Samoela Voalohany 4:1-22

  • Lasan’ny Filistinina ny Vata masina (1-11)

  • Maty i Ely sy ny zanany lahy (12-22)

4  Dia nampitaina tamin’ny Israely rehetra ny tenin’i Samoela. Ary nivoaka hiady tamin’ny Filistinina ny Israely, ka nitoby teo akaikin’i Ebenezera. Ny Filistinina kosa nitoby tao Afeka.  Ary nilahatra hiady tamin’ny Israely ny Filistinina. Ratsy anefa ny fandehan’ny ady ary resin’ny Filistinina ny Israely, ka lehilahy 4 000 teo ho eo no matin’izy ireo, teo amin’ilay toerana nitrangan’ilay ady.  Rehefa niverina tao an-toby ny olona, dia hoy ny anti-panahin’ny* Israely: “Nahoana no navelan’i Jehovah ho resin’ny Filistinina isika* androany?+ Andao halaintsika any Silo ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah,+ mba ho eto amintsika ka hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika.”  Naniraka olona hankany Silo àry ny vahoaka, ka nentina avy any ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, eo ambonin’ny* kerobima.+ Niaraka tamin’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’ilay tena Andriamanitra koa izy mirahalahy zanak’i Ely, dia i Hofinia sy Finehasa.+  Raha vao tonga tao an-toby ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, dia nihorakoraka mafy ny Israelita rehetra, ka nihovotrovotra mihitsy ny tany.  Rehefa henon’ny Filistinina ilay horakoraka, dia hoy izy ireo: “Fa maninona no misy horakoraka be hoatr’izany ao amin’ny tobin’ny Hebreo?” Fantatr’izy ireo ihany tamin’ny farany fa tonga tao ny Vata masin’i Jehovah.  Dia natahotra ny Filistinina satria “tonga ao amin’ilay toby Andriamanitra!”,+ araka ny resaka nifanaovan’izy ireo. Hoy àry izy ireo: “Hidiran-doza isika fa mbola tsy nisy hoatr’izao mihitsy hatramin’izay!  Hidiran-doza isika! Iza no hamonjy antsika eo an-tanan’izany Andriamanitra heni-kaja izany? Izy ilay Andriamanitra namely an’i Ejipta tamin’ny loza isan-karazany tany an-tany efitra.+  Manàna herim-po, ry Filistinina, ary asehoy hoe tena lehilahy ianareo, sao ianareo hanompo ny Hebreo hoatran’ny efa nanompoany anareo.+ Asehoy hoe tena lehilahy ianareo, ka miadia!” 10  Niady tokoa ny Filistinina, dia resy ny Israely+ ka samy nandositra tany amin’ny tranolainy avy. Ary be dia be no maty tamin’izay. Miaramila 30 000 mpandeha an-tongotra no maty tamin’ny Israely. 11  Lasa babo koa ny Vata masin’Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak’i Ely, dia i Hofinia sy Finehasa.+ 12  Ary nisy lehilahy benjaminita nihazakazaka avy tany an’ady, ka tonga tao Silo ny androtr’iny ihany. Rovidrovitra ny akanjony, ary nihosim-bovoka ny lohany.+ 13  Tamin’ilay lehilahy tonga, dia efa nipetraka nitazantazana teo amin’ny seza teo amoron-dalana i Ely, satria nitaintaina be izy hoe nanao ahoana ilay Vata masin’ilay tena Andriamanitra.+ Ary nankao an-tanàna ilay lehilahy mba hilaza vaovao, dia nisahotaka ny iray tanàna. 14  Rehefa henon’i Ely ilay sahotaka, dia hoy izy: “Fa inona izany tabataba be henoko izany?” Dia nandeha haingana nankeo amin’i Ely ilay lehilahy, ary nilaza an’ilay vaovao taminy. 15  Efa 98 taona i Ely tamin’izay. Nidiridiry fotsiny ny masony ary tsy nahita izy.+ 16  Ary hoy ilay lehilahy taminy: “Izaho ilay avy tany an’ady. Vao androany aho no nandositra avy any.” Dia hoy i Ely: “Fa inona no nitranga, anaka?” 17  Koa nitantara ilay mpilaza vaovao hoe: “Nandositra an’ireo Filistinina ny Israely, ary resy tanteraka ny olona.+ Maty koa i Hofinia sy Finehasa zanakao mirahalahy,+ ary lasa babo ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra.”+ 18  Vao niteny momba ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra ilay lehilahy, dia nianjera avy teo amin’ny sezany teo akaikin’ny vavahady i Ely ary nidaboka nankany aoriana ka tapaka ny hatony, dia maty izy. Efa antitra mantsy izy sady ngeza. Nitsara ny Israely nandritra ny 40 taona izy. 19  Ary bevohoka efa ho teraka ny vinantovaviny, vadin’i Finehasa. Rehefa henon’ilay vehivavy fa lasa babo ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra, ary maty ny rafozandahiny sy ny vadiny, dia nitambonkina izy ka nihetsi-jaza tampoka dia teraka. 20  Rehefa niala aina izy, dia hoy ireo vehivavy nijoro teo akaikiny: “Aza matahotra fa tera-dahy ianao.” Tsy namaly anefa izy, sady tsy noraharahiany akory izany.* 21  Ary nataony hoe Ikaboda*+ ny anaran’ilay zaza, fa hoy izy: “Natao sesitany ny voninahitry ny Israely.”+ Lasa babo mantsy ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra, ary teo koa ny nanjo ny rafozandahiny sy ny vadiny.+ 22  Hoy izy: “Natao sesitany ny voninahitry ny Israely, satria lasa babo ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra.”+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “Nahoana isika no resin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Filistinina?”
Na mety hoe “eo anelanelan’ny.”
Na: “tsy nahoany akory izany tao am-pony tao.”
Midika hoe “Nankaiza ny Voninahitra?”