Tantara Voalohany 2:1-55

  • Ny zanakalahin’i Israely 12 (1, 2)

  • Taranak’i Joda (3-55)

2  Ireto avy ny zanakalahin’i Israely:+ Robena,+ Simeona,+ Levy,+ Joda,+ Isakara,+ Zebolona,+  Dana,+ Josefa,+ Benjamina,+ Naftaly,+ Gada,+ ary Asera.+  Ny zanakalahin’i Joda dia i Era sy Onana ary Sela. Ireo telo ireo no naterak’ilay zanakavavin’i Soa, ilay Kananita vadiny, taminy.+ Tsy faly tamin’i Era lahimatoan’i Joda anefa i Jehovah, ka novonoiny ho faty izy.+  Niteraka an’i Pereza+ sy Zera tamin’i Joda i Tamara+ vinantovaviny. Dimy lahy ny zanak’i Joda rehetra.  Ny zanakalahin’i Pereza dia i Hezrona sy Hamola.+  Ny zanakalahin’i Zera dia i Zimry, Etana, Hemana, Kalkola, ary Dara. Dimy izy rehetra.  Ny zanakalahin’i* Karmy dia i Akara,* ilay nahatonga loza* tamin’ny Israely.+ Nivadika tamin’Andriamanitra mantsy izy, satria tsy nankatò an’ilay didy momba ny zavatra voatokana haringana.+  Ny zanak’i* Etana dia i Azaria.  Ny zanakalahy naterak’i Hezrona dia i Jeramela+ sy Rama+ ary Kelobay.* 10  I Rama niteraka an’i Aminadaba,+ ary Aminadaba niteraka an’i Nasona,+ ilay mpiadidy teo amin’ny taranak’i Joda. 11  I Nasona niteraka an’i Salma,+ ary Salma niteraka an’i Boaza.+ 12  I Boaza niteraka an’i Obeda, ary Obeda niteraka an’i Jese.+ 13  Ireto avy no naterak’i Jese: I Eliaba no lahimatoany, Abinadaba+ no lahy faharoa, Simea no fahatelo,+ 14  Netanela no fahefatra, Raday no fahadimy, 15  Ozema no fahenina, ary Davida+ no fahafito. 16  I Zeroia sy Abigaila+ no anabavin’izy ireo. Telo ny zanakalahin’i Zeroia, dia i Abisay+ sy Joaba+ ary Asahela.+ 17  I Abigaila niteraka an’i Amasa,+ ary i Jatera Ismaelita no rain’i Amasa. 18  I Kaleba* zanakalahin’i Hezrona niteraka an’i Jasera sy Sobaba ary Ardona tamin’i Azoba vadiny sy tamin’i Jeriota. 19  Rehefa maty i Azoba, dia nanambady an’i Efrata+ indray i Kaleba. Ary niteraka an’i Hora+ taminy i Efrata. 20  I Hora niteraka an’i Ory, ary Ory niteraka an’i Bezalila.+ 21  Nanambady ny zanakavavin’i Makira+ rain’i Gileada+ i Hezrona, tamin’izy 60 taona. Dia nanao firaisana taminy i Hezrona, ka niteraka an’i Segoba taminy ilay vehivavy. 22  I Segoba niteraka an’i Jaira,+ izay nanana tanàna 23 tany Gileada.+ 23  Ary nalain’i Gesora+ sy Syria+ tamin’ny mponina tao amin’ireo tanàna ireo i Havota-jaira+ sy Kenata+ ary ireo tanàna niankina taminy,* dia tanàna 60. Ireo rehetra ireo no taranak’i Makira rain’i Gileada. 24  Rehefa maty tany Kaleba-efrata i Hezrona,+ dia niteraka an’i Asora+ taminy i Abia vadiny. Ary i Asora no rain’i* Tekoa.+ 25  Ny zanakalahin’i Jeramela lahimatoan’i Hezrona, dia i Rama, izay lahimatoany, Bona, Orena, Ozema, ary Ahia. 26  Nanana vady hafa i Jeramela. Atara no anarany, ary izy no renin’i Onama. 27  Ny zanakalahin’i Rama lahimatoan’i Jeramela, dia i Maza sy Jamina ary Ekera. 28  Ny zanakalahin’i Onama dia i Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin’i Samay dia i Nadaba sy Abisora. 29  Ny anaran’ny vadin’i Abisora dia Abihaila, izay niteraka an’i Abana sy Molida taminy. 