Tantara Voalohany 3:1-24

  • Taranak’i Davida (1-9)

  • Ireo mpanjaka taranak’i Davida (10-24)

3  Ireto avy ny zanakalahin’i Davida naterany tany Hebrona:+ I Amnona+ zanak’i Ahinoama+ Jezirelita no lahimatoa, Daniela zanak’i Abigaila+ Karmelita no faharoa,  Absaloma+ zanak’i Maka, zanakavavin’i Talmay mpanjakan’i Gesora no fahatelo, Adonia+ zanak’i Hagita no fahefatra,  Sefatia zanak’i Abitala no fahadimy, ary Jitreama no fahenina. Zanak’i Davida tamin’i Egla vadiny i Jitreama.  Ireo enina ireo no naterak’i Davida tao Hebrona. Nanjaka 7 taona sy tapany tao izy, fa 33 taona kosa tao Jerosalema.+  Ireto avy no naterany tany Jerosalema:+ Simea, Sobaba, Natana,+ ary Solomona.+ I Batseba+ zanakavavin’i Amiela no niteraka an’ireo efatra ireo.  Nanan-janakalahy sivy hafa izy, dia i Jibara, Elisama, Elifeleta,  Noga, Nafega, Jafia,  Elisama, Eliada, ary Elifeleta.  Izy rehetra ireo no zanakalahin’i Davida, ankoatra an’ireo zanaky ny vadikeliny. Ary i Tamara+ no anabavin’izy ireo. 10  I Solomona niteraka an’i Rehoboama,+ Rehoboama niteraka an’i Abia,+ Abia niteraka an’i Asa,+ Asa niteraka an’i Josafata,+ 11  Josafata niteraka an’i Jorama,+ Jorama niteraka an’i Ahazia,+ Ahazia niteraka an’i Joasy,+ 12  Joasy niteraka an’i Amazia,+ Amazia niteraka an’i Azaria,+ Azaria niteraka an’i Jotama,+ 13  Jotama niteraka an’i Ahaza,+ Ahaza niteraka an’i Hezekia,+ Hezekia niteraka an’i Manase,+ 14  Manase niteraka an’i Amona,+ ary Amona niteraka an’i Josia.+ 15  Ireto avy ny zanakalahin’i Josia: I Johanana no lahimatoa, Joiakima+ no faharoa, Zedekia+ no fahatelo, ary Saloma no fahefatra. 16  I Joiakima niteraka an’i Jekonia,+ ary Jekonia niteraka an’i Zedekia. 17  Ireto avy ny zanakalahin’i Jekonia tamin’izy nigadra: Sealtiela, 18  Malkirama, Pedaia, Senazara, Jekamia, Hosama, ary Nedabia. 19  Ny zanakalahin’i Pedaia dia i Zerobabela+ sy Simey. Ary ny zanakalahin’i Zerobabela dia i Mesolama sy Hanania. I Selomita no anabavin’izy ireo. 20  Nanan-janakalahy dimy hafa koa izy dia i Hasoba, Ohela, Berekia, Hasadia, ary Josaba-heseda. 21  Ny zanakalahin’i Hanania dia i Pelatia sy Jesaia. Ny zanakalahin’i* Jesaia dia i Refaia. Ny zanakalahin’i* Refaia dia i Arnana. Ny zanakalahin’i* Arnana dia i Obadia. Ary ny zanakalahin’i* Obadia dia i Sekania. 22  Ny zanakalahin’i Sekania dia i Semaia. Ary ny zanakalahin’i Semaia dia i Hatosy, Jigala, Baria, Nearia, ary Safata. Enina izy rehetra. 23  Ny zanakalahin’i Nearia dia i Elioenay sy Hizkia ary Azrikama. Telo izy ireo. 24  Ary ny zanakalahin’i Elioenay dia i Hodavia, Eliasiba, Pelaia, Akoba, Johanana, Delaia, ary Anany. Fito izy ireo.

Fanamarihana

Abt: “Ireo zanakalahin’i.”
Abt: “Ireo zanakalahin’i.”
Abt: “Ireo zanakalahin’i.”
Abt: “ireo zanakalahin’i.”