Mpanjaka Faharoa 12:1-21
12 Tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Jeho+ no lasa mpanjaka i Joasy,+ ary nanjaka 40 taona tany Jerosalema izy. Zibia no anaran-dreniny, ary avy any Beri-sheba+ izy io.
2 Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah foana i Joasy, tamin’ny andro rehetra nampianaran’i Joiada mpisorona azy.
3 Tsy nesorina anefa ny toerana avo,+ ary mbola nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny ihany ny vahoaka.
4 Hoy i Joasy tamin’ny mpisorona: “Alaivo daholo ny vola rehetra ho an’ny fanatitra masina+ izay entina ao an-tranon’i Jehovah, izany hoe ny vola tsy maintsy aloan’ny tsirairay,+ sy ny vola omen’ny olona nanao voady, ary ny vola rehetra entin’ny tsirairay an-tsitrapo ao an-tranon’i Jehovah.+
5 Ny mpisorona no haka an’ilay vola avy amin’ireo mpanao fanomezana,* dia hampiasa an’izany mba hanamboarana an’izay rehetra simba* amin’ilay trano.”+
6 Mbola tsy namboarin’ireo mpisorona ihany anefa ny simba tamin’ilay trano,+ tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Joasy Mpanjaka.
7 Nantsoin’i Joasy Mpanjaka àry i Joiada+ mpisorona sy ireo mpisorona hafa, ka nanontaniany hoe: “Fa maninona no tsy amboarinareo ny simba amin’ilay trano? Aza alaina intsony ny vola avy amin’ireo mpanao fanomezana, raha tsy hanamboarana an’ilay trano+ ilay izy.”
8 Dia nanaiky tsy haka vola amin’ny olona intsony ny mpisorona, sady nanaiky hoe tsy hiandraikitra ny fanamboarana an’ilay trano.
9 Naka vata+ i Joiada mpisorona avy eo, ka nolavahany ny sarony. Dia napetrany teo akaikin’ny alitara ilay vata, izany hoe teo ankavanana amin’ny fidirana tao an-tranon’i Jehovah. Tao no napetraky ny mpisorona mpiandry varavarana ny vola rehetra nentina tao an-tranon’i Jehovah.+
10 Isaky ny hitan’izy ireo fa be dia be ny vola tao amin’ilay vata, dia niakatra ny mpitan-tsoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nanangona* sy nanisa an’izay vola nentina tao an-tranon’i Jehovah.+
11 Nomen’izy ireo an’ireo voatendry hiandraikitra an’ilay asa tao an-tranon’i Jehovah ny vola efa voaisa. Izy ireny indray avy eo no nandoa ny karaman’ny mpandrafitra sy ny mpanao trano, izay niasa tao an-tranon’i Jehovah,+
12 ary ny karaman’ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato. Nividy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba tamin’ny tranon’i Jehovah koa izy ireo, ary nampiasa an’ilay vola mba handoavana ny zavatra hafa rehetra nilaina hanamboarana an’ilay trano.
13 Ny vola nentina tao an-tranon’i Jehovah anefa, dia tsy nisy nampiasaina mba hanaovana kovetabe volafotsy, na famonoan-jiro, na vilia baolina, na trompetra,+ na zavatra vita tamin’ny volamena na volafotsy hatao ao an-tranon’i Jehovah.+
14 Nomena an’ireo mpiasa fotsiny ilay vola, ka nanamboaran’izy ireo an’izay simba tamin’ny tranon’i Jehovah.
15 Tsy nohadihadina ireo lehilahy notolorana an’ilay vola homena ny mpiasa, satria mendri-pitokisana izy ireo.+
16 Tsy nentina tao an-tranon’i Jehovah kosa ny vola ho an’ny fanatitra noho ny heloka,+ sy ny vola ho an’ny fanatitra noho ny ota. An’ny mpisorona+ mantsy izany.
17 Tamin’izay no niakatra hiady tamin’i Gata+ i Hazaela+ mpanjakan’i Syria, ka azony ilay tanàna. Nanapa-kevitra ny hanafika* an’i Jerosalema+ izy taorian’izay.
18 Dia nalain’i Joasy mpanjakan’ny Joda ny fanatitra masina rehetra nohamasinin’ny mpanjakan’ny Joda, dia i Josafata sy Jorama ary Ahazia razambeny. Nalainy koa ny fanatitra masina natolony, sy ny volamena rehetra tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka. Dia nalefany tany amin’i Hazaela mpanjakan’i Syria+ izany. Tsy namely an’i Jerosalema indray àry i Hazaela.
19 Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve ny sisa amin’ny tantaran’i Joasy, izany hoe izay rehetra nataony?
20 Niray tetika hamely an’i Joasy anefa ny mpanompony,+ ka namono azy tao amin’ilay trano teo amin’ny Havoana,*+ teo amin’ny lalana midina ho any Sila.
21 I Jozakara zanak’i Simata sy Jozabada zanak’i Somera, ireo mpanompony namono azy ho faty.+ Dia nalevina tao amin’izay nisy ny razambeny tao amin’ny Tanànan’i Davida izy. Ary i Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.+
Fanamarihana
^ Na: “olom-pantany.”
^ Na: “triatra.”
^ Na: “nanao tao anaty kitapo.” Abt: “namatotra.”
^ Abt: “Nampitodika ny tavany hiakatra hamely.”
^ Na: “an-dapan’ny.”
^ Na: “tao Beti-milo.”