Tantara Voalohany 26:1-32

  • Fizarana ny mpiandry vavahady (1-19)

  • Mpiandraikitra ny fitehirizana zava-tsarobidy sy mpitantan-draharaha (20-32)

26  Nozaraina hoatr’izao ny mpiandry vavahady:+ Ny avy tamin’ny Korahita dia i Meselemia+ zanak’i Kore, taranak’i Asafa.  Nanan-janakalahy i Meselemia: I Zakaria no lahimatoa, Jediaela no faharoa, Zebadia no fahatelo, Jatniela no fahefatra,  Elama no fahadimy, Johanana no fahenina, ary Eliho-enay no fahafito.  Ary nanan-janakalahy i Obeda-edoma: I Semaia no lahimatoa, Jozabada no faharoa, Joa no fahatelo, Sakara no fahefatra, Netanela no fahadimy,  Amiela no fahenina, Isakara no fahafito, ary Peoletahy no fahavalo. Notahin’Andriamanitra mantsy i Obeda-edoma.  Ary nanan-janakalahy i Semaia zanany. Samy lohan’ny fianakaviambeny izy ireo, satria lehilahy natanjaka sady nahay.  Ireto avy ny zanak’i Semaia: Otny, Refaela, Obeda, ary Elzabada. Samy lehilahy nahay koa i Eliho sy Semakia rahalahin’i Elzabada.  Taranak’i Obeda-edoma daholo izy ireo. Samy lehilahy nahay sy nahafeno fepetra hanao an’ilay fanompoana izy ireo sy ny zanak’izy ireo ary ny rahalahiny. Nisy 62 ny avy tamin’i Obeda-edoma.  Ary nanan-janakalahy sy rahalahy i Meselemia.+ Nisy 18 izy ireo, sady lehilahy nahay daholo. 10  Nanan-janakalahy i Hosa taranak’i Merary. I Simry no lohan’ny fianakaviambe, satria notendren’ny rainy ho lohany izy na dia tsy lahimatoa aza, 11  Hilkia no faharoa, Tebalia no fahatelo, ary Zakaria no fahefatra. Nisy 13 ny zanak’i Hosa sy ny rahalahiny rehetra. 12  Rehefa nozaraina hoatr’izany ny mpiandry vavahady, dia nahazo andraikitra hoatran’ny rahalahiny koa ny lohan’ny fianakaviambe, mba hanompo tao an-tranon’i Jehovah. 13  Nanaovana antsapaka+ àry na ny kely na ny lehibe, araka ny fianakaviambeny, mba hahafantarana an’izay vavahady hambenany. 14  Dia azon’i Selemia ny vavahady tany atsinanana. Ary rehefa natao ny antsapaka ho an’i Zakaria zanany, izay mpanolo-tsaina hendry, dia azony ny vavahady tany avaratra. 15  Azon’i Obeda-edoma ny tany atsimo, ary ny zanany lahy+ no notendrena hiandraikitra ny trano fitehirizana entana. 16  Azon’i Sopima sy Hosa+ kosa ny tany andrefana, teny akaikin’ny Vavahady Saleketa, teny amin’ny lalambe miakatra, ka nifanakaiky ireo antokona mpiambina. 17  Ary ny tany atsinanana dia Levita enina, ny tany avaratra efatra isan’andro, ny tany atsimo efatra isan’andro, ary tsiroaroa ny tany amin’ny trano fitehirizana entana.+ 18  Ary ho an’ny lala-mitafo tany andrefana dia efatra ny teo amin’ny lalambe,+ ary roa ny teo amin’ny lala-mitafo. 19  Ireo no avy tamin’ny taranaky ny Korahita sy ny Merarita, rehefa natao ny fizarana ny mpiandry vavahady. 20  Ary tamin’ny Levita dia i Ahia no niandraikitra ny fitehirizana ny zava-tsarobidy tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra sy ny zava-tsarobidy efa nohamasinina.*+ 21  Tamin’ny taranak’i Ladana, izany hoe ny taranaky ny Gersonita, dia i Jehiela,+ izay anisan’ny lohan’ireo fianakaviambe avy tamin’i Ladana, 22  sy ny zanak’i Jehiela, Zetama, ary Joela rahalahiny. Izy ireo no niandraikitra ny fitehirizana ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah.+ 23  Ny avy tamin’ny Amramita, ny Jizarita, ny Hebronita, ary ny Ozielita,+ 24  dia i Seboela taranak’i Gersoma zanak’i Mosesy no lehibe niandraikitra ny trano fitehirizana entana. 25  Ireto avy ny rahalahiny, taranak’i Eliezera:+ Rehabia,+ Jesaia, Jorama, Zikry, ary Selomota. 26  Io Selomota io sy ny rahalahiny no niandraikitra ny fitehirizana ny zava-tsarobidy rehetra efa nohamasinin’i+ Davida Mpanjaka,+ sy ny lohan’ireo fianakaviambe,+ sy ny lehiben’ny arivo, sy ny lehiben’ny zato, ary ny lehiben’ny tafika. 27  Nisy nohamasinin’izy ireo ny zavatra azo babo+ tany an’ady,+ mba hikojakojana ny tranon’i Jehovah. 28  Teo koa ny zava-drehetra nohamasinin’i Samoela mpahita,+ sy Saoly zanak’i Kisy, sy Abnera+ zanak’i Nera, ary Joaba+ zanak’i Zeroia.+ Nasaina nokarakarain’i Selomita sy ny rahalahiny ny zavatra rehetra nohamasinina. 29  Ny avy tamin’ny Jizarita,+ dia i Kenania sy ireo zanany no voatendry hiandraikitra ny tany ivelan’ny tranon’Andriamanitra, ka izy ireo no mpifehy sy mpitsara+ teo amin’ny Israely. 30  Ny avy tamin’ny Hebronita,+ dia i Hasabia sy ny rahalahiny no niandraikitra ny fitantanan-draharahan’ny Israely, tany amin’ny faritra andrefan’ny Reniranon’i Jordana. Niandraikitra ny asa rehetra ho an’i Jehovah sy ny mpanjaka àry izy ireo. Lehilahy mahay izy ireo, ary 1 700 ny isany. 31  Ny avy tamin’ny Hebronita dia i Jerija+ no lohan’ireo fianakaviana sy fianakaviamben’ny Hebronita. Tamin’ny taona faha-40 nanjakan’i Davida,+ dia notadiavina izay lehilahy matanjaka sady mahay teo amin’ny Hebronita, ka tany Jazera+ any Gileada no nahitana azy ireo. 32  Nisy 2 700 ny isan’ny rahalahin’i Jerija, dia lehilahy mahay sady lohan’ireo fianakaviambe. Notendren’i Davida Mpanjaka àry izy ireo mba hifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ka hiandraikitra ny raharaha rehetra momba an’ilay tena Andriamanitra sy ny mpanjaka.

Fanamarihana

Na: “ny zavatra voatokana.”