Mpanjaka Faharoa 4:1-44

  • Nampitomboin’i Elisa ny menaky ny vehivavy iray mpitondratena (1-7)

  • Vehivavy sonemita tia nandray vahiny (8-16)

  • Nahazo zanaka lahy ilay vehivavy ho valisoany; maty ilay zaza (17-31)

  • Natsangan’i Elisa tamin’ny maty ilay zazalahy (32-37)

  • Nataon’i Elisa azo nohanina ilay lasopy (38-41)

  • Nampitomboin’i Elisa ireo mofo (42-44)

4  Ary nisy vehivavy iray vadin’ny zanaky ny mpaminany,+ tonga nitaraina tamin’i Elisa hoe: “Maty ny vadiko, izay mpanomponao, ary fantatrao tsara fa natahotra an’i Jehovah foana+ izy. Tonga anefa izao ny tompon-trosa haka ny zanako roa lahy ho andevony.” 2  Dia hoy i Elisa taminy: “Inona àry no azoko atao ho anao? Lazao ahy izay anananao ao an-trano.” Dia namaly ilay vehivavy hoe: “Tsy misy na inona na inona ao an-tranon’ny mpanomponao, afa-tsy siny* iray fasiana menaka.”+ 3  Hoy àry i Elisa: “Mankanesa any amin’ny mpiray tanàna aminao rehetra, dia mangataha siny tsy misy na inona na inona. Manangòna betsaka araka izay azonao atao. 4  Dia midira ao an-trano ianao sy ny zanakao, ary hidio ny varavarana. Fenoy menaka daholo ireo siny, ka atokàny izay feno.” 5  Koa lasa nandeha ilay vehivavy. Rehefa nihidy tao an-trano izy sy ny zanany mirahalahy, dia izy roa lahy no nanome azy an’ireo siny, fa izy kosa nandraraka menaka tao anatiny.+ 6  Rehefa feno ireo siny, dia hoy izy tamin’ilay zanany anankiray: “Itondray siny hafa aho.”+ Hoy anefa ilay zanany: “Tsisy intsony.” Dia tsy nisy menaka niraraka intsony koa.+ 7  Nandeha nilaza an’izany tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra àry ilay vehivavy. Dia hoy ilay lehilahin’Andriamanitra: “Mandehana amidio ilay menaka, dia aloavy ny trosanao. Ny ambiny kosa azonao sy ny zanakao ivelomana.” 8  Nankany Sonema+ i Elisa, indray andro. Nisy vehivavy nanan-kaja tao, ary tsy namelany mihitsy i Elisa raha tsy nisakafo tao aminy.+ Nivily mba hisakafo tao àry i Elisa isaky ny nandalo. 9  Dia niteny tamin’ny vadiny ilay vehivavy hoe: “Fantatro fa olo-masin’Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika iny. 10  Andao mba hanao efitra kely ao an-tampon-trano,+ dia hasiantsika fandriana, sy latabatra, sy seza, ary fitoeran-jiro ao hampiasainy. Amin’izay mba afaka mipetraka ao izy isaky ny tonga eto amintsika.”+ 11  Tonga tany i Elisa, indray andro. Dia nankao amin’ilay efitra tany an-tampon-trano izy mba hatory. 12  Ary hoy izy tamin’i Gehazy+ mpanompony: “Antsoy ilay vehivavy sonemita.”+ Dia nantsoiny ilay vehivavy, ka tonga tao aminy. 13  Ary hoy i Elisa tamin’i Gehazy: “Lazao aminy, azafady, hoe: ‘Nisahirana be ianao nikarakara anay.+ Koa inona no mba azoko atao ho anao?+ Misy zavatra tianao horesahiko amin’ny mpanjaka+ na amin’ny lehiben’ny tafika ve?’” Namaly anefa ilay vehivavy hoe: “Tsisy ka! Izaho ange eto amin’ny havako ihany e!” 14  Hoy àry i Elisa: “Inona izany no azo atao ho azy?” Dia niteny i Gehazy hoe: “Tsy manan-janaka lahy izy,+ sady efa antitra ny vadiny.” 