Korintianina Faharoa 13:1-14

  • Fampitandremana farany sy fandrisihana (1-14)

    • “Miezaha handini-tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo” (5)

    • Hanitsy izay tokony hahitsy; hifanara-tsaina (11)

13  Fanintelony aho izao no ho any aminareo. “Tenin’ny* vavolombelona roa na telo no ilaina vao azo antoka hoe mitombina ny zava-drehetra.”+  Na dia tsy any aminareo aza aho izao, dia ataovy toy ny hoe tonga any aminareo fanindroany. Ary efa ampitandremako mialoha ireo nanota teo aloha sy ny olon-kafa rehetra fa tsy hitsitsitsitsy an-dry zareo aho, raha tonga any indray.  Mitady porofo mantsy ianareo hoe miteny amin’ny alalako tokoa ve i Kristy, izay tsy malemy rehefa manao zavatra eo aminareo fa mampiseho ny heriny eo aminareo kosa.  Fa novonoina teo amin’ny tsato-kazo tokoa izy tamin’izy nalemy, nefa velona kosa izy izao noho ny herin’Andriamanitra.+ Marina koa fa malemy hoatr’azy izahay, nefa ho velona hiaraka aminy izahay+ noho ny herin’Andriamanitra miasa aminareo.+  Miezaha handini-tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary fantaro tsara* foana hoe manao ahoana ny tenanareo.+ Sa ianareo tsy manaiky hoe tafaray aminareo i Jesosy Kristy? Tokony hekenareo izany, raha tsy hoe tsy ankasitrahana angaha ianareo.  Tena manantena aho fa hekenareo hoe olona ankasitrahana izahay.  Mivavaka amin’Andriamanitra izahay mba tsy hanao ratsy ianareo. Tsy hoe te hahazo sitraka amin’olona akory izahay amin’izany, fa tianay hanao ny tsara kosa ianareo, na dia hoatran’ny hoe tsy ankasitrahana aza izahay.  Fa tsy mahavita na inona na inona hanoherana ny fahamarinana izahay, fa ny hampandrosoana ny fahamarinana ihany.  Tena faly izahay raha malemy, fa ianareo kosa mahery. Ary mivavaka izahay mba hanitsy an’izay tokony hahitsy ianareo. 10  Izany no antony anoratako an’ireo zavatra ireo aminareo, dieny mbola tsy any aminareo aho. Amin’izay rehefa eo aho, dia tsy voatery ho hentitra be rehefa mampihatra ny fahefana nomen’ny Tompo ahy,+ ka hampahery* fa tsy hanasazy.* 11  Farany, ry rahalahy, miezaha foana hifaly, hanitsy izay tokony hahitsy, handray fampiononana,+ hifanara-tsaina,+ ary hihavana tsara.+ Hitahy anareo anie ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana!*+ 12  Mifampiarahabà amin’ny oroka masina. 13  Mampamangy, hono, ianareo, hoy ny olona masina rehetra. 14  Enga anie ianareo hanehoan’i Jesosy Kristy Tompo hatsaram-panahy miavaka sy hanehoan’Andriamanitra ny fitiavany, ary enga anie ianareo samy handray soa amin’ny fanahy masina!

Fanamarihana

Abt: “Vavan’ny.”
Na: “ary sedrao.”
Na: “hanorina.”
Na: “tsy handrava.”
Na: “filaminana; fihavanana.”