Mpanjaka Faharoa 16:1-20

  • Ahaza, mpanjakan’ny Joda (1-6)

  • Nanao kolikoly tamin’ny Asyrianina i Ahaza (7-9)

  • Naka tahaka alitaran’ny mpanompo sampy i Ahaza (10-18)

  • Maty i Ahaza (19, 20)

16  Tamin’ny taona faha-17 nanjakan’i Peka zanak’i Remalia, no lasa mpanjaka i Ahaza+ zanak’i Jotama mpanjakan’ny Joda.  Ary 20 taona i Ahaza tamin’izy lasa mpanjaka, ary nanjaka 16 taona tany Jerosalema izy. Tsy nanao izay tsara teo imason’i Jehovah Andriamaniny izy, tsy mba hoatran’i Davida razambeny.+  Nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely+ kosa izy. Nandoro ny zanany tao anaty afo+ mihitsy aza izy, ka nanao an’ireo zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena+ efa noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny Israelita.  Mbola nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka koa izy, teny amin’ny toerana avo+ sy ny havoana ary teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra.+  Tamin’izay i Rezina mpanjakan’i Syria sy Peka zanak’i Remalia mpanjakan’ny Israely, no niakatra hiady tamin’i Jerosalema.+ Nanao fahirano an’io tanàna nisy an’i Ahaza io izy ireo, saingy tsy vitan’izy ireo ny nandresy azy.  Tamin’izany fotoana izany i Rezina mpanjakan’i Syria no namerina an’i Elata+ tamin’i Edoma. Dia noroahiny hiala tany Elata ny Jiosy.* Ary niditra tany Elata ny Edomita, ka mipetraka any hatramin’izao.  Naniraka olona nankany amin’i Tiglato-pilesera+ mpanjakan’i Asyria àry i Ahaza, mba hilaza hoe: “Mpanomponao aho sady zanakao. Koa miakara hamonjy ahy amin’ny mpanjakan’i Syria sy ny mpanjakan’ny Israely, fa manafika ahy ry zareo.”  Dia nalain’i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena tao an-tranon’i Jehovah sy tao amin’ireo fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’ny* mpanjaka, ka nalefany tany amin’ny mpanjakan’i Asyria mba hatao kolikoly.+  Nanaiky ny fangatahany ny mpanjakan’i Asyria, ka niakatra hamely an’i Damaskosy ary naka azy io. Nataony sesitany tany Kira+ ny vahoaka tao, ary novonoiny ho faty i Rezina.+ 10  Dia nandeha nitsena an’i Tiglato-pilesera mpanjakan’i Asyria tany Damaskosy i Ahaza Mpanjaka. Rehefa nahita an’ilay alitara tany Damaskosy izy, dia nalefany tany amin’i Oria mpisorona ny planin’ilay alitara. Hita tao ny tsipiriany momba an’ilay izy sy ny fomba nanaovana azy.+ 11  Nanorina alitara+ àry i Oria+ mpisorona, araka ny toromarika rehetra nalefan’i Ahaza Mpanjaka avy tany Damaskosy. Ary vitan’i Oria ilay izy, talohan’ny niverenan’i Ahaza Mpanjaka avy tany. 12  Rehefa tafaverina avy tany Damaskosy ny mpanjaka ka nahita an’ilay alitara, dia nankeo izy ka nanolotra fanatitra teo amboniny.+ 13  Ary nodorany mba hidona-tsetroka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha natolony. Nandraraka fanatitra zava-pisotro koa izy, ary nafafiny teo ambonin’ilay alitara ny ran’ny sorona iombonana natolony. 14  Dia nafindrany nankeo avaratry ny alitarany ilay alitara varahina+ teo anatrehan’i Jehovah, izay teo anoloan’ilay trano, teo anelanelan’ny alitarany sy ny tranon’i Jehovah. 15  Nanome baiko an’i Oria+ mpisorona i Ahaza Mpanjaka hoe: “Dory mba hidona-tsetroka eo ambonin’ilay alitara lehibe+ ny fanatitra dorana amin’ny maraina, ny fanatitra varimbazaha amin’ny takariva,+ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha avy amin’ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny fanatitra zava-pisotro avy amin’ny vahoaka manontolo. Ary afafazo eo ambonin’io alitara io ny ra rehetra avy amin’ny fanatitra dorana sy avy amin’ny sorona hafa. Fa ho hitako eo ihany izay hanaovana an’ilay alitara varahina.” 16  Dia nataon’i Oria mpisorona izay rehetra nasain’i Ahaza Mpanjaka nataony.+ 17  Ary notapatapahin’i Ahaza Mpanjaka ireo takelaka tamin’ireo kalesin’ny tempoly,+ ary nesoriny teo ambonin’ireo kalesy ny kovetabe.+ Nampidininy avy teo ambonin’ireo omby varahina koa ilay fitoeran-drano lehibe nantsoina hoe Ranomasina,+ ka napetrany teo amin’ny tokotany vato.+ 18  Ary nesorin’i Ahaza ny toerana mitafo fampiasa amin’ny Sabata, izay tao amin’ny tranon’i Jehovah, sy ny varavarana ivelany fidiran’ny mpanjaka mankao amin’ilay trano. Noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria no nanaovany an’izany. 19  Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve ny sisa amin’ny tantaran’i Ahaza, izany hoe izay nataony?+ 20  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Ahaza, ka nalevina tao amin’izay nandevenana azy ireo tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ary i Hezekia*+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

Na: “ny fokon’i Joda.”
Na: “an-dapan’ny.”
Midika hoe “Manatanjaka i Jehovah.”