Mpanjaka Faharoa 9:1-37

  • Nohosorana ho mpanjakan’ny Israely i Jeho (1-13)

  • Novonoin’i Jeho i Jorama sy Ahazia (14-29)

  • Novonoina i Jezebela; nohanin’ny alika ny nofony (30-37)

9  Nantsoin’i Elisa mpaminany ny iray tamin’ireo zanaky ny mpaminany, ka nilazany hoe: “Sikino ny akanjonao, ary ento haingana ity jaogy kely misy menaka ity, dia mandehana any Ramota-gileada.+  Rehefa tonga any ianao, dia tadiavo i Jeho+ zanak’i Josafata zanak’i Nimsy. Ary mankanesa ao aminy, ka antsoy hiala kely eo amin’ireo rahalahiny izy, ary ento ao amin’ny efitra anatiny indrindra.  Dia raiso ilay jaogy kely misy menaka, ka araraho eo amin’ny lohany ny menaka, ary milazà hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Hosorako ho mpanjakan’ny Israely ianao.”’+ Dia vohay ny varavarana, ka mandosira haingana.”  Nankany Ramota-gileada àry ny mpanompon’ilay mpaminany.  Rehefa tonga tany izy, dia hitany nipetrapetraka ireo lehiben’ny tafika. Ary hoy izy: “Misy hafatra ho anao, sefo ô!” Dia nanontany i Jeho hoe: “Ho an’iza aminay ireto?” Ary hoy izy: “Ho anao, sefo ô!”  Nitsangana àry i Jeho ka niditra tao an-trano. Dia nandraraka an’ilay menaka teo amin’ny lohany ilay mpanompo, ka niteny hoe: “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Hosorako ho mpanjakan’ny vahoakan’i Jehovah, izany hoe ho mpanjakan’ny Israely, ianao.+  Vonoy ho faty ny ankohonan’i Ahaba tomponao, dia hovaliako ny ran’ireo mpaminany mpanompoko sy ny ran’ny mpanompon’i Jehovah rehetra nalatsak’i Jezebela.+  Dia ho faty ny ankohonan’i Ahaba rehetra. Haringako ny lehilahy rehetra* amin’ny ankohonany, anisan’izany ireo tsy misy mpiaro sy ireo osa eo amin’ny Israely.+  Ary hataoko hoatran’ny ankohonan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata sy hoatran’ny ankohonan’i Basa+ zanak’i Ahia ny ankohonan’i Ahaba. 10  I Jezebela kosa hohanin’ny alika ao amin’ilay tany any Jezirela,+ ka tsy hisy handevina.’” Dia nosokafan’ny mpanompon’ilay mpaminany ny varavarana, ary lasa nandositra+ izy. 11  Rehefa niverina teo amin’ireo mpanompon’ny tompony i Jeho, dia nanontanian’izy ireo hoe: “Misy olana angaha? Inona no nitadiavan’iny adala iny anao?” Dia namaly izy hoe: “Efa hainareo ihany ny lehilahy hoatr’ireny sy ny zavatra resahiny e!” 12  Hoy anefa izy ireo: “Tsy marina izany! Mba teneno anay izay nolazainy!” Dia hoy izy: “Izao sy izao no noresahiny tamiko. Dia nilaza koa izy hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Hosorako ho mpanjakan’ny Israely ianao.”’”+ 13  Dia samy nanala ny akanjony haingana izy ireo ka nametraka an’izany teo ambanin’i Jeho, teo amin’ireo zanatohatra.+ Ary nitsoka anjombona izy ireo, ka nilaza hoe: “Lasa mpanjaka i Jeho!”+ 14  Dia nanao tetika hamelezana an’i Jorama i Jeho+ zanak’i Josafata zanak’i Nimsy. Tany Ramota-gileada+ i Jorama sy ny tafiky ny Israely rehetra tamin’izay, mba hiaro ny Israely tamin’i Hazaela+ mpanjakan’i Syria. 15  Niverina tany Jezirela+ i Jorama Mpanjaka tatỳ aoriana, mba hotsaboina noho ilay ratra nahazo azy tamin’izy nasian’ny Syrianina, rehefa niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Syria.+ Ary hoy i Jeho: “Raha manohana ahy ianareo,* dia aza avela hisy olona handositra hiala eto an-tanàna mba hilaza an’izany any Jezirela.” 16  Dia nitaingina ny kalesiny i Jeho ka nankany Jezirela. Tany mantsy i Jorama tamin’izay, ary teo am-pandriana izy satria naratra. Ary efa nidina namangy azy tany i Ahazia mpanjakan’ny Joda. 17  Nijoro teny ambony tilikambo tany Jezirela ny mpitily, ka nahatazana olona be dia be tamy avy any, niaraka tamin’i Jeho. Tonga dia niteny izy hoe: “Mahatazana olona be dia be aho.” Ary hoy i Jorama: “Mandefasa mpitaingin-tsoavaly hitsena an-dry zareo, ka asaivo manontany hoe: ‘Fihavanana ve no ahatongavanareo atỳ?’” 18  Nisy mpitaingin-tsoavaly àry lasa nitsena azy, ka nanontany hoe: “‘Fihavanana ve no ahatongavanao atỳ’, hoy ny mpanjaka?” Hoy anefa i Jeho: “‘Fihavanana’ amin’ny ahoana? Mankanesa any aorianako, dia manaraha ahy!” Nanao tatitra àry ilay mpitily hoe: “Tonga teny amin-dry zareo ilay iraka, nefa tsy niverina.” 