15  Tonga dia hoy i Elisa: “Antsoy àry izy.” Dia nantsoiny ilay vehivavy, ka nijoro teo am-baravarana. 16  Ary niteny taminy i Elisa hoe: “Hitrotro zanakalahy ianao amin’ny herintaona hoatr’izao.”+ Hoy anefa ilay vehivavy: “Aiza koa no hisy an’izany, tompoko ô! Aza dia mandainga amin’ny mpanomponao re, ry lehilahin’Andriamanitra ô!” 17  Bevohoka tokoa anefa ilay vehivavy, ka tera-dahy rehefa afaka herintaona, araka ny tenin’i Elisa taminy. 18  Dia nihalehibe ilay zaza. Nankany amin-drainy tany amin’ireo mpijinja izy, indray andro. 19  Hoy foana izy tamin-drainy: “Marary be ny lohako! Marary be ny lohako!” Dia hoy ny rainy tamin’ny mpanompo: “Ento any amin’ny reniny izy.” 20  Nentin’ilay mpanompo niverina tany amin-dreniny àry ilay zazalahy. Dia nampofoin-dreniny izy mandra-pitataovovonan’ny andro, ary maty avy eo.+ 21  Koa nentiny niakatra ilay zaza, ka nampatoriny teo amin’ny fandrianan’ilay lehilahin’Andriamanitra.+ Dia nakatony ny varavarana ary lasa izy. 22  Ary nantsoiny ny vadiny, ka nilazany hoe: “Mba andefaso mpanompo iray sy ampondra iray aho, azafady. Ary avelao aho handeha haingana ho any amin’ilay lehilahin’Andriamanitra, dia hiverina.” 23  Hoy anefa ny vadiny: “Fa misy inona no hankany aminy ianao androany, nefa sady tsy tsinam-bolana+ no tsy sabata ny andro?” Ary hoy ilay vehivavy: “Tsy misy na inona na inona ka!” 24  Nasiany lasely àry ilay ampondra, ary hoy izy tamin’ny mpanompony: “Mandehana haingana! Aza mandeha miadana satria hoe manahy noho ny amiko ianao, raha tsy hoe izaho angaha no miteny anao.” 25  Dia nankany amin’ilay lehilahin’Andriamanitra tany amin’ny Tendrombohitra Karmela izy. Raha vao nahatazana azy ilay lehilahin’Andriamanitra, dia niteny tamin’i Gehazy mpanompony hoe: “Iny ilay vehivavy sonemita! 26  Mba mandehana mihazakazaka mitsena azy, dia anontanio izy hoe: ‘Salama ve ianao? Salama ve ny vadinao? Ary ilay zaza?’” Dia hoy ilay vehivavy: “Salama daholo izahay!” 27  Raha vao tonga teo amin’ilay lehilahin’Andriamanitra teo an-tendrombohitra izy, dia notazoniny ny tongotr’ilay lehilahy.+ Dia nanatona i Gehazy mba hanala azy, nefa hoy ilay lehilahin’Andriamanitra: “Avelao izy fa mafy ny manjo azy, saingy nafenin’i Jehovah tamiko izany fa tsy nampahafantariny ahy.” 28  Dia hoy ilay vehivavy: “Izaho angaha nangataka zanakalahy tamin’ny tompoko? Tsy efa niteny moa aho hoe: ‘Aza mampanantena tsy misy’?”+ 29  Avy hatrany, dia hoy i Elisa tamin’i Gehazy: “Sikino ny akanjonao,+ dia raiso ny tehiko, ary mandehana. Raha mifanena amin’olona ianao, dia aza miarahaba azy. Ary raha misy miarahaba anao, dia aza mamaly. Mandehana apetraho eo amin’ny tarehin’ilay zazalahy ny tehiko.” 30  Dia hoy ny renin’ilay zazalahy: “Raha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsy hiala eto aho raha tsy miaraka amiko ianao.”