Samoela Voalohany 27:1-12

  • Nomen’ny Filistinina an’i Davida i Ziklaga (1-12)

27  Hoy anefa i Davida anakampo: “Ho fatin’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any. Ny mandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina no tena mety amiko.+ Amin’izay dia tsy hitady ahy manerana ny faritry ny Israely+ intsony i Saoly, ka tsy ho azon’ny tanany aho.”  Dia niainga i Davida sy ny 600 lahy niaraka taminy+ ka nankany amin’i Akisy+ mpanjakan’i Gata, zanak’i Maoka.  Ary nijanona tany amin’i Akisy tao Gata i Davida sy ny olony, izay samy niaraka tamin’ny ankohonany avy. Niaraka tamin’i Davida ireo vadiny roa, dia i Ahinoama+ Jezirelita sy Abigaila+ Karmelita, ilay vady navelan’i Nabala.  Rehefa nisy nilaza tamin’i Saoly hoe nandositra nankany Gata i Davida, dia tsy nandeha nitady azy intsony izy.+  Ary hoy i Davida tamin’i Akisy: “Raha ankasitrahanao aho, dia mba omeo toerana ao amin’iray amin’ireo tanàna any ambanivohitra aho hipetrahako. Fa nahoana ny mpanomponao no hipetraka miaraka aminao eto amin’ny tanànan’ny mpanjaka?”  Dia nomen’i Akisy azy i Ziklaga+ tamin’izay andro izay. Izany no nahatonga an’i Ziklaga ho fananan’ny mpanjakan’ny Joda hatramin’izao.  Herintaona sy efa-bolana ny fotoana* nipetrahan’i Davida tany ambanivohitry ny Filistinina.+  Ary niakatra i Davida sy ny olony mba hanafika ny Gesorita+ sy ny Girzita ary ny Amalekita.+ Nanomboka teo Telama ka hatrany Sora+ mantsy ny tany nisy azy ireo, ary tonga hatrany Ejipta.  Rehefa nanafika an’ilay tany i Davida, dia tsy nasiany niangana na lehilahy na vehivavy.+ Nalainy ny ondry, ny omby, ny ampondra, ny rameva, ary ny akanjo, dia niverina tany amin’i Akisy izy. 10  Rehefa nanontany i Akisy hoe: “Taiza ianareo no nanafika androany?”, dia namaly i Davida hoe: “Tany atsimon’i* Joda”,+ na hoe: “Tany atsimon’ny tanin’ny Jeramelita”,+ na hoe: “Tany atsimon’ny tanin’ny Kenita.”+ 11  Tsy nasian’i Davida niangana na lehilahy na vehivavy, mba tsy hisy hoentina any Gata izy ireo. Fa hoy izy: “Sao hitantara momba antsika ry zareo hoe: ‘Izao no nataon’i Davida.’” Ary izany foana no fanaony nandritra ny fotoana rehetra nipetrahany tany ambanivohitry ny Filistinina. 12  Nino an’i Davida i Akisy, ka hoy izy tany an-tsainy: ‘Lasa halan’ny Israely vahoakany tokoa izy, ka ho mpanompoko foana.’

Fanamarihana

Abt: “isan’ny andro.”
Na: “Negeba any.”