Tantara Voalohany 23:1-32

  • Nalamin’i Davida ny Levita (1-32)

    • Voatokana i Arona sy ny zanany lahy (13)

23  Rehefa antitra i Davida sady efa akaiky ho faty,* dia nataony mpanjakan’ny Israely i Solomona zanany.+  Novoriny daholo avy eo ny andrianan’ny Israely sy ny mpisorona+ ary ny Levita.+  Nisaina tsirairay àry ny Levita 30 taona no ho miakatra,+ ka 38 000 ny isan’izy ireo.  Mpanara-maso ny asa ao an-tranon’i Jehovah ny 24 000 tamin’ireo, mpifehy sy mpitsara ny 6 000,+  mpiandry vavahady+ ny 4 000, ary mpidera+ an’i Jehovah amin’ny zavamaneno ny 4 000. Ireo zavamaneno ireo ilay nolazain’i Davida hoe: “Namboariko hiderana an’Andriamanitra ireto.”  Dia nalamin’i* Davida ho fizarana maromaro+ izy ireo, arakaraka izay niaviany amin’ireto zanak’i Levy ireto: I Gersona sy Kehata ary Merary.+  I Ladana sy Simey no avy amin’ny Gersonita.  Ny zanak’i Ladana dia i Jehiela lohan’ny fianakaviambe sy Zetama ary Joela.+ Telo izy ireo.  Ny zanak’i Simey dia i Selomota sy Haziela ary Harana. Telo izy ireo. Ireo no lohan’ny fianakaviamben’i Ladana. 10  Ary ny zanak’i Simey dia i Jahata, Zina, Jeosy, ary Beria. Izy efa-dahy ireo no zanak’i Simey. 11  I Jahata no lohany, ary Ziza no faharoa. Tsy nanan-janakalahy firy anefa i Jeosy sy Beria, ka nisaina ho fianakaviambe iray ihany ary nomena andraikitra iray ihany. 12  Ny zanak’i Kehata dia i Amrama, Jizara,+ Hebrona, ary Oziela.+ Efatra izy ireo. 13  Ny zanak’i Amrama dia i Arona+ sy Mosesy.+ I Arona anefa no voatokana mandrakizay+ hanamasina ny Masina Indrindra. Izy sy ny taranany no voatokana mba hanao sorona eo anatrehan’i Jehovah, hanompo azy, ary hanao tsodrano amin’ny anarany foana.+ 14  Nisaina ho anisan’ny fokon’i Levy koa ny zanakalahin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra. 15  I Gersoma+ sy Eliezera+ no zanak’i Mosesy. 16  Ny avy amin’ny taranak’i Gersoma dia i Seboela+ no lohan’ny fianakaviambe. 17  Ny avy amin’ny taranak’i* Eliezera dia i Rehabia+ no lohan’ny fianakaviambe. Tsy nanan-janakalahy hafa intsony i Eliezera, fa be dia be kosa ny zanakalahin’i Rehabia. 18  Ny avy amin’ny taranak’i Jizara+ dia i Selomita+ no lohan’ny fianakaviambe. 19  Ny taranak’i Hebrona dia i Jeria no lohan’ny fianakaviambe, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama+ no fahefatra. 20  Ary ny taranak’i Oziela+ dia i Mika no lohan’ny fianakaviambe, ary Jisia no faharoa. 21  I Maly sy Mosy no zanak’i Merary.+ Ary ny zanak’i Maly dia i Eleazara sy Kisy. 22  Maty i Eleazara nefa tsy nitera-dahy fa vavy ihany. Nanambady an’ireo zazavavy ireo àry ny zanak’i Kisy havan’izy ireo.* 23  Ny zanak’i Mosy dia i Maly sy Edera ary Jeremota. Telo izy ireo. 24  Ireo no taranak’i Levy araka ny fianakaviambeny, araka ny lohan’ireo fianakaviambe. Voasoratra anarana izy ireo ary nisaina sy nalahatra araka ny anarany. Nanao ny asa fanompoana tao an-tranon’i Jehovah izy ireo, dia izay 20 taona no ho miakatra. 25  Fa hoy i Davida: “Nataon’i Jehovah Andriamanitry ny Israely milamina ny fiainan’ny vahoakany,+ ary hipetraka ao Jerosalema mandrakizay Izy.+ 26  Tsy hitondra ny tranolay intsony koa ny Levita, na hitondra an’izay fitaovana ampiasaina amin’ny fanompoana ao.”+ 27  Nisaina ny Levita 20 taona no ho miakatra, araka ny toromarika farany nomen’i Davida. 28  Nanampy ny taranak’i Arona+ tamin’ny fanompoana tao an-tranon’i Jehovah no asan’izy ireo. Ireto avy izany: Niandraikitra ny tokotany+ sy ny efitra fisakafoana, nanadio ny zava-masina rehetra, ary nanao ny asa rehetra ilaina amin’ny fanompoana ao an-tranon’ilay tena Andriamanitra. 29  Nanampy tamin’ny fikarakarana an’ireto koa izy ireo: Ny mofo mifanaingina,*+ ny lafarinina tsara toto atao fanatitra varimbazaha, ny mofo fisaka tsy misy lalivay,+ ny mofo atao anaty lasitra, ny koba mifangaro menaka,+ ary ny karazana vatomizana sy famarana rehetra. 30  Tsy maintsy tonga isa-maraina+ mba hisaotra sy hidera an’i Jehovah koa izy ireo, ary hoatr’izany koa amin’ny takariva.+ 31  Nanampy foana koa izy ireo rehefa natolotra ny sorona dorana ho an’i Jehovah amin’ny Sabata+ sy ny tsinam-bolana+ ary ny fotoanan’ny fety.+ Araka ny fitsipika momba an’ireny ny isan’ny nanaovan’izy ireo an’izany. Ary nanao an’izany foana teo anatrehan’i Jehovah izy ireo. 32  Dia nataon’izy ireo ny andraikiny momba ny tranolay fihaonana sy ny toerana masina. Nampian’izy ireo koa ny rahalahiny, dia ny taranak’i Arona nanompo tao amin’ny tranon’i Jehovah.

Fanamarihana

Abt: “efa voky andro.”
Na: “nozarain’i.”
Abt: “zanakalahin’i.”
Abt: “anadahin’izy ireo.”
Izany hoe ny mofo aseho.