Samoela Faharoa 14:1-33

  • Joaba sy ilay vehivavy tekoita (1-17)

  • Fantatr’i Davida ny tetik’i Joaba (18-20)

  • Navela hody i Absaloma (21-33)

14  Ary fantatr’i Joaba zanak’i Zeroia+ fa nalahelohelo an’i Absaloma ny fon’ny mpanjaka.+  Koa naniraka olona haka vehivavy marani-tsaina tany Tekoa+ i Joaba, ka nilaza taminy hoe: “Mba mody ataovy hoe misaona ianao, ka manaova akanjo fisaonana, ary aza mihoso-menaka.+ Ataovy hoatran’ireny vehivavy nisaona efa ela ireny ianao.  Mankanesa ao amin’ny mpanjaka avy eo, ary izao lazaina aminy.” Dia nolazain’i Joaba taminy* izay teny tokony holazainy.  Nankao amin’ny mpanjaka àry ilay vehivavy tekoita, dia nandohalika ka niankohoka tamin’ny tany, ary niteny hoe: “Mba ampio re aho, ry mpanjaka ô!”  Ary hoy ny mpanjaka taminy: “Fa misy inona?” Dia hoy izy: “Mpitondratena aho, fa efa maty ny vadiko.  Nanan-janaka roa lahy izaho mpanomponao, ary niady tany an-tsaha izy mirahalahy. Tsy nisy nanasaraka anefa ry zareo, dia namely ny iray ny iray ka nahafaty azy.  Lasa manohitra ny mpanomponao izao ny fianakaviana manontolo. Nilaza ry zareo hoe: ‘Atolory anay ilay namely ny rahalahiny mba hovonoinay ho faty,+ noho izy nandatsaka ny ain’ny rahalahiny. Tsy maninona na tsy misy mpandova intsony aza!’ Tadiavin-dry zareo hovonoina ilay vainafo sisa mba ananako!* Dia ho very anarana ny vadiko sady tsy hanan-taranaka* intsony etỳ ambonin’ny tany.”  Koa niteny taminy ny mpanjaka hoe: “Modia any an-tranonao, fa hanome baiko aho hanampiana anao.”  Dia hoy ilay vehivavy tekoita: “Ry mpanjaka tompoko ô, izaho sy ny ankohonan-draiko no aoka ho meloka, fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany kosa tsy hanan-tsiny.” 10  Ary nilaza ny mpanjaka hoe: “Raha mbola misy miteniteny anao, dia ento atỳ amiko izy. Tsy hila vaniny aminao intsony izy amin’izay.” 11  Hoy anefa ilay vehivavy: “Mba tsarovy re i Jehovah Andriamanitrao ry mpanjaka ô, amin’izay dia tsy hahatonga loza amin’ny zanako lahy ny mpamaly ra+ ka tsy hamono azy.” Dia hoy ny mpanjaka: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia tsy hisy ho latsaka amin’ny tany ny singam-bolon’ny zanakao na iray aza.” 12  Ary hoy ilay vehivavy: “Mba avelao ny mpanomponao hiteny kely amin’ny mpanjaka tompoko.” Dia hoy izy: “Mitenena àry!” 13  Niteny ilay vehivavy hoe: “Nahoana àry ianao, ry mpanjaka, no nanao zavatra tsy mahasoa ny vahoakan’Andriamanitra hoatr’izany?+ Manameloka anao ny teninao, satria tsy mampody an’ilay zanakao noroahinao+ ianao. 14  Tsy maintsy ho faty isika, ka ho toy ny rano araraka amin’ny tany, izay tsy azo raofina intsony. Andriamanitra anefa tsy hamono olona. Izy aza mitady antony hamerenana an’izay efa noroahina lavitra azy. 15  Tonga hilaza an’izany amin’ny mpanjaka tompoko aho, satria nampitahorin’ny olona. Koa niteny ny mpanomponao hoe: ‘Aleo aho hiresaka amin’ny mpanjaka. Angamba izy hanao an’izay angatahin’ny mpanompony. 16  Mety mba hihaino ny mpanompony ny mpanjaka, ka hamonjy ahy sy ilay zanako lahy mba tsy ho azon’izay mitady handringana anay tsy ho eo amin’ilay lova nomen’Andriamanitra anay.’+ 17  Dia hoy ny mpanomponao: ‘Enga anie hampionona ahy ny tenin’ny mpanjaka tompoko!’ Hoatran’ny anjelin’ilay tena Andriamanitra mantsy ny mpanjaka tompoko, ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Homba anao anie i Jehovah Andriamanitrao!” 