Samoela Faharoa 15:1-37

  • Nikomy i Absaloma (1-12)

  • Nandositra niala tao Jerosalema i Davida (13-30)

  • Lasa nanohana an’i Absaloma i Ahitofela (31)

  • Nirahina hanohitra an’i Ahitofela i Hosay (32-37)

15  Taorian’izany rehetra izany, dia nampanao kalesy iray i Absaloma. Nanana soavaly koa izy, ary nisy lehilahy 50 nihazakazaka teo alohany.+  Nifoha maraina i Absaloma, ka nitsangana teo amoron’ny lalana mankeo am-bavahadin’ny tanàna.+ Isaky ny nisy olona nanana raharaha hoentina hotsaraina eo anatrehan’ny mpanjaka,+ dia nantsoin’i Absaloma izy ka nilazany hoe: “Avy any aninona ianao?” Dia hoy ilay olona: “Avy amin’ny iray amin’ireo fokon’ny Israely ny mpanomponao.”  Ary izao no nolazain’i Absaloma taminy: “Ara-drariny sady ara-dalàna ny fangatahanao, saingy tsy misy olona notendren’ny mpanjaka hihaino anao.”  Hoy koa i Absaloma: “Raha mba izaho mantsy no voatendry ho mpitsara eto amin’ity tany ity, dia ho afaka hankatỳ amiko izay olona manana ady sy raharaha hotsaraina. Ary hataoko izay hahazoany rariny.”  Rehefa nisy nanatona mba hiankohoka teo anatrehany, dia natsotran’i Absaloma ny tanany ka noraisiny ilay olona sady norohany.+  Hoatr’izany no nataon’i Absaloma isaky ny nisy Israelita nankany amin’ny mpanjaka mba hotsaraina. Nahay naka* ny fon’ny Israelita àry i Absaloma.+  Rehefa tapitra ny efa-taona,* dia niteny tamin’ny mpanjaka i Absaloma hoe: “Mba avelao aho hankany Hebrona+ hanefa ny voady nataoko tamin’i Jehovah.  Fa nivoady+ ny mpanomponao, tamin’izaho nipetraka tany Gesora+ any Syria, hoe: ‘Raha ampodin’i Jehovah any Jerosalema aho, dia hanao fanatitra ho* an’i Jehovah.’”  Dia hoy ny mpanjaka taminy: “Mandehana àry, dia mirary soa ho anao aho!”* Koa niainga i Absaloma ka nankany Hebrona. 10  Dia nandefa mpitsikilo nanerana ny foko rehetra teo amin’ny Israely i Absaloma, ka nilaza tamin’izy ireo hoe: “Raha vao mandre feon’anjombona ianareo, dia milazà hoe: ‘Lasa mpanjaka ao Hebrona i Absaloma!’”+ 11  Ary nisy 200 lahy avy ao Jerosalema nandeha tany, niaraka tamin’i Absaloma. Nasaina ho any izy ireo dia nandeha, nefa tsy nanampo na inona na inona sady tsy nahalala an’izay nitranga. 12  Rehefa nanao sorona i Absaloma, dia nampanantsoiny avy tany an-tanànany, tany Gilo,+ i Ahitofela+ Gilonita, mpanolo-tsain’i*+ Davida. Dia nihanitatra ilay fikomiana, ary nihabetsaka+ ny olona nanohana an’i Absaloma. 13  Ary nisy tonga nilaza tamin’i Davida hoe: “Efa babon’i Absaloma ny fon’ny Israelita, ka lasa nanaraka azy izy ireo.” 14  Tonga dia hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra niaraka taminy tao Jerosalema: “Andao handositra,+ fa tsy hisy ho afa-miala amin’i Absaloma isika! Andao haingana sao dia ho tratrany eto isika dia hataony mahita faisana, ary hasiany amin’ny sabatra ny tanàna!”+ 15  Dia hoy ny mpanompon’ny mpanjaka taminy: “Na inona na inona tapaky ny mpanjaka tompoko, dia vonona hanatanteraka an’izany izahay mpanomponao.”+ 16  Lasa àry ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny ankohonany manontolo. Nisy vadikeliny folo+ anefa nasainy nijanona mba hikarakara ny trano.* 17  Dia nanohy ny diany ny mpanjaka sy ny olona rehetra nanaraka azy. Ary nijanona kely tao Beti-meraka izy ireo. 18  Nandalo teo anatrehan’ny mpanjaka ny mpanompony rehetra izay niara-nitsoaka* taminy, mba hahitany raha tao daholo izy ireo. Nanao hoatr’izany koa ny Keretita sy ny Peletita+ rehetra, ary ny Gatita+ 600 lahy izay efa nanaraka azy avy tany Gata.