Tantara Voalohany 9:1-44

  • Ny Israelita tafaverina avy tany an-tsesitany (1-34)

  • Ny razamben’i Saoly sy ny taranany (naverina) (35-44)

9  Voasoratra tao amin’ny tetirazana daholo ny Israelita, sady voasoratra ao amin’ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely. Ary natao sesitany tany Babylona ny Joda, satria nivadika.+  Ary ny Israelita sasany sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny mpanompo tao amin’ny tempoly* no mponina voalohany tafaverina teo amin’ny taniny tao amin’ny tanànany.+  Nisy nipetraka tao Jerosalema ny taranak’i Joda+ sy Benjamina+ sy Efraima ary Manase. Ireto avy izy ireo:  Ny avy tamin’ny taranak’i Pereza+ zanak’i Joda dia i Otahy zanak’i Amihoda, zanak’i Omry, zanak’i Imry, zanak’i Bany.  Ary ny avy tamin’ny Silonita dia i Asaia sy ny zanany hafa, ary i Asaia no lahimatoa.  Ary ny avy tamin’ny taranak’i Zera,+ dia i Jeoela sy ny rahalahiny 690.  Ary ny avy tamin’ny taranak’i Benjamina dia i Salo zanak’i Mesolama, zanak’i Hodavia, zanak’i Hasenoa,  sy Jibnia zanak’i Jerohama, sy Elaha zanak’i Ozy, zanak’i Mikry, ary Mesolama zanak’i Sefatia, zanak’i Regoela, zanak’i Jibnia.  Ary 956 ny rahalahiny, araka ny voasoratra tao amin’ny tetirazana. Lohan’ny fianakaviambeny* daholo ireo lehilahy rehetra ireo. 10  Ary ny avy tamin’ny mpisorona dia i Jedaia, Joiariba, Jakina,+ 11  sy Azaria zanak’i Hilkia, zanak’i Mesolama, zanak’i Zadoka, zanak’i Meraiota, zanak’i Ahitoba mpitarika tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra, 12  sy Adaia, zanak’i Jerohama, zanak’i Pasora, zanak’i Malkia, sy Masay zanak’i Adiela, zanak’i Jazera, zanak’i Mesolama, zanak’i Mesilemita, zanak’i Imera, 13  ary ireo rahalahiny, samy lohan’ny fianakaviambeny, dia lehilahy matanjaka 1 760. Nahay tsara izy ireo sady afaka nanompo tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra. 14  Ary ny avy tamin’ny Levita dia i Semaia+ zanak’i Hasoba, zanak’i Azrikama, zanak’i Hasabia, avy tamin’ny taranak’i Merary, 15  sy Bakbakara, Haresy, Galala, sy Matania zanak’i Mika, zanak’i Zikry, zanak’i Asafa, 16  sy Obadia zanak’i Semaia, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona, ary Berekia zanak’i Asa, zanak’i Elkana. Nipetraka tany amin’ny tanàna kelin’ny Netofatita+ i Elkana. 17  Ny mpiandry vavahady+ dia i Saloma, Akoba, Talmona, ary Ahimana. I Saloma rahalahin’ireo no lohany. 18  Teo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka teo atsinanana izy talohan’izay.+ Ireo no mpiandry vavahadin’ny tobin’ny Levita. 19  Ary i Saloma zanak’i Kore, zanak’i Ebiasafa, zanak’i Kora, sy ireo rahalahiny anisan’ny fianakaviambeny, izany hoe ny Korahita, no niandraikitra ny asa fanompoana, sady mpiandry varavarana tao amin’ny tranolay. Niandraikitra ny tobin’i Jehovah koa ny razambeny, ka mpiambina teo amin’ny fidirana no asany. 20  I Finehasa+ zanak’i Eleazara+ no mpitarika teo amin’izy ireo taloha, ary nampian’i Jehovah izy. 21  I Zakaria+ zanak’i Meselemia no mpiandry vavahady teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. 22  Nisy 212 ny olona rehetra voafidy ho mpiandry vavahady teo amin’ny fidirana. Napetraka tany amin’ny tanàna keliny izy ireo, araka ny nanoratana azy tao amin’ny tetirazany.+ Notendren’i Davida sy Samoela mpahita+ hanao an’izany andraikitra izany izy ireo, satria mendri-pitokisana. 