Samoela Voalohany 3:1-21

  • Voantso ho mpaminany i Samoela (1-21)

3  Nanompo+ an’i Jehovah teo anatrehan’i Ely i Samoela kely, nandritra izany fotoana izany. Nahalana anefa ny teny avy tamin’i Jehovah tamin’izany andro izany, sady tsy dia nisy firy ny fahitana.+  Natory tao amin’ny toerana nahazatra azy i Ely indray andro. Efa nanjavozavo ny masony tamin’izany, ka tsy nahita izy.+  Mbola tsy novonoina ny jiron’Andriamanitra+ tamin’izay, ary i Samoela natory tao amin’ny tempolin’i*+ Jehovah, izay nisy ny Vata masin’Andriamanitra.  Ary nantsoin’i Jehovah i Samoela, ka namaly hoe: “Ahoana tompoko?”  Dia nihazakazaka nankao amin’i Ely izy ka niteny hoe: “Intỳ aho, tompoko, fa niantso ahy ianao.” Fa hoy i Ely: “Tsy niantso anao aho, fa mandehana miverina matory.” Dia lasa natory izy.  Ary niantso indray i Jehovah hoe: “Samoela!” Dia nitsangana i Samoela ka nankao amin’i Ely, ary niteny hoe: “Intỳ aho, tompoko, fa niantso ahy ianao.” Fa hoy i Ely: “Tsy niantso anao aho, anaka, fa mandehana miverina matory.”  Mbola tsy nahalala tsara an’i Jehovah i Samoela tamin’izany, sady mbola tsy nampahafantarina azy ny tenin’i Jehovah.+  Niantso fanintelony àry i Jehovah hoe: “Samoela!” Dia nitsangana izy ka nankao amin’i Ely, ary niteny hoe: “Intỳ aho, tompoko, fa niantso ahy ianao.” Dia fantatr’i Ely fa i Jehovah no niantso an’ilay zazalahy.  Hoy àry i Ely tamin’i Samoela: “Mandehana matory, ka raha mbola miantso anao izy, dia izao lazaina: ‘Mitenena, Jehovah ô, fa mihaino ny mpanomponao!’” Dia lasa natory tao amin’izay nisy azy i Samoela. 10  Tonga i Jehovah ka nijoro teo, sady niantso toy ny teo aloha hoe: “Samoela! Samoela!” Dia hoy i Samoela: “Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.” 11  Ary hoy i Jehovah taminy: “Hanao zavatra eo amin’ny Israely aho, ka izay maheno an’izany dia hangorintsina ny sofiny roa.+ 12  Amin’izany andro izany, dia hotanterahiko hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny zava-drehetra nolazaiko+ momba an’i Ely sy ny ankohonany. 13  Dia lazao aminy fa homelohiko ny ankohonany noho ny fahadisoana efa fantany,+ ary tsy hiova intsony izany. Manozona an’Andriamanitra mantsy ny zanany lahy+ nefa tsy nanariny mafy.+ 14  Izany no nahatonga ahy hianiana tamin’ny ankohonan’i Ely hoe tsy ho voarakotra mihitsy ny fahadisoany, na dia misy sorona sy fanatitra atao aza.”+ 15  Natory mandra-paharainan’ny andro i Samoela. Dia nanokatra ny varavaran’ny tranon’i Jehovah izy. Ary natahotra izy hilaza an’ilay fahitana tamin’i Ely. 16  Niantso azy anefa i Ely hoe: “Ry Samoela zanako ô!” Dia hoy izy: “Ahoana tompoko?” 17  Ary nanontany i Ely hoe: “Inona ny hafatra nolazainy taminao? Aza afenina ahy re e! Hofaizin’Andriamanitra anie ianao,* raha misy afeninao ahy na iray aza izay rehetra nolazainy taminao!” 18  Nolazain’i Samoela taminy àry ny zava-drehetra, fa tsy nisy nafeniny. Dia hoy i Ely: “Izy no Jehovah, ka aleo izy hanao izay hitany fa mety.” 19  Ary nihalehibe i Samoela. Nanampy azy i Jehovah+ ary tsy nisy tsy notanterahiny* ny teniny rehetra. 20  Dia fantatry ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, fa tena mpaminanin’i Jehovah tokoa i Samoela. 21  Ary mbola niseho tao Silo i Jehovah. Nampahafantatra ny tenany tamin’i Samoela mantsy i Jehovah tao Silo, tamin’ny alalan’ny tenin’i Jehovah.+

Fanamarihana

Izany hoe ny tranolay masina.
Abt: “Hataon’Andriamanitra aminao anie izany, ary mihoatra noho izany aza.”
Abt: “tsy nisy navelany ho raraka an-tany.”