Tantara Voalohany 10:1-14

  • Maty i Saoly sy ny zanany lahy (1-14)

10  Dia niady tamin’ny Israely ny Filistinina. Ary nandositra azy ireo ny lehilahy israelita, ka be dia be no maty niampatrampatra teny amin’ny Tendrombohitra Gilboa.+  Narahin’ny Filistinina akaiky dia akaiky i Saoly sy ny zanany lahy, ka matin’izy ireo ny zanak’i Saoly, dia i Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa.+  Ary vao mainka nihamafy ny fanafihana an’i Saoly. Dia hitan’ireo mpandefa zana-tsipìka izy, ka voan’izy ireo ary naratra.+  Dia hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: “Tsoahy ny sabatrao dia atsatohy amiko, sao dia ho avy hamely ahy ireo tsy mifora ireo ka tsy hiantra*+ ahy.” Tsy nety anefa ilay mpitondra fiadiana, satria natahotra be. Nalain’i Saoly àry ny sabatra, dia nianjerany mba ho voatrobaka izy.+  Rehefa hitan’ilay mpitondra fiadiana fa maty i Saoly, dia nianjerany koa ny sabany ka maty izy.  Maty àry i Saoly sy ny zanany telo lahy, ary niara-maty daholo izay anisan’ny ankohonany niaraka taminy.+  Tazan’ny vahoakan’Israely rehetra teny amin’ny lohasaha* fa nandositra daholo ny olona, ary maty i Saoly sy ny zanany. Nandao ny tanànany àry izy ireo ka nandositra. Dia tonga ny Filistinina ka nipetraka tao amin’ireny tanàna ireny.  Rehefa tonga haka an’izay zavatra teny amin’ireo faty ny Filistinina ny ampitson’iny, dia nahita ny fatin’i Saoly sy ny zanany lahy teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa.+  Nalain’izy ireo àry ny zavatra teny amin’ny fatin’i Saoly, dia notapahiny ny lohany, ary nalainy ny fiadiany. Ary naniraka olona handeha eran’ny tanin’ny Filistinina izy ireo, mba hilaza an’ilay vaovao tany amin’ny tranon’ny sampiny+ sy tamin’ny vahoaka. 10  Dia napetrak’izy ireo tao amin’ny trano nisy ny* andriamaniny ny fiadian’i Saoly, fa ny karandohany kosa nahantony tao an-tranon’i Dagona.+ 11  Rehefa henon’ny olona rehetra tany Jabesy+ any Gileada ny zava-drehetra nataon’ny Filistinina tamin’i Saoly,+ 12  dia niainga ny miaramila rehetra ka naka ny fatin’i Saoly sy ny fatin’ny zanany. Dia nentin’izy ireo tany Jabesy ny taolambalony, ka naleviny tao ambanin’ilay hazobe tany Jabesy.+ Ary nifady hanina fito andro izy ireo. 13  Dia maty i Saoly satria nivadika tamin’i Jehovah. Tsy nankatò ny tenin’i Jehovah+ mantsy izy sady nanontany mpamoha angatra,+ 14  fa tsy nanontany an’i Jehovah. Novonoin’Andriamanitra àry izy, ka i Davida zanak’i Jese indray no nataony mpanjaka.+

Fanamarihana

Na: “ka hampijalijaly.”
Na: “lemaka iva.”
Na: “tao amin’ny tempolin’ny.”