Tantara Voalohany 18:1-17

  • Firenena resin’i Davida (1-13)

  • Ny manam-pahefana tao amin’ny fanjakan’i Davida (14-17)

18  Tatỳ aoriana, dia notafihin’i Davida ny Filistinina, ka resiny. Dia nalainy teo an-tanan’izy ireo i Gata+ sy ny tanàna niankina taminy.*+  Resiny koa i Moaba.+ Dia lasa mpanompon’i Davida ny Moabita ka nandoa hetra taminy.+  Resin’i Davida teny akaikin’i Hamata+ i Hadadezera+ mpanjakan’i Zoba,+ tamin’izy io nankany amin’ny Reniranon’i Eofrata+ mba hanamafy orina ny fahefany.  Ireto ny babo azon’i Davida avy taminy: Kalesy 1 000, mpitaingin-tsoavaly 7 000, ary miaramila 20 000 mpandeha an-tongotra.+ Dia notapahiny ny hoza-tongotry ny soavaly rehetra mpitarika kalesy, fa soavaly 100 sisa no tsy nataony an’izany.+  Dia tonga nanampy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba ny Syrianina avy any Damaskosy, kanjo 22 000 tamin’izy ireo no matin’i Davida.+  Nasian’i Davida toby miaramila àry tany Damaskosy, any Syria. Dia lasa mpanompony ny Syrianina, ka nandoa hetra taminy. Nataon’i Jehovah nandresy* i Davida, na taiza na taiza nalehany.+  Nalain’i Davida koa ny ampinga volamena boribory teny amin’ireo mpanompon’i Hadadezera, ka nentiny tany Jerosalema.  Ary naka varahina be dia be avy tany Tibata sy Kona, tanànan’i Hadadezera, i Davida. Ireny no nanamboaran’i Solomona an’ilay Ranomasina varahina,+ sy ny andry, ary ny fanaka varahina.+  Vao henon’i Toy mpanjakan’i Hamata fa resin’i Davida ny tafik’i Hadadezera+ mpanjakan’i Zoba manontolo,+ 10  dia nirahiny ho any amin’i Davida Mpanjaka i Hadorama zanany lahy, mba hanontany ny fahasalamany sy hiarahaba azy noho izy niady tamin’i Hadadezera dia nandresy azy. Niady matetika tamin’i Toy mantsy i Hadadezera. Ary nitondra zavatra isan-karazany vita tamin’ny volamena sy volafotsy ary varahina i Hadorama. 11  Dia nohamasinin’i Davida Mpanjaka ho an’i Jehovah ireny,+ hoatran’ny efa nataony tamin’ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tany amin’ny firenena rehetra, dia i Edoma sy Moaba, ny Amonita,+ ny Filistinina,+ ary ny Amalekita.+ 12  Ary nahafaty Edomita 18 000 i Abisay+ zanak’i Zeroia,+ teo amin’ny Lohasahan-tsira.+ 13  Nasiany toby miaramila tany Edoma, ka lasa mpanompon’i Davida ny Edomita rehetra.+ Dia nataon’i Jehovah nandresy* i Davida, na taiza na taiza nalehany.+ 14  Nanjaka teo amin’ny Israely rehetra i Davida,+ ary nanao ny rariny sy hitsiny teo amin’ny vahoakany manontolo izy.+ 15  I Joaba zanak’i Zeroia no lehiben’ny tafika,+ Josafata+ zanak’i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana, 16  Zadoka zanak’i Ahitoba sy Ahimeleka zanak’i Abiatara no mpisorona, ary Saosa no mpitan-tsoratra. 17  I Benaia zanak’i Joiada no lehiben’ny Keretita+ sy ny Peletita.+ Ary ny zanakalahin’i Davida no manam-pahefana ambony indrindra nanarakaraka ny mpanjaka.

Fanamarihana

Na: “nanodidina azy.”
Na: “Novonjen’i Jehovah.”
Na: “novonjen’i Jehovah.”