Timoty Voalohany 1:1-20
1 Avy amin’i Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy, araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika sy Kristy Jesosy fanantenantsika.+
2 Ho an’i Timoty,*+ tena zanako+ ao amin’ny finoana,
Enga anie ilay Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika mba haneho hatsaram-panahy miavaka* sy famindram-po aminao, ary hanome anao fiadanana!
3 Nangataka anao hijanona tany Efesosy aho, taloha kelin’ny hankanesako atỳ Makedonia. Ary mbola mangataka anao hijanona any aho izao, amin’izay ianao afaka mandrara ny sasany tsy hampianatra zavatra hafa,
4 na hihaino tantara tsy marina,+ na handinika tetirazana.* Tsy misy ilana azy izany+ satria mahatonga ny olona hanombantombana fotsiny, fa tsy hahazoana an’izay omen’Andriamanitra hanatanjahana finoana.
5 Ny zava-kendren’izany toromarika* izany, dia ny hahatonga antsika hanana fitiavana+ avy amin’ny fo madio sy feon’ny fieritreretana madio ary finoana+ tsy mihatsaravelatsihy.
6 Niala tamin’izany ny sasany ka lasa nanao resadresaka tsy misy fotony.+
7 Te ho mpampianatra+ lalàna izy ireo, nefa tsy azony akory ny dikan’izay lazainy na izay izingizininy mafy.
8 Fantatsika fa tsara ny Lalàna, raha ampiharina araka ny tokony ho izy.
9 Haintsika mantsy hoe tsy natao ho an’ny olo-marina ny lalàna, fa ho an’ny olona mpandika lalàna+ sy mpikomy, tsy matahotra an’Andriamanitra sy mpanota, mpivadika* sy mpanazimbazimba zava-masina, mpamono ray sy mpamono reny, mpamono olona,
10 mpijangajanga,* lehilahy miray amin’ny lehilahy,* mpaka olona an-keriny, mpandainga, mpivadika amin’ny fianianany,* ary ho an’izay manao zavatra hafa mifanohitra amin’ny fampianarana mahasoa.*+
11 Izany fampianarana izany dia mifanaraka amin’ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra falifaly.* Ary nankininy tamiko izany vaovao tsara izany.+
12 Izaho dia mankasitraka an’i Kristy Jesosy Tompontsika izay nanome hery ahy, satria hitany hoe mendri-pitokisana aho ka notendreny hanao fanompoana,+
13 na dia mpanevateva an’Andriamanitra aza aho taloha, sady mpanenjika no mpanambany olona.+ Namindrany fo anefa aho satria noho ny tsy fahalalako sy ny tsy finoako no nanaovako an’izany.
14 Fa nanehoan’ny Tompontsika hatsaram-panahy miavaka be dia be aho, ary nahazo finoana sy fitiavana avy amin’i Kristy Jesosy.
15 Tena azo atokisana sy tokony hekena tanteraka izao teny izao: Tonga teto amin’izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota,+ ary izaho no lohany amin’ireny.+
16 Namindrana fo anefa aho mba ho amin’ny alalako, izay tena mpanota be, no hampisehoan’i Kristy Jesosy hoe manam-paharetana be izy. Izaho no nataony ohatra ho an’izay olona hino azy mba hahazoana fiainana mandrakizay.+
17 Ho an’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay,+ izay tsy mety lo+ sady tsy hita maso,+ dia ilay Andriamanitra tokana+ anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena.
18 Ankiniko aminao izany toromarika* izany, ry Timoty zanako, araka ny faminaniana nolazaina momba anao, mba ho ireny faminaniana ireny no hoentinao manohy ny ady tsara.+
19 Miezaha foana koa hanana finoana sy feon’ny fieritreretana madio,+ izay efa narian’ny sasany ka lasa rendrika toy ny sambo ny finoan’izy ireo.
20 Anisan’izy ireny i Hymeneo+ sy Aleksandra. Efa natolotro an’i Satana+ izy ireo, amin’izay ny famaizana azon’izy ireo hampianatra azy ireo tsy hanevateva an’Andriamanitra.
Fanamarihana
^ Midika hoe “Ilay Manome Voninahitra An’Andriamanitra.”
^ Na: “tetiarana.”
^ Na: “didy.”
^ Na: “tsy manam-pitiavana sy mivadika.”
^ Na: “marina; tsara.”
^ Na: “mianiana lainga.”
^ Na: “lehilahy manao firaisana amin’ny lehilahy.”
^ Jereo F.T. “Fijangajangana.”
^ Na: “sambatra.”
^ Na: “didy.”