Tantara Voalohany 19:1-19

  • Nalain’ny Amonita baraka ny olona nirahin’i Davida (1-5)

  • Resy ny Amonita sy ny Syrianina (6-19)

19  Tatỳ aoriana, dia maty i Nahasy mpanjakan’ny Amonita, ka ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.+  Dia hoy i Davida: “Ho tsara fanahy+ amin’i Hanona zanak’i Nahasy* aho, satria tsara fanahy* tamiko ny rainy.” Naniraka olona àry i Davida, mba hampionona azy noho ny nahafatesan-drainy. Rehefa tonga tany amin’ny tanin’ny Amonita+ anefa ny mpanompon’i Davida, mba hampionona an’i Hanona,  dia hoy ny andrianan’ny Amonita tamin’i Hanona: “Ianao ve dia mieritreritra hoe ny hanome voninahitra ny dadanao no nanirahan’i Davida ny mpanompony atỳ hampionona anao, fa tsy hoe handeha hamantatra sy hitsikilo an’ity tany ity, dia handresy anao?”  Nosamborin’i Hanona àry ny mpanompon’i Davida ka nesoriny ny volombavany,+ ary notapahiny hatreo amin’ny fitombenany ny akanjony, dia nalefany izy ireo.  Vao henon’i Davida izany, dia naniraka olona hitsena an’ireo lehilahy ireo izy. Afa-baraka tanteraka mantsy izy ireo. Ary hoy ny mpanjaka: “Mijanòna aloha any Jeriko,+ dia rehefa maniry indray ny volombavanareo vao modia.”  Dia hitan’ny Amonita fa lasa halan’i Davida izy ireo. Naniraka olona hitondra volafotsy 1 000 talenta* àry i Hanona sy ny Amonita, mba hanofa kalesy fitondra miady sy hanakarama mpitaingin-tsoavaly avy any Mezopotamia* sy Arama-maka ary Zoba.+  Dia nanofa kalesy fitondra miady 32 000 izy ireo, ary nokaramainy koa ny mpanjakan’i Maka sy ny vahoakany. Dia tonga ireny ka nitoby tandrifin’i Medeba.+ Nifamory avy any an-tanànany koa ny Amonita ka nivoaka hiady.  Rehefa henon’i Davida izany, dia nirahiny i Joaba+ sy ny tafika manontolo, anisan’izany ireo miaramilany matanjaka indrindra.+  Ary nivoaka avy tao an-tanàna ny Amonita, ka nilahatra hiady teo amin’ny fidirana amin’ilay tanàna. Nitokana teny an-tsaha kosa ireo mpanjaka tonga hanampy. 10  Hitan’i Joaba fa avy any aloha sy avy any aoriana ny fahavalo. Dia nifidy tamin’ireo miaramila voafantina teo amin’ny Israely izy, ka nasainy nilahatra hiady tamin’ny Syrianina izy ireo.+ 11  Ny sisa kosa nasainy notarihin’i* Abisay rahalahiny,+ mba hilahatra hiady amin’ny Amonita. 12  Dia hoy izy: “Raha matanjaka loatra ny Syrianina+ ka tsy resiko, dia tongava mamonjy ahy. Fa raha matanjaka loatra kosa ny Amonita ka tsy resinao, dia hovonjeko ianao. 13  Tsy maintsy matanjaka sy be herim-po+ isika, satria hiady ho an’ny vahoakantsika sy ho an’ny tanànan’ilay Andriamanitsika. I Jehovah koa tsy maintsy hanao ny anjarany.” 14  Ary nandroso i Joaba sy ny miaramilany, ka niady tamin’ny Syrianina. Dia nandositra azy izy ireo.+ 15  Rehefa hitan’ny Amonita fa nandositra ny Syrianina, dia nandositra an’i Abisay rahalahin’i Joaba koa izy ireo, ka niditra tao an-tanàna. Dia niverina tany Jerosalema i Joaba. 16  Rehefa hitan’ny Syrianina fa resin’ny Israely izy ireo, dia naniraka olona izy hampiantso ny Syrianina tany amin’ny faritry ny Renirano.*+ Ary i Sofàka lehiben’ny tafik’i Hadadezera no nitarika azy ireo.+ 17  Raha vao henon’i Davida izany, dia nangoniny ny Israely rehetra. Dia niampita ny Reniranon’i Jordana izy ireo ka tonga tany amin’ny Syrianina, ary nilahatra hiady tamin’ireo. Dia nandeha niady tamin’ny Syrianina i Davida, ka nifanandrina taminy koa izy ireo.+ 18  Nandositra ny Israely anefa ny Syrianina. Ary mpitondra kalesy 7 000 sy miaramila 40 000 mpandeha an-tongotra no matin’i Davida. Novonoiny ho faty koa i Sofàka lehiben’ny tafika. 19  Rehefa hitan’ny mpanompon’i Hadadezera fa resin’ny Israely izy ireo,+ dia nihavana haingana tamin’i Davida ireo ka nanompo azy.+ Ary tsy te hanampy ny Amonita intsony i Syria.

Fanamarihana

Na: “Ho tia an’i Hanona zanak’i Nahasy sy tsy hivadika aminy.”
Na: “tia ahy sy tsy nivadika.”
1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. B14.
Abt: “Arama-naharaima.”
Abt: “nataony teo an-tanan’i.”
Izany hoe Eofrata.