Tantara Voalohany 24:1-31

  • Nalamin’i Davida ho fizarana 24 ny mpisorona (1-19)

  • Fanendrena ny Levita hafa (20-31)

24  Ireto avy ny fizarana nisy ny taranak’i Arona: Ny zanakalahin’i Arona dia i Nadaba, Abiho,+ Eleazara, ary Itamara.+  Maty talohan-drainy anefa i Nadaba sy Abiho,+ ary samy tsy nitera-dahy. I Eleazara+ sy Itamara kosa mbola mpisorona ihany.  Nizara azy ireo araka ny fanompoana hiandraiketany avy i Davida, sy Zadoka+ avy amin’ny taranak’i Eleazara, ary Ahimeleka avy amin’ny taranak’i Itamara.  Maro kokoa noho ny an’ny taranak’i Itamara anefa ny lohan’ireo fianakaviambe teo amin’ny taranak’i Eleazara. Nozaraina hoatr’izao àry izy ireo: Nisy 16 ny lohan’ny fianakaviamben’ny taranak’i Eleazara, ary 8 kosa ny an’ireo fianakaviamben’ny taranak’i Itamara.  Natao antsapaka+ ny taranak’i Eleazara sy ny taranak’i Itamara, satria avy amin’ireo antokony roa ireo ny mpiandraikitra ny toerana masina sy ireo lehibe nanompo an’ilay tena Andriamanitra.  Ary i Semaia zanak’i Netanela sady mpitan-tsoratry ny Levita, no nanoratra ny anaran’izy ireo teo anatrehan’ny mpanjaka, sy ny andriana, sy Zadoka+ mpisorona, sy Ahimeleka+ zanak’i Abiatara,+ sy ny lohan’ireo fianakaviamben’ny mpisorona, ary ny lohan’ireo fianakaviamben’ny Levita. Dia nisy fianakaviambe iray voafidy ho an’ny taranak’i Eleazara, ary iray koa ho an’ny taranak’i Itamara.  Rehefa natao ny antsapaka, dia i Joiariba no voalohany, Jedaia no faharoa,  Harima no fahatelo, Seorima no fahefatra,  Malkia no fahadimy, Miamina no fahenina, 10  Hakoza no fahafito, Abia+ no fahavalo, 11  Jesoa no fahasivy, Sekania no fahafolo, 12  Eliasiba no faha-11, Jakima no faha-12, 13  Hopa no faha-13, Jesebaba no faha-14, 14  Bilga no faha-15, Imera no faha-16, 15  Hezira no faha-17, Hafizeza no faha-18, 16  Petahia no faha-19, Jehezekela no faha-20, 17  Jakina no faha-21, Gamola no faha-22, 18  Delaia no faha-23, ary Mahazia no faha-24. 19  Hoatr’izany no nandaminana ny fanompoana niandraiketan’izy ireo+ rehefa nankao amin’ny tranon’i Jehovah izy ireo. Izany mantsy no fomba fiasa natoron’i Arona razambeny, araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitry ny Israely azy. 20  Ireto no sisa tavela tamin’ny Levita: I Sobaela+ no tamin’ny taranak’i Amrama,+ Jedaia no tamin’ny taranak’i Sobaela, 21  Jisia lohan’ny fianakaviambe no avy tamin’ny taranak’i Rehabia,+ 22  Selomota+ no tamin’ny taranak’i Jizara, Jahata no tamin’ny taranak’i Selomota, 23  ary tamin’ny taranak’i Hebrona dia i Jeria+ no lohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no fahefatra, 24  Mika no tamin’ny taranak’i Oziela, ary Samira no tamin’ny taranak’i Mika. 25  I Jisia no rahalahin’i Mika, ary Zakaria no tamin’ny taranak’i Jisia. 26  I Maly sy Mosy no zanakalahin’i Merary,+ ary Beno no avy tamin’ny taranak’i Jazia. 27  Ireto avy ny tamin’ny taranak’i Merary: I Beno, Sohama, Zakora, ary Ibry, izay avy tamin’i Jazia. 28  Ny avy tamin’i Maly dia i Eleazara, izay tsy nitera-dahy.+ 29  Ny avy tamin’ny taranak’i Kisy dia i Jeramela. 30  Ary ny zanakalahin’i Mosy dia i Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranak’i Levy, araka ny fianakaviambeny avy. 31  Ary nanao antsapaka+ hoatran’ireo rahalahiny taranak’i Arona koa izy ireo, teo anatrehan’i Davida Mpanjaka, sy Zadoka, sy Ahimeleka, sy ny lohan’ireo fianakaviamben’ny mpisorona, ary ny lohan’ireo fianakaviamben’ny Levita. Nitovy ihany ny nitondrana ny lohan’ireo fianakaviambe, na zokiny izy na zandriny.

Fanamarihana