Tantara Voalohany 12:1-40

  • Lehilahy niandany tamin’i Davida (1-40)

12  Ireto avy ny lehilahy tonga tany amin’i Davida tany Ziklaga,+ tamin’izy mbola tsy afaka nivezivezy noho ny amin’i Saoly+ zanak’i Kisy. Anisan’ny miaramila matanjaka izy ireo, ary nanampy azy tamin’ny ady.+  Nitondra tsipìka izy ireo. Sady nahay nampiasa ny tanany ankavanana izy ireo no nahay nampiasa ny ankavia+ rehefa nitoraka vato tamin’ny pilotra+ na nandefa zana-tsipìka. Rahalahin’i Saoly izy ireo, izany hoe avy amin’ny fokon’i Benjamina.+  I Ahiezera no lehiben’ny tafika, ary manarakaraka azy i Joasy. Samy zanak’i Sema Gibeatita+ izy ireo. Teo koa i Jeziela sy Peleta zanak’i Azmaveta,+ Beraka, Jeho Anatotita,  Jismaia Gibeonita,+ izay miaramila matanjaka anisan’ireo 30 lahy+ sady lehiben’izy ireo, Jeremia, Jahaziela, Johanana, Jozabada Gaderatita,  Elozay, Jerimota, Bealia, Semaria, Sefatia Harifita,  Elkana, Jisia, Azarela, Joezera, ary Jasobeama, izay samy Korahita,+  ary Joela sy Zebadia zanak’i Jerohama avy any Gedora.  Lasa niandany tamin’i Davida ny Gadita sasany, ka nankany amin’ilay toerana niafenany tany an-tany efitra.+ Miaramila matanjaka izy ireo, sady voaofana hiady, ary efa vonona foana hampiasa ampinga lehibe sy lefona. Hoatran’ny tarehina liona ny tarehiny, ary mahery mandeha toy ny gazela eny an-tendrombohitra izy ireo.  I Ezera no lehibeny, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo, 10  Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy, 11  Atahy no fahenina, Eliela no fahafito, 12  Johanana no fahavalo, Elzabada no fahasivy, 13  Jeremia no fahafolo, ary Makbanay no fahiraika ambin’ny folo. 14  Ireo no Gadita,+ sady lehiben’ny tafika. Ny kely indrindra aminy dia nahavita ny vitan’ny miaramila 100, ary ny lehibe indrindra nahavita ny vitan’ny 1 000.+ 15  Ireo no lehilahy niampita an’i Jordana tamin’ny volana voalohany. Tondraka be izy io tamin’izay, ka difotra ny morony rehetra. Dia noroahin’izy ireo daholo ny olona nipetraka teny amin’ny toerana iva, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana. 16  Nankany amin’i Davida tao amin’ilay toerana niafenany koa ny lehilahy sasany tamin’ny taranak’i Benjamina sy Joda.+ 17  Nivoaka nankeny amin’izy ireo i Davida avy eo, dia niteny hoe: “Raha ny hihavana amiko sy hanampy ahy no ahatongavanareo atỳ, dia ho lasa mpinamana isika. Fa raha hamadika ahy kosa ianareo ka hanolotra ahy any amin’ny fahavaloko, nefa izaho tsy nanao ratsy akory, dia aleo hijery an’izany ilay Andriamanitry ny razambentsika dia izy no hitsara.”+ 18  Ary niasa tamin’i Amasay lehiben’ireo 30 lahy ny fanahin’Andriamanitra.+ Dia hoy izy: “Anao izahay, ry Davida ô, ary manohana anao izahay, ry zanak’i Jese ô!+ Fiadanana, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho an’izay manampy anao!Fa manampy anao ilay Andriamanitrao.”+ Dia noraisin’i Davida izy ireo, ka notendreny ho anisan’ny lehiben’ny andia-miaramila. 19  Nisy tamin’ny taranak’i Manase koa nivadika tamin’i Saoly ka niandany tamin’i Davida, tamin’izy niaraka tamin’ny Filistinina mba hiady tamin’i Saoly. Tsy nanampy an’ireo Filistinina anefa izy. Rehefa nifampidinika mantsy ny andrianan’ny Filistinina,+ dia nandroaka azy sady niteny hoe: “Hivadihany eo isika dia hiandany amin’i Saoly tompony izy, dia ho tapaka ny lohantsika!”