19  Nandefa mpitaingin-tsoavaly hafa indray àry i Jorama. Hoy izy io rehefa tonga teny amin’izy ireo: “‘Fihavanana ve no ahatongavanao atỳ’, hoy ny mpanjaka?” Hoy anefa i Jeho: “‘Fihavanana’ amin’ny ahoana? Mankanesa any aorianako, dia manaraha ahy!” 20  Dia hoy ilay mpitily: “Tonga teny amin-dry zareo ilay iraka, nefa tsy niverina. Raha ny fitondran’ilay olona kalesy aloha, dia hoatran’ny fitondran’i Jeho zafikelin’i* Nimsy mihitsy! Mirifatra hoatran’ny adala mantsy izy.” 21  Hoy i Jorama: “Omano ny kalesy fitondra miady!” Dia nomanina ny kalesiny. Ary samy nitaingina ny kalesiny avy i Jorama mpanjakan’ny Israely sy Ahazia+ mpanjakan’ny Joda, ka nandeha nitsena an’i Jeho. Nifanena taminy teo amin’ny tanin’i Nabota+ Jezirelita izy ireo. 22  Raha vao nahita an’i Jeho i Jorama, dia nilaza hoe: “Fihavanana ve no ahatongavanao atỳ, ry Jeho?” Hoy anefa izy: “Ahoana no hisian’ny fihavanana raha i Jezebela+ reninao aza mbola mivaro-tena sy milalao ody+ be mihitsy?” 23  Avy hatrany i Jorama dia nanodina ny kalesiny mba handositra, sady niteny tamin’i Ahazia hoe: “Voafitaka isika, ry Ahazia!” 24  Noraisin’i Jeho ny tsipìkany, dia notifiriny i Jorama ka voany teo anelanelan’ny sorony. Dia nigorobaka avy teo amin’ny fony ilay zana-tsipìka, ka nianjera tao amin’ny kalesiny izy. 25  Hoy i Jeho tamin’i Bidkara, manamboninahitra lefiny: “Batao izy, ary atsipazo eo amin’ny tanin’i Nabota Jezirelita.+ Tadidio fa tamin’izaho sy ianao nitaingina kalesy* nanaraka an’i Ahaba rainy, dia i Jehovah mihitsy no nanameloka+ azy hoe: 26  ‘“Hitako ny ran’i Nabota+ sy ny ran’ny zanany lahy omaly”, hoy i Jehovah, “ka eto amin’ity tany ity no tsy maintsy hamaliako ny nataonao”,+ hoy i Jehovah.’ Koa batao izy, dia atsipazo eo amin’ilay tany, araka ny tenin’i Jehovah.”+ 27  Rehefa nahita an’izay nitranga i Ahazia+ mpanjakan’ny Joda, dia nandositra nanaraka ny lalana mankany amin’ny zaridaina lehibe.*—Tatỳ aoriana, dia nanenjika azy i Jeho, ka niteny hoe: “Asio koa iny!” Dia nasian’izy ireo tao anaty kalesiny izy, teny an-dalana hiakatra tany Gora, any akaikin’i Ibleama.+ Mbola nandositra hatrany Megido ihany anefa izy, ka tany izy no maty. 28  Dia nentin’ny mpanompony tamin’ny kalesy ho any Jerosalema izy, ka nalevin’izy ireo tao am-pasany any amin’izay nisy an’ireo razambeny, tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ 29  Tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Jorama zanak’i Ahaba no lasa mpanjakan’ny Joda i Ahazia.+ 30  Tonga tany Jezirela+ i Jeho, ka henon’i Jezebela+ izany. Nanao manjamaso mainty àry izy, sady namboariny ny volony. Dia nitazana teo am-baravarankely izy. 31  Rehefa niditra teny am-bavahady i Jeho, dia hoy i Jezebela: “Hainao moa no niafaran’i Zimry, ilay namono ny tompony?”+ 32  Ary niandrandra nijery tany amin’ilay varavarankely i Jeho, sady nilaza hoe: “Iza no manohana ahy? Iza?”+ Avy hatrany dia nisy tandapa roa na telo niondrika nijery azy. 33  Hoy i Jeho: “Atsipazo izy!” Dia natsipin’izy ireo i Jezebela, ka niporitika tamin’ny rindrina sy tamin’ny soavaly ny rany. Ary nohitsahin’i Jeho tamin’ny soavaliny izy. 34  Dia niditra tao an-trano i Jeho ka nihinana sy nisotro. Niteny izy avy eo hoe: “Mba karakarao ilay voaozona iny ary aleveno! Fa mba zanakavavin’ny mpanjaka+ ihany izy iny!” 35  Rehefa handeha handevina azy anefa izy ireo, dia tsy nahita afa-tsy ny karandohany sy ny tongony ary ny felatanany.+ 36  Niverina nilaza izany tamin’i Jeho izy ireo, ka hoy izy: “Tanteraka ny teny nolazain’i Jehovah+ tamin’ny alalan’i Elia Tisbita mpanompony hoe: ‘Ao amin’ilay tany eto Jezirela no hihinanan’ny alika ny nofon’i Jezebela.+ 37  Ary ho zezika ao amin’ilay saha, ao amin’ilay tany eto Jezirela, ny fatin’i Jezebela mba tsy hisy ho afaka hilaza hoe: “I Jezebela io.”’”

Fanamarihana

Abt: “izay mipipỳ amin’ny rindrina.” Fomba fiteny hebreo fanambaniana ny lehilahy.
Na: “Raha mety aminareo.”
Abt: “zanakalahin’i.”
Na: “niara-nitaingina soavaly.”
Abt: “trano ao anaty zaridaina.”