23  Ireo sy ny taranany no niandraikitra ny fiambenana ny vavahadin’ny tranon’i Jehovah,+ izany hoe ny tranolay. 24  Teo amin’ny lafiny efatra ireo mpiandry vavahady, izany hoe teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.+ 25  Indraindray dia tsy maintsy tonga mba hiaraka hanompo amin’izy ireo nandritra ny fito andro ny rahalahiny nipetraka teny amin’ny tanàna keliny. 26  Efa-dahy no lehiben’ny mpiandry vavahady* nanao an’ilay andraikitra. Levita izy ireo ary mendri-pitokisana, ka niandraikitra an’ireo efitrefitra* sy ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra.+ 27  Samy nijanona teny amin’ny toerany, nanodidina ny tranon’ilay tena Andriamanitra izy ireo nandritra ny alina, satria anjarany ny niambina. Andraikiny koa ny lakile, ka izy ireo no nanokatra an’ilay trano isa-maraina. 28  Ny sasany tamin’izy ireo indray niandraikitra ny fitaovana+ nampiasaina tamin’ny fanompoana. Nisainy ireny rehefa nampidiriny, ary nisainy koa rehefa navoakany. 29  Ny sasany kosa notendrena hiandraikitra ny fitaovana hafa sy ny fitaovana masina rehetra,+ ny lafarinina tsara toto,+ ny divay,+ ny menaka,+ ny ditin-kazo manitra,+ ary ny menaka balsama.+ 30  Ny sasany tamin’ny taranaky ny mpisorona indray nanamboatra menaka fanosotra vita tamin’ny balsama. 31  Ary i Matitia anisan’ny Levita, lahimatoan’i Saloma Korahita, no niandraikitra ny zavatra nandrahoina tao anaty vilia fisaka.+ Izany no andraikiny satria mendri-pitokisana izy. 32  Ary ny sasany tamin’ny taranaky ny Kehatita rahalahin’ireo kosa no niandraikitra ny mofo mifanaingina,*+ ka nanomana an’izany isaky ny sabata.+ 33  Ireo no mpihira sady lohan’ny fianakaviamben’ny Levita tao amin’ny efitrefitra.* Tsy nomena andraikitra hafa izy ireo, satria efa nanao ny andraikiny andro aman’alina. 34  Ireo no lohan’ny fianakaviamben’ny Levita, araka ny voasoratra tao amin’ny tetirazana. Ary nipetraka tao Jerosalema izy ireo. 35  Nipetraka tao Gibeona i Jeiela rain’i Gibeona,+ ary Maka no anaran’ny vadiny. 36  I Abdona no zanany lahimatoa, dia nanarakaraka azy i Zora, Kisy, Bala, Nera, Nadaba, 37  Gedora, Ahio, Zakaria, ary Miklota. 38  I Miklota niteraka an’i Simeama. Nipetraka teny akaikin’ny rahalahiny tao Jerosalema daholo izy ireo, niaraka tamin’ny rahalahiny hafa. 39  I Nera+ niteraka an’i Kisy, ary Kisy niteraka an’i Saoly,+ ary Saoly niteraka an’i Jonatana,+ Malkisoa,+ Abinadaba,+ ary Esbala. 40  Ary ny zanakalahin’i Jonatana dia i Meri-bala,+ ary i Meri-bala niteraka an’i Mika.+ 41  Ny zanakalahin’i Mika dia i Pitona, Meleka, Tarea, ary Ahaza. 42  I Ahaza niteraka an’i Jara, ary Jara niteraka an’i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry. I Zimry niteraka an’i Moza, 43  Moza niteraka an’i Binea, Binea niteraka an’i Refaia, Refaia niteraka an’i Elasa, ary Elasa niteraka an’i Azela. 44  Nanan-janakalahy enina i Azela ka ireto avy ny anarany: Azrikama, Bokero, Ismaela, Searia, Obadia, ary Hanana. Ireo no zanakalahin’i Azela.

Fanamarihana

Na: “ary ny Netinima.” Abt: “ary ireo nomena.”
Abt: “Lohan’ireo ray ho an’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy.”
Na: “tao an-tempolin’ilay.”
Na: “efitra fisakafoana.”
Abt: “mpiandry vavahady mahay.”
Izany hoe ny mofo aseho.
Na: “efitra fisakafoana.”