Tantara Voalohany 17:1-27

  • Tsy i Davida no hanorina ny tempoly (1-6)

  • Fifanekena momba ny fanjakana natao tamin’i Davida (7-15)

  • Vavaka fisaorana nataon’i Davida (16-27)

17  Raha vao tafapetraka tsara tao amin’ny tranony* i Davida, dia hoy izy tamin’i Natana+ mpaminany: “Izaho ity mipetraka ato amin’ny trano sedera,+ nefa ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah mipetraka ao anaty tranolay!”+  Dia hoy i Natana taminy: “Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa manohana anao ilay tena Andriamanitra.”  Ny alin’iny ihany, dia niteny tamin’i Natana Andriamanitra hoe:  “Mandehana lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Tsy ianao no hanorina trano hipetrahako.+  Fa tsy nipetraka tao anaty trano aho, hatramin’ny andro nitondrako ny Israely nivoaka avy tany Ejipta ka hatramin’izao. Nifindrafindra tranolay foana aho, ary nifindrafindra toerana.*+  Nandritra ny fotoana nandehanako niaraka tamin’ny Israely rehetra, izaho ve mba efa niteny tamin’ny mpitsaran’ny Israely, izay notendreko hiandry ny vahoakako, hoe: ‘Nahoana ianareo no tsy nanorina trano sedera ho ahy?’”’  “Izao tenenina amin’i Davida mpanompoko: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Naka anao avy teny amin’ny kijana teny am-piandrasana ondry aho mba ho mpitarika ny Israely vahoakako.+  Ary hanampy anao aho na aiza na aiza alehanao,+ ka haringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra.+ Dia hataoko malaza ny anaranao, toy ny anaran’ny olo-malaza eny ambonin’ny tany.+  Ary hanokana toerana hametrahako ny Israely vahoakako aho. Dia hipetraka ao izy ireo, ka tsy hisy hanakorontana intsony. Tsy hampijaly* azy ireo intsony koa ny olona ratsy fanahy, hoatran’ny nataon’izy ireny taloha,+ 10  tamin’ny fotoana nanendreko mpitsara hitondra ny Israely vahoakako.+ Ary hataoko eo ambany fahefanao ny fahavalonao rehetra.+ Izao koa no lazaiko aminao: ‘Hanao trano* ho anao i Jehovah.’ 11  “‘“Rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razambenao ianao, dia hotendreko ho mpanjaka handimby anao ny taranakao, dia ny iray amin’ny zanakao lahy.+ Ary hataoko mafy orina ny fanjakany.+ 12  Izy no hanorina trano ho ahy.+ Ary hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianany.+ 13  Izaho ho rainy, ary izy ho zanako.+ Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mihitsy aho,+ fa tsy hanao hoatran’ny nataoko tamin’ilay talohanao.+ 14  Hataoko mipetraka eo amin’ny seza fiandrianako mandrakizay izy,+ ary haharitra mandrakizay ny fanjakany sy ny taranany.”’”+ 15  Noresahin’i Natana tamin’i Davida àry izany teny rehetra izany sy ilay fahitana manontolo. 16  Dia nipetraka teo anatrehan’i Jehovah i Davida Mpanjaka, ka niteny hoe: “Fa mba iza moa aho, ry Jehovah Andriamanitra ô? Ary mba inona ny ankohonako no nataonao lasa hoatr’izao aho?+ 17  Ary toy ny hoe tsy ampy izany efa nataonao izany, Andriamanitra ô, fa mbola nilazanao koa aho hoe haharitra hatrany aoriana lavitra any ny taranaky ny mpanomponao.+ Dia nijery ahy ianao Jehovah Andriamanitra ô, hoatran’ny hoe olona ambony* aho. 18  Inona intsony moa no azon’i Davida mpanomponao lazaina aminao momba ny voninahitra nomenao ahy? Ianao aza efa mahafantatra tsara ny mpanomponao.+ 19  Fa noho ny mpanomponao sady araka ny sitraponao,* Jehovah ô, no nanaovanao an’izany zavatra miavaka rehetra izany ka nampahafantaranao fa tena miavaka ianao.+ 20  Fa tsy misy hoatr’anao, Jehovah ô!+ Ary tsy misy Andriamanitra ankoatra anao.+ Manamarina an’izany ny zava-drehetra henonay. 21  Ary iza amin’ny firenena eto an-tany moa no hoatran’ny Israely vahoakanao?+ Navotan’ilay tena Andriamanitra izy ireo mba ho lasa vahoakany.+ Nataonao nalaza ny anaranao rehefa nanao zavatra miavaka sy mahagaga ianao.+ Nandroaka firenena hiala eo anatrehan’ilay vahoakanao+ navotanao avy tany Ejipta ianao. 22  Nataonao lasa vahoakanao mandrakizay ny Israely.+ Ary ianao, Jehovah ô, no lasa Andriamanitr’izy ireo.+ 23  Dia enga anie, Jehovah ô, ka hotanterahinao mandrakizay izay nampanantenainao momba ny mpanomponao sy ny taranany! Ary enga anie ianao ka hanao an’izay efa nampanantenainao!+ 24  Haharitra* sy hankalazaina+ mandrakizay anie ny anaranao, mba ho afaka hilaza ny olona hoe: ‘I Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, no Andriamanitra ho an’ny Israely.’ Haharitra eo anatrehanao koa anie ny taranak’i Davida mpanomponao!+ 25  Fa ianao, Andriamanitro ô, no nampahafantatra ny mpanomponao ny fikasanao hoe hanao trano* ho ahy. Izany no mahatonga ny mpanomponao tsy hisalasala hanao an’izao vavaka izao aminao. 26  Ianao, Jehovah ô, no tena Andriamanitra, ary nampanantena an’izany zavatra tsara izany ho an’ny mpanomponao ianao. 27  Dia enga anie hahafinaritra anao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao, ary enga anie haharitra mandrakizay eo anatrehanao izany taranany izany! Fa ianao, Jehovah ô, no efa nitahy azy ka tahina mandrakizay izy.”

Fanamarihana

Na: “lapany.”
Mety hidika hoe “Avy ao amin’ny tranolay iray aho no nankany amin’ny iray hafa, ary avy ao amin’ny fonenana iray no nankany amin’ny iray hafa.”
Abt: “handreraka.”
Na: “Hanome taranaka.”
Na: “tokony mbola hasandratra.”
Na: “araka izay sitraky ny fonao.”
Na: “Ho azo itokisana.”
Na: “hanome taranaka.”