Samoela Voalohany 28:1-25
-
Nankany amin’ny mpamoha angatra tany En-dora i Saoly (1-25)
28 Nangonin’ny Filistinina ny miaramilany tamin’izany andro izany, mba hiady tamin’ny Israely.+ Hoy àry i Akisy tamin’i Davida: “Mino aho fa efa fantatrao hoe hiaraka amiko handeha hiady ianao sy ny olonao.”+
2 Dia hoy i Davida: “Hainao tsara izay hataon’ny mpanomponao.” Ary hoy i Akisy: “Izany no antony hanendreko anao ho mpiambina ahy, ary ho mpiambina ahy foana* ianao.”+
3 Efa maty i Samoela tamin’izay, ary efa nisaona azy ny Israely rehetra ka nandevina azy tao an-tanànany tao Rama.+ Ary efa nesorin’i Saoly tsy ho eo amin’ilay tany ny mpamoha angatra sy ny mpilaza ny hoavy.+
4 Dia tafangona ny Filistinina, ary nandeha nanangana toby tao Sonema.+ Koa nangonin’i Saoly ny Israely rehetra, ary nanangana toby tao Gilboa+ izy ireo.
5 Rehefa nahita ny tobin’ny Filistinina i Saoly, dia natahotra ka nidobodoboka be ny fony.+
6 Dia nanontany an’i Jehovah i Saoly,+ nefa tsy namaly azy mihitsy i Jehovah, na tamin’ny nofy na tamin’ny Orima,*+ na tamin’ny alalan’ny mpaminany.
7 Farany, dia hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: “Itadiavo vehivavy mpamoha angatra+ aho. Dia handeha ho any aminy aho hanontany azy.” Ary hoy ny mpanompony: “Misy vehivavy mpamoha angatra ao En-dora.”+
8 Mody nanao olon-kafa àry i Saoly ka akanjo hafa no nanaovany. Dia lasa nankany amin’ilay vehivavy izy ny alin’iny, ary nisy lehilahy roa niaraka taminy. Dia hoy i Saoly: “Manaova sikidy, azafady, ka ampiasao ny fahaizanao mamoha angatra,+ dia ampiakaro hanketo amiko izay holazaiko aminao.”
9 Hoy anefa ilay vehivavy: “Fantatrao tsara ny nataon’i Saoly. Nesoriny tsy ho eto amin’ity tany ity ny mpamoha angatra sy ny mpilaza ny hoavy.+ Koa maninona ianao no mitady hamandrika ahy mba hamonoana ahy ho faty?”+
10 Nianiana tamin’ilay vehivavy tamin’ny anaran’i Jehovah àry i Saoly hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah, dia tsy ho meloka ianao amin’ity raharaha ity!”
11 Dia hoy ilay vehivavy: “Iza àry no hampiakariko hanketo aminao?” Ary hoy izy: “I Samoela ampiakarina.”
12 Rehefa nahita an’i “Samoela”*+ ilay vehivavy, dia nikiakiaka faran’izay mafy. Dia hoy izy tamin’i Saoly: “Fa maninona aho no nofitahinao? Hay i Saoly ianao!”
13 Hoy ny mpanjaka: “Aza matahotra, fa inona no hitanao?” Dia hoy ilay vehivavy: “Mahita hoatran’ny andriamanitra miakatra avy amin’ny tany aho.”
14 Tonga dia nanontany an’ilay vehivavy izy hoe: “Hoatran’ny ahoana ilay hitanao?” Dia namaly ilay vehivavy hoe: “Lehilahy efa antitra manao akanjo ivelany tsy misy tanany.”+ Dia fantatr’i Saoly hoe i “Samoela” izany, ka niondrika izy ary niankohoka tamin’ny tany.
15 Dia hoy i “Samoela” tamin’i Saoly: “Nahoana ianao no manelingelina ahy ka mampiakatra ahy?” Dia hoy i Saoly: “Mafy ny manjo ahy. Miady amiko ny Filistinina, nefa Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly ahy intsony, na amin’ny alalan’ny mpaminany na amin’ny nofy.+ Izany no antony iantsoako anao mba hampahafantatra ahy an’izay tokony hataoko.”+
16 Ary hoy i “Samoela”: “Koa nahoana ianao no manontany ahy, nefa i Jehovah aza efa nahafoy anao+ ka lasa fahavalonao?
17 Izay efa nolazain’i Jehovah tamin’ny alalako no hataony: Hesorin’i Jehovah eo an-tananao ny fanjakana ka homeny olon-kafa. Tsy iza izany fa i Davida.+
18 Tsy nankatò ny tenin’i Jehovah ianao ary tsy naringanao ny Amalekita+ izay tena nampahatezitra azy, ka izany no antony anaovan’i Jehovah an’izany zavatra izany aminao androany.
19 Hataon’i Jehovah resin’ny Filistinina+ koa ianao sy ny Israely, ka ho atỳ amiko ianao sy ireo zanakao lahy+ rahampitso.+ Ary hataon’i Jehovah resin’ny* Filistinina koa ny tafiky ny Israely.”+
20 Tonga dia nianjera nitsirara tamin’ny tany i Saoly sady raiki-tahotra mafy noho ny tenin’i “Samoela.” Tsy nanana hery intsony koa izy, satria efa tsy nihinan-kanina izy tontolo andro sy ny alina manontolo.
21 Rehefa nankeo amin’i Saoly ilay vehivavy ka nahita azy nivarahontsana, dia hoy izy taminy: “Efa nanao an’izay nolazainao ny mpanomponao, ary efa nanao vivery ny aiko aho+ ka nanao an’izay nasainao nataoko.
22 Dia mba henoy izao ny tenin’ny mpanomponao. Avelao aho handroso mofo kely ho anao, dia mihinàna, amin’izay ianao hahazo hery handehanana any amin’izay halehanao.”
23 Tsy nety anefa i Saoly fa niteny hoe: “Tsy hihinana aho.” Nampirisika azy foana anefa ny mpanompony sy ilay vehivavy. Nanaraka ny tenin’izy ireo izy tamin’ny farany, ka niarina avy teo amin’ny tany ary nipetraka teo am-pandriana.
24 Nanana zanak’omby mifahy ilay vehivavy tao an-trano, ka novonoiny* haingana ilay izy. Naka lafarinina koa izy ka namolavola koba, dia nanao mofo tsy misy lalivay ary nandrahoiny tao anaty lafaoro izany.
25 Dia narosony ho an’i Saoly sy ny mpanompony izany, ka nihinana izy ireo. Nitsangana izy ireo avy eo, ary lasa nandeha iny alina iny ihany.+
Fanamarihana
^ Abt: “mpiambina ny lohako mandritra ny andro rehetra.”
^ Na: “an’ilay hoatran’i Samoela.”
^ Abt: “hatolotr’i Jehovah eo an-tanan’ny.”
^ Na: “nataony sorona.”