+ Koa nitsangana i Elisa, ary lasa niaraka taminy. 31  Ary nialoha lalana azy ireo i Gehazy, ka nametraka an’ilay tehina teo amin’ny tarehin’ilay zazalahy. Sady tsy namoaka feo anefa ilay zaza no tsy nihetsika.+ Dia niverina nitsena an’i Elisa izy, ka nilaza hoe: “Tsy nifoha ilay zazalahy.” 32  Tamin’i Elisa tonga tao amin’ilay trano, dia efa natsotra teo am-pandrianan’i Elisa ilay zaza maty.+ 33  Niditra izy ka nihidy tao an-trano niaraka tamin’ilay zaza, dia nivavaka tamin’i Jehovah.+ 34  Niakatra teo amin’ilay fandriana izy avy eo, ary nitsotra teo ambonin’ilay zaza, ka nataony teo amin’ny vavan’ilay zaza ny vavany, teo amin’ny masony ny masony, ary teo amin’ny felatanany ny felatanany. Dia niondrika teo amboniny elaela izy, ka nihanafana ny vatan’ilay zaza.+ 35  Ary nivezivezy kely tao an-trano izy, dia niakatra teo amin’ilay fandriana ka niondrika teo ambonin’ilay zaza indray. Dia nievina impito ilay zazalahy, ary nihiratra avy eo.+ 36  Ary nantsoin’i Elisa i Gehazy, ka nilazany hoe: “Antsoy ilay vehivavy sonemita.” Dia nantsoiny ilay vehivavy. Rehefa tonga tao aminy izy, dia hoy i Elisa: “Raiso ny zanakao.”+ 37  Dia niditra ilay vehivavy, ka nandohalika teo an-tongotr’i Elisa ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany. Noraisiny ilay zanany avy eo, ary lasa izy. 38  Dia niverina tany Gilgala i Elisa. Nisy mosary tany tamin’izay.+ Ary nipetraka teo anatrehany ireo zanaky ny mpaminany,+ ka hoy izy tamin’ny mpanompony:+ “Ataingeno ilay vilanibe, ka manaova lasopy ho an’ny zanaky ny mpaminany.” 39  Nankany an-tsaha àry ny iray tamin’izy ireo mba hitsongo anana.* Dia nahita voantangomboalavo naniry izy ka nioty ny voany, ary nahangona eran’ny akanjony. Dia niverina izy, ary notetitetehiny ilay izy ka narotsany tao anatin’ilay vilanin-dasopy. Tsy fantany akory anefa hoe inona ilay izy. 40  Nandoarana avy eo ilay lasopy mba hohanin’ny olona. Raha vao nihinana anefa izy ireo, dia nikiakiaka hoe: “Misy zavatra mahafaty ao am-bilany, ry lehilahin’Andriamanitra ô!” Tsy nahavita nihinana an’ilay izy àry izy ireo. 41  Dia hoy i Elisa: “Akao lafarinina aho.” Ary narotsany tao am-bilany izany, dia hoy izy: “Andoary amin’io amin’izay ny olona.” Dia tsy nampaninona intsony ilay lasopy tao am-bilany.+ 42  Nisy lehilahy iray avy any Bala-salisa,+ nitondra mofo 20 vita tamin’ny vary orza+ voaloham-bokatra. Nitondra voa vaovao+ iray kitapo koa izy. Nentiny ho an’ilay lehilahin’Andriamanitra ireo. Dia hoy i Elisa: “Omeo hohanin’ny olona ireo.” 43  Hoy anefa ny mpanompony: “Ireo ve dia ho ampy ho an’olona 100?”+ Dia hoy i Elisa: “Omeo hohanin’ny olona ireo, fa izao no lazain’i Jehovah: ‘Hihinana ny olona, ary hisy sisa tsy lany.’”+ 44  Dia narosony azy ireo izany, ka nihinana izy ireo ary nisy sisa tsy lany,+ araka ny tenin’i Jehovah.

Fanamarihana

Na: “jaogy.”
Na: “fiandrilavenona.”