+ 20  Rehefa nankany Ziklaga+ i Davida, dia nisy tamin’ny taranak’i Manase nivadika tamin’i Saoly ka niaraka taminy. Ireto avy izy ireo: Adna, Jozabada, Jediaela, Mikaela, Jozabada, Eliho, ary Ziletahy. Samy mpifehy ny arivo izy ireo, ary avy amin’ny fokon’i Manase.+ 21  Nanampy an’i Davida hiady tamin’ny mpandroba izy ireo, satria lehilahy matanjaka sy be herim-po daholo,+ ka lasa lehiben’ny tafika. 22  Dia nisy olona tonga tany amin’i Davida+ isan’andro mba hanampy azy, ka lasa tafika lehibe hoatran’ny tafik’Andriamanitra izy ireo tamin’ny farany.+ 23  Izao ny isan’ny miaramila nitondra fitaovam-piadiana sady vonona handeha hiady, ka tonga tany amin’i Davida tao Hebrona+ mba hamindra ny fanjakan’i Saoly amin’i Davida, araka ny didin’i Jehovah.+ 24  Nisy 6 800 ny lehilahy avy tamin’ny fokon’i Joda, izay nitondra ampinga lehibe sy lefona. Vonona handeha hiady izy ireo. 25  Ny avy amin’ny Simeonita, dia nisy 7 100 ny miaramila matanjaka sy be herim-po. 26  Ny avy amin’ny Levita dia 4 600. 27  I Joiada+ no mpitarika ny taranak’i Arona,+ ary nisy 3 700 niaraka taminy. 28  Teo koa i Zadoka,+ tovolahy matanjaka sady be herim-po, sy ny lehiben’ny tafika 22 avy amin’ny fianakaviambeny. 29  Ny avy amin’ny Benjaminita, izany hoe ireo rahalahin’i Saoly,+ dia 3 000. Niambina ny fananan’ny ankohonan’i Saoly ny ankamaroan’izy ireo talohan’izay. 30  Ny avy amin’ny Efraimita dia 20 800. Lehilahy matanjaka sy be herim-po izy ireo sady olo-malaza teo amin’ireo fianakaviambeny. 31  Ny avy amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia 18 000 no voafidy mba ho avy hanao an’i Davida ho mpanjaka. 32  Ny avy amin’ny taranak’i Isakara dia nisy lehiben’ny tafika 200 lahy, izay nibaiko ny rahalahiny rehetra. Nahafantatra ny fotoana mety ireo lehiben’ny tafika ireo, ka nahalala izay tokony hataon’ny Israely. 33  Ny avy amin’ny fokon’i Zebolona, dia nisy 50 000 ny lehilahy afaka niditra tao amin’ny tafika. Vonona hiady izy ireo sady nitondra ny fiadiany rehetra. Niandany tamin’i Davida izy rehetra ireo sady tsy nivadika taminy mihitsy.* 34  Ny avy amin’ny fokon’i Naftaly dia nisy lehiben’ny tafika 1 000 lahy. Nisy 37 000, nitondra ampinga lehibe sy lefona, niaraka taminy. 35  Ny avy amin’ny Danita dia nisy 28 600 no vonona hiady. 36  Ary ny avy amin’ny fokon’i Asera dia 40 000 no afaka niditra tao amin’ny tafika sady vonona hiady. 37  Ny tany ampitan’i Jordana,+ izany hoe ny avy amin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia nisy miaramila 120 000 nitondra ny karazana fitaovam-piadiana rehetra. 38  Lehilahy mpiady daholo izy rehetra ireo sady niara-nilahatra toy ny miaramila vonona hiady. Tonga tao Hebrona izy ireo sady tapa-kevitra ny hanao an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely rehetra. Samy te* hanao an’i Davida ho mpanjaka koa ny sisa tamin’ny Israely.+ 39  Dia nijanona telo andro tany amin’i Davida izy ireo, ka nihinana sy nisotro an’izay efa nomanin’ny rahalahiny ho azy ireo. 40  Nitondra sakafo be dia be teo ambony ampondra sy rameva sy ramole ary omby koa ny olona teny akaikin’izy ireo, ary na dia ny avy any amin’ny tanin’i Isakara sy Zebolona ary Naftaly aza. Ireto avy izany: Lafarinina, mofo vita tamin’ny aviavy noporetina sy tamin’ny voaloboka maina, divay, menaka, omby, ary ondry. Faly be mantsy ny Israely.

Fanamarihana

Na: “Tsy nanana fo roa izay rehetra niandany tamin’i Davida.”
Abt: “Niray fo.”