Tantara Voalohany 13:1-14

  • Nalaina tany Kiriata-jearima ny Vata (1-14)

    • Novonoin’i Jehovah i Oza (9, 10)

13  Niara-nidinika tamin’ny lehiben’ny arivo sy ny lehiben’ny zato ary ny mpitarika rehetra i Davida.+  Dia hoy i Davida tamin’ny fiangonan’Israely manontolo: “Raha mety aminareo sy eken’i Jehovah Andriamanitsika, dia andao isika haniraka olona hilaza amin’ny rahalahintsika mbola tavela any amin’ny faritra rehetra manerana ny Israely, sy amin’ny mpisorona sy ny Levita any amin’ny tanànany+ misy kijana, mba ho tonga atỳ hiaraka amintsika.  Dia andao hoentintsika atỳ ny Vata+ masin’ilay Andriamanitsika.” Tsy niraharaha azy io mantsy ny vahoaka, tamin’ny andron’i Saoly.+  Dia nanaiky hanao an’izany ny fiangonana manontolo, satria hitan’ny olona rehetra fa tsara ilay hevitra.  Novorin’i Davida àry ny Israely rehetra, hatrany amin’ny reniranon’i* Ejipta ka hatrany Lebo-hamata,*+ mba haka ny Vata masin’Andriamanitra any Kiriata-jearima.+  Dia niakatra nankany Balaha,+ na Kiriata-jearima any Joda, i Davida sy ny Israely rehetra mba haka ny Vata masin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana eo ambonin’ny* kerobima,+ dia eo amin’izay iantsoana ny anarany.  Nataon’izy ireo teo ambony sarety vaovao+ anefa ilay Vata masin’ilay tena Andriamanitra, rehefa avy nalain’izy ireo tao an-tranon’i Abinadaba. I Oza sy Ahio no nandroaka an’ilay sarety tamin’izay.+  Dia nanao fety teo anatrehan’ilay tena Andriamanitra i Davida sy ny Israely rehetra, ka nanao an’izany tamin’ny fony manontolo. Sady nihira izy ireo no nampiasa harpa, zavamaneno fitendry, ampongatapaka,+ kipantsona,+ ary trompetra.+  Rehefa tonga teo amin’ny famoloan’i Kidona anefa izy ireo, dia nanatsotra ny tanany i Oza ka notazoniny ilay Vata. Saika nazeran’ny omby mantsy ilay izy. 10  Dia tezitra be tamin’i Oza i Jehovah, ka novonoiny izy satria nanatsotra ny tanany mba hitazona an’ilay Vata.+ Dia maty teo anatrehan’Andriamanitra teo izy.+ 11  Sosotra* anefa i Davida noho i Jehovah tezitra be tamin’i Oza. Dia antsoina hoe Pereza-oza* io toerana io hatramin’izao. 12  Natahotra an’ilay tena Andriamanitra àry i Davida tamin’iny andro iny, ka nilaza hoe: “Dia hataoko ahoana izany ny hitondra ny Vata masin’Andriamanitra ho any amiko?”+ 13  Tsy nentin’i Davida tany aminy, tany amin’ny Tanànan’i Davida, indray àry ilay Vata, fa nasainy nentina nankany an-tranon’i Obeda-edoma Gatita. 14  Nijanona telo volana tao an-tranon’ny ankohonan’i Obeda-edoma ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra. Dia notahin’i Jehovah foana ny ankohonan’i Obeda-edoma sy izay rehetra nananany.+

Fanamarihana

Na: “hatrany Sihora any.”
Na: “amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata.”
Na mety hoe “eo anelanelan’ny.”
Na: “Tezitra.”
Midika hoe “Nipoaka Tamin’i Oza ny Fahatezerana.”