30  Ny zanakalahin’i Nadaba dia i Saleda sy Apaima. Maty tsy niteraka anefa i Saleda. 31  Ny zanakalahin’i* Apaima dia i Jisy. Ny zanakalahin’i* Jisy dia i Sesana. Ary ny zanakalahin’i* Sesana dia i Ahelay. 32  Ny zanakalahin’i Jada rahalahin’i Samay dia i Jatera sy Jonatana. Maty tsy niteraka anefa i Jatera. 33  Ny zanakalahin’i Jonatana dia i Peleta sy Zaza. Ireo no taranak’i Jeramela. 34  Tsy nanana zanakalahy i Sesana, fa zanakavavy ihany. Ary nanana mpanompo ejipsianina atao hoe Jara izy. 35  Dia nomen’i Sesana ho vadin’i Jara mpanompony ny zanany vavy. Niteraka an’i Atahy tamin’i Jara izy io. 36  I Atahy niteraka an’i Natana, Natana niteraka an’i Zabada, 37  Zabada niteraka an’i Eflala, Eflala niteraka an’i Obeda, 38  Obeda niteraka an’i Jeho, Jeho niteraka an’i Azaria, 39  Azaria niteraka an’i Heleza, Heleza niteraka an’i Elasa, 40  Elasa niteraka an’i Sismay, Sismay niteraka an’i Saloma, 41  Saloma niteraka an’i Jekamia, ary Jekamia niteraka an’i Elisama. 42  Ny zanakalahin’i Kaleba*+ rahalahin’i Jeramela, dia i Mesa, izay lahimatoany sady rain’i Zifa. Anisany koa ny zanak’i Maresa rain’i Hebrona. 43  Ny zanakalahin’i Hebrona dia i Kora, Tapoa, Rekema, ary Sema. 44  I Sema niteraka an’i Rahama rain’i Jorkeama, ary Rekema niteraka an’i Samay. 45  Ny zanakalahin’i Samay dia i Maona, ary i Maona no rain’i Beti-zora.+ 46  Niteraka an’i Harana sy Moza ary Gazeza i Efaha vadikelin’i Kaleba. Ary i Harana niteraka an’i Gazeza. 47  Ny zanakalahin’i Jeday dia i Ragema, Jotama, Gesana, Peleta, Efaha, ary Safa. 48  Niteraka an’i Sabera sy Tirana i Maka vadikelin’i Kaleba, 49  ary tatỳ aoriana izy dia niteraka an’i Safa rain’i Madmana,+ sy Seva rain’i Makbena sy Gibea.+ Ary i Aksa+ no zanakavavin’i Kaleba.+ 50  Ireo no taranak’i Kaleba. Dia ireto avy ny zanakalahin’i Hora+ lahimatoan’i Efrata:+ I Sobala rain’i Kiriata-jearima,+ 51  Salma rain’i Betlehema,+ ary Harefa rain’i Beti-gadera. 52  Nanan-janakalahy i Sobala rain’i Kiriata-jearima, dia i Horea. I Sobala koa no razamben’ny antsasaky ny Menokota. 53  Ary ny fianakaviana tao Kiriata-jearima dia ny Jitrita,+ ny Potita, ny Somatita, ary ny Misraita. Avy tamin’ireo no niavian’ny Zoraita+ sy ny Estaolita.+ 54  Ny zanakalahin’i Salma dia i Betlehema,+ ny Netofatita, Atrota-beti-joaba, ny antsasaky ny Manahatita, ary ny Zorita. 55  Ary ny fianakavian’ny mpitan-tsoratra nipetraka tao Jabeza dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita+ avy tamin’i Hamata razamben’ny taranak’i Rekaba.+

Fanamarihana

Na: “olana.”
Midika hoe “Ilay Nahatonga Loza.” Antsoina koa hoe Akana ao amin’ny Js 7:1.
Abt: “Ireo zanakalahin’i.”
Abt: “Ireo zanakalahin’i.”
Antsoina koa hoe Kaleba eo amin’ny and. 18, 19, 42.
Antsoina koa hoe Kelobay eo amin’ny and. 9.
Na: “nanodidina azy.”
Mety ho anaran-toerana, fa tsy anaran’olona, ny anarana sasany ato amin’ity boky ity, ka mety hidika hoe “mpanorina an’i” ilay hoe “rain’i.”
Abt: “Ireo zanakalahin’i.”
Abt: “ireo zanakalahin’i.”
Abt: “Ireo zanakalahin’i.”
Antsoina koa hoe Kelobay eo amin’ny and. 9.