Tantara Voalohany 14:1-17

  • Mafy orina ny fanjakan’i Davida (1, 2)

  • Ny fianakavian’i Davida (3-7)

  • Resy ny Filistinina (8-17)

14  Naniraka olona ho any amin’i Davida i Hirama+ mpanjakan’i Tyro, sady nandefa hazo sedera sy mpanao vato* ary mpandrafitra, mba hanorina trano* ho azy.+  Ary fantatr’i Davida fa efa nataon’i Jehovah mafy orina tsara teo amin’ny Israely ny fanjakany.+ Nataony lasa matanjaka be mantsy ny fanjakany, noho ny amin’ny Israely vahoakany.+  Naka vady hafa+ tao Jerosalema i Davida, ka mbola niteraka zazalahy sy zazavavy hafa.+  Ireto avy ny anaran’ny zaza naterany tany Jerosalema:+ Samoa, Sobaba, Natana,+ Solomona,+  Jibara, Elisoa, Elipeleta,  Noga, Nafega, Jafia,  Elisama, Beliada ary Elifeleta.  Rehefa henon’ny Filistinina fa nohosorana ho mpanjakan’ny Israely rehetra i Davida,+ dia niakatra hitady an’i Davida izy rehetra.+ Henon’i Davida izany, ka nivoaka hiady tamin’izy ireo izy.  Ary tonga nanafika teo amin’ny Lohasahan’ny* Refaima+ ny Filistinina. 10  Dia nanontany an’Andriamanitra i Davida hoe: “Hiakatra hiady amin’ny Filistinina ve aho? Hataonao resiko ve ireo?” Ary hoy i Jehovah taminy: “Miakara fa tena hataoko resinao ireo.”+ 11  Niakatra nankany Bala-perazima+ àry i Davida, ka tany izy no namely azy ireo. Ary hoy i Davida: “Andriamanitra efa nampiasa ny tanako, ka toy ny rano vaky nandravarava ny laharan’ny fahavaloko izy.” Izany no antony niantsoany an’io toerana io hoe Bala-perazima.* 12  Dia navelan’ny Filistinina teo ny sampiny, ary nasain’i Davida nodorana ireny.+ 13  Tatỳ aoriana, dia nanafika teo amin’ilay lohasaha* indray ny Filistinina.+ 14  Dia nanontany an’ilay tena Andriamanitra indray i Davida, nefa hoy Izy: “Aza tonga dia miakatra manaraka an-dry zareo, fa mandehana aloha mihodidina mankany aorianany. Dia asio izy rehefa tandrifin’ireo hazo bakà.+ 15  Rehefa maheno olona mirodorodo ianao, dia tonga dia tafiho ry zareo satria ho efa nivoaka hialoha anao ilay tena Andriamanitra, mba hamely ny tafiky ny Filistinina.”+ 16  Nataon’i Davida àry izay nasain’Andriamanitra nataony.+ Dia nasian’izy ireo ny tafiky ny Filistinina, hatrany Gibeona ka hatrany Gazera.+ 17  Dia lasa nalaza hatraiza hatraiza i Davida. Ary nataon’i Jehovah natahotra be azy ny firenena rehetra.+

Fanamarihana

Na: “mpanorina rindrina.”
Na: “lapa.”
Na: “Lemaka Ivan’ny.”
Midika hoe “Tompon’ny Famakiana Laharana.”
Na: “lemaka iva.”