+ 19  Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Itahy+ Gatita: “Maninona ianao no hiaraka aminay? Mandehana miverina, ary mijanòna any amin’ilay mpanjaka vaovao. Ianao ange hafa firenena e, sady voatery niala tany amin’izay nisy anao. 20  Vao omaly ve ianao no tonga dia efa hoentiko mirenireny miaraka aminay sahady androany, nefa izaho aza ity tsy mahalala izay tany halehako akory? Mandehana miverina, ary ento miaraka aminao ireo rahalahinao. Enga anie i Jehovah ho tia anao sy tsy hivadika aminao ary hasehony aminao anie hoe mendri-pitokisana+ izy!” 21  Hoy anefa i Itahy tamin’ny mpanjaka: “Raha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ny mpanjaka tompoko, dia any amin’izay hisy ny mpanjaka tompoko no hisy ny mpanomponao, na ho faty na ho velona!”+ 22  Ary hoy i Davida taminy:+ “Mandehana àry miampita.” Dia niampita i Itahy Gatita sy ny olony ary ny ankizy rehetra niaraka taminy. 23  Nigogogogo nitomany daholo ny mponina tao amin’ilay tany rehefa niampita ireo olona rehetra ireo. Ny mpanjaka kosa nitsangana teo amoron’ny Lohasahan’i Kidrona.+ Ary niampita nankany amin’ny lalana mankany an-tany efitra ny olona rehetra. 24  Teo koa i Zadoka,+ ary niaraka taminy ny Levita+ rehetra nilanja ny Vata+ misy ny fifanekena nataon’ilay tena Andriamanitra.+ Dia napetrak’izy ireo ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra. Ary tonga teo koa i Abiatara,+ raha mbola niampita ny olona rehetra avy ao an-tanàna. 25  Hoy anefa ny mpanjaka tamin’i Zadoka: “Ento miverina ao an-tanàna+ ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra. Fa raha mahazo sitraka amin’i Jehovah aho, dia hoentiny miverina koa ka havelany hahita an’ilay Vata sy ny toerana misy azy.+ 26  Raha milaza kosa izy hoe: ‘Tsy mankasitraka anao aho’, dia avelao hataony amiko izay fantany fa mety.” 27  Dia hoy koa ny mpanjaka tamin’i Zadoka mpisorona: “Tsy mpahita moa ianao?+ Miverena ao an-tanàna, ary enga anie ianareo ho tonga soa aman-tsara any! Ento miaraka aminareo izy roa lahy zanakareo, dia i Ahimaza zanakao sy Jonatana+ zanak’i Abiatara. 28  Fa izaho hijanonjanona eo amoron’ny toerana fiampitana any an-tany efitra, mandra-pahenoko vaovao avy any aminareo.”+ 29  Nentin’i Zadoka sy Abiatara niverina tany Jerosalema àry ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra, ary nijanona tany izy ireo. 30  Dia niakatra ny Tendrombohitra* Oliva+ i Davida sady nitomany. Nisaron-doha izy ary tsy nanao kapa. Nisaron-doha koa ny olona rehetra niara-niakatra taminy sady nitomany. 31  Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe: “Miray tsikombakomba+ amin’i Absaloma+ koa i Ahitofela.” Dia hoy i Davida: “Jehovah ô, mba ovao ho hadalana+ re ny torohevitr’i Ahitofela e!”+ 32  Rehefa tonga teny an-tampon’ilay tendrombohitra i Davida, teo amin’ny toerana fiankohofan’ny olona tamin’Andriamanitra, dia efa tonga nitsena azy teo i Hosay+ Arkita.+ Rovidrovitra ny akanjo lava nanaovany, ary nihosim-bovoka ny lohany. 33  Hoy anefa i Davida taminy: “Ho enta-mavesatra ho ahy ianao raha miampita miaraka amiko. 34  Fa miverena ao an-tanàna, dia teneno i Absaloma hoe: ‘Mpanomponao aho, ry Mpanjaka ô! Mpanompon’ny rainao aho taloha, fa mpanomponao+ kosa aho izao.’ Raha izay no ataonao, dia ho afaka hanao izay tsy hanarahana ny torohevitr’i+ Ahitofela ianao, ka hanampy ahy. 35  Tsy miaraka aminao any moa i Zadoka sy Abiatara mpisorona? Lazao amin’i Zadoka sy Abiatara mpisorona izay zavatra rehetra henonao avy ao an-tranon’ny mpanjaka.+ 36  Miaraka amin’izy ireo ny zanany roa lahy, dia i Ahimaza+ zanak’i Zadoka sy Jonatana+ zanak’i Abiatara. Dia asaivo ampitain’izy roa lahy atỳ amiko izay rehetra henonareo.” 37  Nankao an-tanàna àry i Hosay naman’i Davida.*+ Tamin’izay indrindra no niditra tao Jerosalema i Absaloma.

Fanamarihana

Abt: “Nangalatra.”
Na mety hoe “40 taona.”
Na: “hankalaza.” Abt: “hanompo.”
Abt: “Mandehana amim-piadanana!”
Na: “mpanoro hevitra an’i.”
Na: “lapa.”
Na: “niara-niampita.”
Na: “fiakarana atao hoe.”
Na: “ilay namana natokisan’i Davida.”