18  Dia niteny tamin’ilay vehivavy ny mpanjaka hoe: “Aza misy afenina ahy, azafady, izay hanontaniako anao.” Ary hoy ilay vehivavy: “Mitenena àry, ry mpanjaka tompoko ô!” 19  Koa nanontany azy ny mpanjaka hoe: “I Joaba ve no nampirisika anao hanao an’izany rehetra izany?”+ Dia hoy ilay vehivavy: “Raha mbola velona koa ianao, ry mpanjaka tompoko, dia tena marina mihitsy izany voalazanao izany.* I Joaba mpanomponao no nanoro ahy an’izay tokony hatao sy nilaza tamin’ny* mpanomponao an’izay teny rehetra tokony holazaina. 20  Nanao an’izany i Joaba mpanomponao mba hampiova ny fahitanao an’ilay toe-javatra. Hendry hoatran’ny anjelin’ilay tena Andriamanitra anefa ny tompoko, ka fantany daholo izay mitranga eto amin’ity tany ity.” 21  Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Joaba: “Eny àry e, harahiko ny teninao.+ Mandehana alaivo i Absaloma,+ dia ento miverina atỳ.” 22  Dia nandohalika i Joaba ka niankohoka tamin’ny tany. Ary nisaorany ny mpanjaka. Hoy izy: “Fantatro izao fa mahazo sitraka aminao aho, ry mpanjaka tompoko, satria nanao an’izay nangatahin’ny mpanompony ny mpanjaka.” 23  Dia nitsangana i Joaba ka nankany Gesora,+ ary nentiny ho any Jerosalema i Absaloma. 24  Hoy anefa ny mpanjaka: “Aleo izy hody any an-tranony, fa tsy mahazo mifanatri-tava amiko izy.” Nody tany an-tranony àry i Absaloma, ka tsy nahita ny mpanjaka izy. 25  Tsara tarehy be mihitsy i Absaloma, ka tsy nisy lehilahy nodokadokafana hoatr’azy teo amin’ny Israely rehetra. Tsy nisy hokianina izy hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany. 26  Nilanja 200 sekely* ny volon-dohany rehefa notapahiny, araka ny vatomizanan’ny mpanjaka.* Tsy maintsy notapahiny ny volony isaky ny faran’ny taona, satria navesatra loatra taminy. 27  Nanan-janaka telo lahy+ sy vavy iray atao hoe Tamara i Absaloma. Tsara tarehy be ilay tovovavy. 28  Ary nipetraka roa taona katroka tao Jerosalema i Absaloma. Tsy mbola nahita ny mpanjaka anefa izy.+ 29  Nampiantso an’i Joaba àry i Absaloma mba hirahiny ho any amin’ny mpanjaka, nefa tsy nety nankany amin’i Absaloma izy. Dia nampiantso azy fanindroany i Absaloma, fa mbola tsy nety ihany izy. 30  Farany, dia hoy i Absaloma tamin’ny mpanompony: “Misy tanin’i Joaba eo akaikin’ny taniko, ary manana vary orza eo izy. Mandehana dory ilay izy!” Dia nodoran’ny mpanompon’i Absaloma ilay tany. 31  Nankany an-tranon’i Absaloma àry i Joaba, ka niteny taminy hoe: “Fa maninona ny taniko no nodoran’ny mpanomponao?” 32  Dia hoy i Absaloma tamin’i Joaba: “Koa izaho efa naniraka olona tany aminao hilaza hoe: ‘Tongava atỳ mba hirahiko ho any amin’ny mpanjaka, sy hanontany azy hoe: “Inona fotsiny no nahatongavako avy any Gesora?+ Naleoko ihany nijanona tany. Avelao amin’izay aho hahita anao, ry mpanjaka ô! Ary raha meloka aho, dia vonoy ho faty.”’” 33  Nankao amin’ny mpanjaka àry i Joaba ka niresaka taminy. Nantsoin’ny mpanjaka i Absaloma avy eo, dia nankao amin’ny mpanjaka izy, ka nandohalika teo anatrehany sady niankohoka tamin’ny tany. Dia nanoroka an’i Absaloma ny mpanjaka.+

Fanamarihana

Abt: “nataon’i Joaba tao am-bavany.”
Izany hoe ilay sisa nantenainy mba hahazoana taranaka.
Abt: “tsy hisy sisa tavela.”
Na: “dia tsy misy afaka miankavia na miankavanana amin’izay lazainao.”
Abt: “nanao tao am-bavan’ny.”
2,3 kg eo ho eo. Jereo F.F. B14.
Mety ho vatomizana mahazatra notehirizina tao an-dapa izy io. Na mety hoe sekely fampiasan’ny “mpanjaka” izay tsy mitovy amin’ny sekely fampiasan’ny vahoaka.