nanenjika azy tany i Saoly.  Nandefa mpitsikilo àry i Davida mba hanamarina raha tonga tokoa i Saoly.  Nankany amin’ny toerana nitobian’i Saoly izy, taorian’izay. Dia hitany ny toerana natorian’i Saoly sy Abnera+ zanak’i Nera, lehiben’ny tafiny. Natory tao amin’ny toby i Saoly, ary nitoby nanodidina azy ny miaramilany.  Ary hoy i Davida tamin’i Abisay+ rahalahin’i Joaba, zanak’i Zeroia,+ sy Ahimeleka Hetita:+ “Iza no hidina hiaraka amiko hankeny amin’i Saoly ao an-toby?” Dia hoy i Abisay: “Hiaraka aminao aho.”  Nankeny amin’izy ireo àry i Davida sy Abisay, tamin’ny alina. Hitan’izy ireo natory tao amin’ny toby i Saoly, ary nitsatoka tamin’ny tany teo akaikin’ny lohany ny lefony. I Abnera sy ny miaramila kosa natory nanodidina azy.  Dia hoy i Abisay tamin’i Davida: “Efa natolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao androany.+ Mba avelao aho handefona azy hifantsika amin’ny tany indray mandeha tsy miverina.”  Notenenin’i Davida anefa i Abisay hoe: “Aza mamono azy, fa iza no mikasi-tanana ny voahosotr’i Jehovah+ ka tsy ho meloka?”+ 10  Hoy koa i Davida: “Raha mbola velona koa i Jehovah, dia i Jehovah ihany no hamely azy,+ na ho faty fotsiny hoatran’ny olon-drehetra izy,+ na ho any an’ady izy dia ho faty any.+ 11  Fa sanatria ahy ny hikasi-tanana ny voahosotr’i Jehovah,+ satria tsy ankasitrahan’i Jehovah izany! Koa alaivo, azafady, ny lefona eo akaikin’ny lohany sy ny jaogy fasiany rano, dia andao handeha.” 12  Nalain’i Davida àry ilay lefona sy ilay jaogy fasiana rano teo akaikin’ny lohan’i Saoly, dia lasa izy ireo nandeha. Tsy nisy nahita+ na nahatsikaritra izy ireo. Tsy nisy taitra koa fa natory daholo izy rehetra, satria nataon’i Jehovah renoky ny torimaso. 13  Dia nankeny ampita i Davida, ka nijoro teo an-tampon’ny tendrombohitra terỳ lavidavitra. Nisinisy ihany ny elanelan’izy ireo. 14  Niantsoantso an’ireo miaramila sy Abnera+ zanak’i Nera i Davida hoe: “Ô ry Abnera a! Valio aho!” Dia namaly i Abnera hoe: “Fa iza moa ianao no manabataba ny mpanjaka hoatr’izany?” 15  Dia hoy i Davida: “Fa ianao ve tsy mba lehilahy e? Tsy misy hoatr’anao eo amin’ny Israely. Koa maninona ianao no tsy niambina tsara ny mpanjaka tomponao? Fa tonga teo ny iray tamin’ireo miaramila mba hamono ny mpanjaka tomponao.+ 16  Tsy mety mihitsy izany nataonao izany! Raha mbola velona koa i Jehovah, dia mendrika ny ho faty ianareo, satria tsy nambenanareo ny tomponareo, izay voahosotr’i Jehovah.+ Jereo ange ny manodidina anao e! Aiza izao ny lefon’ny mpanjaka sy ilay jaogy fasiana rano+ teo akaikin’ny lohany?” 17  Dia fantatr’i Saoly ny feon’i Davida, ka hoy izy: “Feonao ve izany, ry Davida zanako?”+ Ary hoy i Davida: “Feoko izany, ry mpanjaka tompoko.” 18  Hoy koa izy: “Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony?+ Fa inona no nataoko ary inona no fahadisoako?+ 19  Mba henoy ny tenin’ny mpanomponao, ry mpanjaka tompoko: Raha i Jehovah no nampirisika anao hamely ahy, dia aoka izy hankasitraka* ny fanatitra varimbazaha atolotro. Fa raha olona kosa no nampirisika anao,+ dia ho voaozona eo anatrehan’i Jehovah izy ireo. Efa nandroaka ahy tsy ho anisan’ny vahoakan’i* Jehovah+ mantsy izy ireo androany, ka hoatran’ny nilaza hoe: ‘Mandehana manompo andriamani-kafa!’ 20  Ary ankehitriny, aza avela ho latsaka amin’ny tany lavitra an’i Jehovah ny rako. Fa efa nivoaka hitady parasy iray+ ny mpanjakan’ny Israely, hoatran’ireny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra ireny.” 21  Dia hoy i Saoly: “Nanota aho.+ Miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho satria sarobidy taminao ny aiko+ androany. Nanao hadalana mihitsy aho sady tena diso tanteraka.” 22  Ary hoy i Davida: “Intỳ ny lefon’ny mpanjaka! Asaivo misy tovolahy iray maka azy etỳ. 23  I Jehovah no hamaly ny tsirairay araka ny fahamarinany+ sy ny tsy fivadihany avy. Nanolotra anao teo an-tanako mantsy i Jehovah androany, nefa izaho tsy nety nikasi-tanana ny voahosotr’i Jehovah.+ 24  Sarobidy tamiko ny ainao androany, ka enga anie mba ho sarobidy eo imason’i Jehovah koa ny aiko! Ary enga anie izy hamonjy ahy amin’ny fahoriana rehetra!”+ 25  Dia hoy i Saoly tamin’i Davida: “Hotahina anie ianao, ry Davida zanako! Tsy maintsy hanao zavatra miavaka ianao, ary tsy maintsy hahomby.”+ Dia lasa nandeha i Davida, fa i Saoly kosa niverina nody.+

Fanamarihana

Na mety hoe “tany efitra; tany karakaina.”
Abt: “lovan’i.” Mety ho ny olona sy ilay tany nolovan’izy ireo izany.
Abt: “haheno ny fofon’ny.”